Ngamba tsy mahay fampandrosoana ny mpitondra Malagasy

1. tsilan ( 22/05/2004 22:34)
Mba fanontaniana iny ny ahy an
29 taona lasa izay dia nisy Rangahy nitabataba fa paradisa Sosialista ny taona 2000. Tonga ny taona 2000, moa tsy fahantrana Sosialista no nitranga.
Tonga ny taona 1991, niresaka indray i ngahy avara-pianarana fa entina miakatra ity firenena ity. Inona no niseho fa tsy nijontso ny firenena.
Taona 2002, dia nanandra-peo ny fampandrosoana haingana, kanjo tokoa iray taona mahery monja dia nihemotra hainga i Madagasikara.
Dia hoy aho hoe toa izay mifanohitra amin'ny tanjon'ny mpitondra hatrany no miseho eto. Koa amin'ny manaraka izay raha tiana handroso i Madagasikara dia tokony hilaza ny kandida mandritry ny fampielezan-kevitra fa ny tanjony dia hampahantra an'i Madagasikara. Amin'izay mantsy vao mety handroso ny tanintsika
Sa ahoana hoy ianareo?
novalian'i fijo ny 04/10/2004 22:23
2. aristar ( 23/05/2004 21:06)
Comme on presque atteint le fond, espérons qu'on ne peut que remonter !!!
3. zople ( 24/05/2004 07:21)
Marina ilay lazainao, ary tena miombon-kevitra aminao aho izay manoratra. Koa anjaran'ny tsirairay ny mandinika lalina ny toem-piainany ary manao izay manatsara ny fiainany. Asa angamba ny mpitondra tsy mahita ny fiainam-bahoaka fa ny azy ihany no hatsarainy. Sa tsy marina izany ry zareo ?
4. ikaretsaka ( 24/05/2004 22:28)
ary hitako no bedebe ny tsy lany rehefa miteny heo hampihemoriko ity firenena ity na ataoko elaela ny fampandrosoana...
io ilay heo tsy misy sahy hiteny mihitsy hoe lo aty ny mangahazony e
5. fijo ( 26/05/2004 20:07)
ny fahitako azy dia miankina loatra amin'ny fanampiana koa isika,hany ka tsy hafaka hanao zavatra irery raha vao io fanampiana io no mikatso.
6. latifa ( 15/06/2004 13:52)
tena marina izany tsy fahaizana mapandroso izany ataonn'y mpitondra izany. lazaiko anao irep mpitondra ireo dia samy nianatra tany andafy daholo. misy aza moa efa nanorimponenana tany mihintsy vao nody izany hoe efa nanana ny zavatra mahazatra azy tany tamin'ny fianana andavanaandro. fa ny mahagaga dia rehefa tonga eto dia hadino ilay fivoarna azo tany fa varina miady antrano sy mameno posy fotsiny.
7. kitjo ( 15/06/2004 17:44)
latifa> fa ngah erfa oe nianatra taty andafy d oe danz be? noho ireo nandrato tao dago?

in kay ny sosokevitr' latifa ary? iza no apetraka eo? sa vazaha no alaina hitondra antsiak?
8. latifa ( 16/06/2004 15:54)
kitjo> na taiza na taiza aloha ianao no nianatra rehefa tsy mahavoa dia tsy mahavoa eh! fa ny tiako tenenina anie dia izao eh. raha tao dago ianao ka lasa tany ivelany dia hitanao mihintsy kosa aloha izany hoe fandrosona sy ny politika ampiarina hampandosona ny firenena dia izay fandrosona hitanao tany izay no mba hangalan hevitra ampiarina eo amin'ny fiainana sy ny firenena. raha variana hampandroso ny tenanao fotsiny ianao dia tsy handroso mihintsy satria ny manodidina anao tsy mandros miaraka aminao. omeko ohatra tsotra ianao. amin'izao fiainana lafo izao, mbola mahavidy yaourt TIKO ve ny olona? raha tsy mhavidy ny olona dia ahoana ny hiafaran'io société io? maty ho azy? iza no voa mafy? ny vahoaka sy ny tompony satria very ny vola nanaovana investissement.... ka izay no itenenako hoe ampadrosoy ny manodidina anao mba hampadroso anao koa
9. maditra ( 04/10/2004 02:43)
Aza omena omena ny mpitondra ny tsiny rehetra e. Misy izao ny mimenomenona be hoe tsy lasa ity kolikoly ity e,trop e..Nefa vao mahazo seza ranamana dia manao kolikoly.Misy indray ireo izay tsy mba te hanavotra ny tenany fa eo mino fotsiny ihany eo tokoa. F\'angaha izany ny minoa fotsiny ihany nampanantenain\'ny Filoha antsika?
Ka raha tsy mandroso izany isika dia hoe Zafy na Ratsiraka na Ravlo. Ie mety ho zareo tokoa fa isika vahoaka tsy afa miala koa!
10. fijo ( 04/10/2004 22:23)
tena fahendrena ny voalazan\'i maditra.samia mijery ny nataony dia hita eo ny fampandrosoana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5686