poeta

1. nykanto ( 17/05/2004 12:33)
Tiako hampidirina ity lohateny ity eto, ary inoako fa manana ny lanjany koa eo amin'ny sehatry ny kolontsaina malagasy, izaho dia mpianatra ho mpikaroka malagasy aty ampita, sady manoratra ihany koa amin'ny fiteny malagasy sy frantsay, te-hanangana ny fikambanan'ny poeta malagasy aty ampita aho, ary raha toa miantefa aminao izany dia mba anoraty aho ao ami'ny adiresy nykanto@hotmail.com ahafahantsika mifandray sy mifanakalo hevitra, n'aiza n'aiza misy anao rahefa ivelan'i Dago ka poeta sady maniry ny hivondrona dia io izany ny sosokevitra fa efa misy, mandrampiresaka!
novalian'i nykanto ny 25/06/2004 12:22
2. ramoul ( 22/06/2004 20:45)
Dia misaotra betsaka ry nykanto fa voaray ny hafatrao.
3. six ( 23/06/2004 05:55)
misaotra e! d aona nefa zay zao mba te hanao poeta nefa toa hotran'ny ts manana aingam-panahy mintsy d aona, sa mba afaka atoro zahay!!!!!!!!!
4. bichette ( 23/06/2004 08:42)
nykanto a ! ahoana tsara aloha ilay hoe poety ???? inona ny critere ???? sa rehefa manoratra fotsiny???
5. fijo ( 23/06/2004 23:17)
marina ilay fanontanian'i bichette.
6. nykanto ( 25/06/2004 12:11)
Tsy voavakiko ireo valin-kafatra raha tsy izao ... tsara raha miresaka mivantana amiko ireo izay tena vonona ny hanangana ilay fikambanana, nya diresiko dia tsy iza fa nykanto@hotmail.com,
7. nykanto ( 25/06/2004 12:22)
Ny poety raha ny hevitro manokana dia mpanoratra : i) mametraka antsoratra ny zavatra hitany na koa niainany amin'ny endrika maro ii) manome koa ny heviny , an-tsoratra, manoloana ny toe-javatra misy sy mitranga, mahafaoka ny sehatra rehetra izany, iii) manana fomba fijery (maso) hafa kely koa ireny poety ireny izay mety hifanohitra ny an'ny besinimaro ...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2987