Inona no ataon 'ny fanjakana amin izao toe-javatra misy eto amitsika izao :fitokonana atsy,fiakarana vidin entana tsy era'ny aina aroa ?

1. ravatorano ( 17/05/2004 06:31)
MitokoSECES,ny Magistrat eto Tanà ary dia tsy manao service minimum izy ireo amizany fa dia tena mihevitra ny hanafoana ny birao mihitsy.Ny minisitry ny fitsarana anaefa dida nilaza fa manan mauvaise foi ihany ry zareo amin izao fitakina ataony izao.
Ny an ireo mpampianatra eny amin ny anjerimanontolo moa dia mihezaka ry zareo hitaona anireo mpampianatra vacataire mbola manohy ny asany fa tsy mitokona.
Vao niakatra indray izao ny lasantsy eo amin ny 6% eo izany hoe 7120 fmg izy izao.Voalaza moa fa ny vidin ny baril brut izao dia 41,5 USD.
Ny frais taxibe izany dia hiakatra 1500fmg manomboka amin ny volana jiona izao de firy amin ny malagasy no hahazaka an izany,ny karama tsy misondrotra nefa ny fidangan ny vidim-piainana eo mila tsy ho zakan ny tsy mandady harona tsotry.
Ny filoha aloha amizao dia mbola any Chine any manao ny fitsidihana io firenena io.
Inona marina no politika entin ny fanjakana mba hanampiana ny vahoaka amin izao fiainana izao .Tsy rariny ve raha hisy mesure d 'accompagnement ihany sao lahy ka hivadika indray ity raharaha ity ka ho potika eo dhl ny efa nilofosana.
Raha hilaza fa hitokona koa ny fokisionera dia ahoana koa....Raha hisy ny fisondrota-karama ho azy ireo dia mba manakory ny an 'ireity ao mpiasa ao amin ny zone franche izay tena surexploité tokoa fa sady miasa mafy no mikarama vary masaka.Tena henjana izy ity ary mbola hahavita hanaraka ilay slogan vaovao ihany ve ny vahoaka malagasy ; "mahareta fotsiny ihany"
fa mandalo de miserana io.
Tsy nadalo intsony ilay krizy fa voamaika aza nahazo vahana niaktra sy nahazo hery tanteraka.
novalian'i fijo ny 20/05/2004 00:03
2. rhal ( 18/05/2004 04:30)
Amin\'ny lafiny iray mantsy dia ny fiovana sy ny fanovana entin\'ny mpitondra vaovao no tena notadiavin\'ny vahoaka malagasy. Roa taona izay no lasa. Manaiky ve ny malagasy ny hiaritra kely mba hampitoetra izany fiovana sy ho fandrosoana izany? Tsy fantatra. Raha ny marina mantsy dia efa tsy hanavahana intsony izy ity. Hiaritra isika ka raha maty alohan\'ny fotoana hoy ny fitenenana izay. Raha tsy hiaritra indray anefa, sao mba ho izay tokoa moa no làlana hivoahan-tsika ao aoriana kely ao. Asa na tsaroanareo ilay fiteny manao hoe : \'\' Ao anatin\'ny mangidy no misy ny mamy\'\'.
Mitaraina ny olona amin\'izao fotoana izao. Sahirana tokoa izy nefa betsaka ihany koa ireo izay mbola tsy vonona ho amin\'ny fiovana vaovao indray. Toa ny zaza vao teraka ihany io. Rehefa mbola kely loatra ny zaza, dia mbola tsy tokony hisy ny zandriny mba hahalavorary ny toka-trano. Karakaraina izy, tsaboina izy rehefa tsy salama. Any aoriana kely any angamba vao tonga ny fotoana hametrahana fanontaniana ny mikasika ny hoaviny.
3. fijo ( 20/05/2004 00:03)
marina izany saingy ilay zava misy any anie ry zareo ka tena efa tsy tratry ny aina e.izay no hitarainana'ny olona.ary manampy trotraka moa ity tsy fisian'ny serasera amin'ny vahoaka sy ny fitondrana ity dia vao miha ny olona ao anaty maizina tanteraka.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2903