Resaka momba an Madagasikara

1. kitjo ( 16/05/2004 09:22)
Manana interview amina gazety ray lehibe eto Singapour aho hilazalaza momba an'i Madagasikara @ alakamisy

D mba mangataka hevitra avy amintsika oe inona sy inona daholo ny tokony resahina

Mba mangataka zavatra serieux sady mitombona @ty ndray mitoraka ty.

Misaotra antsika rehetra e
novalian'i fijo ny 25/05/2004 22:05
2. chipie1 ( 16/05/2004 12:42)
aminy alakamisy zany e!
3. oully ( 16/05/2004 13:35)
Lazao akia ny maha nosy tsara antsika saingy trandrahan'ny mpanam-bola fotsiny an! Lazao daholo ny harena hananantsika: an-dranomasina, an-kibon'ny tany, "main d'oeuvre", olo-manga, saingy ny hafa hoe no mitrandraka azy. Lazao koa fa hatramin'ny "money" no tsy mety tafidina intsony, sns eh ....
Dé mahareza ambasadrisinay an! (aza adino ny miresaka ny serasera :))))
4. kitjo ( 16/05/2004 17:17)
Melsi Oully,
Raha mba misy mahalala site @ teny anglisy koa azafady resaka fizahantany sy fampiasam-bola any Dago...
5. samoina ( 16/05/2004 19:56)
Ho eritreretina tsara mandritry ny tapak'andro de milaza eto ihany raha tsy efa voambaran'ny namana eny ihany ny hafatra mba tiana hampitaina e !
6. angie ( 17/05/2004 18:08)
Raha ny tsara de ny milaza ny zavatra tsara fa tsy hoe rehefa miresaka Afrique e Mcar de ny fahantrana foana. Mila manao recherche tsara ianao satria izay lazainao de mety hisy fiantraikany aminao sy ny firenena.
7. fijo ( 17/05/2004 21:46)
salit e,
raha hiresaka ny momba antsika ianao dia izao avy araka ny hevitro no tsara resahina.
_faritra geografika(aiza no misy antsika)
_tantara ankapobehany(nanomboka ny faha mpanjaka ka hatramin'izao)tsy atao ela io fa vetivety.
_ny zavatra hanana'ny tany,ary ny toekarena talohan'ny 75.io mantsy ahafahana manohana fa mananjavatra isika fa ilay fitantanana azy no tsy mety.
_ny lalana momba ny fahafahana mampiasa vola any.
site momba ny fizahantany jereo ny site "vanilla"mandalo tonga soa dia hita ao.
mahereza e.aiza koa ny hevitry ny sasany,fa mila hevitra ny hiresaka momba ny tanintsika.
mahereza e
8. samoina ( 17/05/2004 22:40)
Tsara fantarina koa ry kitjo hoe inona no antony nahatonga izao valan-dresaka ho an\'ilay gazety lehibe izao : ianao no nangataka sa izy no niantso ? Ahoana ny fomba nifandraisanareo voalohany ?
Ny anton\'izany mantsy tsy hoe resaka curiosité fa arakarak\'izay koa no hitondranao ny famelabelarana hatao.
Raha izy mpanao gazety no niantso dia mazava fa @ maha-tany mbola \"malalaka\" an\'i Madagasikara dia mety te hamporisika ny teknisiana any aminy izy hizaha lalana any amintsika ohatra. Isika rahateo moa mbola mitana anjara toerana lehibe ny resaka fambolena sy fiompiana, rizareo singapouriana kosa araky ny hay toa matanjaka raha resaka teknôlôjia indostrialy; jerena arak\'izany ny mety hitondra soa ho antsika na dia eo @ lafiny fanofanana ireo tantsaha aza ohatra.
Hiaraha-mahalala koa ny fahasarotan-dalana any amintsika, ary indrindra ny tsy fahampian\'ny fitaovam-pitaterana( an-dalamby ohatra na an-dranomasina) . Io koa no mety azo resahina satria nareo singapourianina koa toa efa lasa lavitra @ io resaka io.
Ny fizahan-tany moa tsy hadino ary mba resao koa ny kanetibe fa iny faritra iny anisan\'ny mpankafy azy io. Lazao tsara fa efa tompondaka ny gasy t@ 1999 ary ny sampana junior t@ 2003 koa torak\'izany. Mahaliana azy ireo izany satria henoko fa miha-matotra ny fanofanan\'ny ao Singapour ny tanorany @ io kilalao/spaoro io.
Saingy raha mba mankany aminay nareo hoe aza manao rodobe sy maharitra ela loatra fa efa mihamaro ihany koa ny sinoanoa toa anareo any . Hihi
Resadresaka ihany ny ahy satria fantatray fa efa vonona ny hiatrika interview ianao e ! Matoky anao ny firenena ry kitjo ary de mahereza a !
9. samoina ( 17/05/2004 23:02)
Saika adinoka ho famenon'ilay site efa voalazan'i fijo io dia azo topaza-maso koa ny site ôfisialin'ny governemanta sao misy mahasoa ihany: www.madagascar.gov.mg
10. kitjo ( 18/05/2004 06:51)
Sali aby
Misaotra betsaka ry reto an
Marina ny fanontanian'i Samoina, ny tena marina d nisy madama malaisian namako d za sendra niresaka taminy fa andeha ho any Afrique du sud zareo hitady tany hovidiana d nanontany ahy oe misy zavatra azo ampisaian vola ve any Dago. D sendra nandalo teto moa ny dadako t@ tapabolana d niresaka zareo.
D nanipy hevitra t@ le madama aho znay oe ahoana ny fomba hampahafantarina an'i Madagasikara ny olona eto satria tsika misy rohy oa,(mahalala tsara n ytantaran'i M/kara io madama io,mihoatra noho izaho aza).

D nilaza taminy koa moa za ny antony ianarako aty oe tokony hisokatra kokoa @ firenena miteny anglisy oa M/kara. bdb ny zvt azo iaraha-miasa sns....
Za koa mahita le resaka technolojia resahin Samoina io satria mahomby be zareo, ary Ra8 aza toa taraiky mitsy t@le Park industriel ao Chine, singapouriens no mikarakara azy.

Hitako t@ gazet yfaakomaly oe mitady fiarahamiasa @reo teknisianina singapouriens oe ny fanjakana malagasy ka ataoko angamb afa fotoana mahamety azy indrindra izao.

D izay madama izay no manana namana mpanao tompon'andraikitra ao @ l egazety d le olona koa moa maika be nony nahare an'ilay izy.
Ny olana amiko fts d fanadinana aho izao ka mety ahemotro @ sabotsy angamba....

D misaotra bdb antsika, sady hita aby ny tena namana fa tsy forum fanalana azy fts ty!!!!!
11. ravatorano ( 18/05/2004 07:40)
marina fa betsaka ny rohy mety hahazahoana miditra amin ny fijerena izay azo resahina momba an i Madagasikara ka mino aho fa ho vitanao antskany sy andavany izany intervieww izany.
Nisy rohy nikasika ny tanana ary ny orinasa miasa rhtr ao amin ny tanana (bira ) sady izy io no be ozinina indrindra amin ny faritra eto dago fa tsy tadidiko.Efa nanontany namana aako fa tsary tadidiny koa hoe.Ny fizahantany indray dia jereo ny ANAE na ny ONE na ireo ong miara miasa amin ny usaid fa tena ho hitanao ao ny fandrosoan ny fizahantany eto.
12. kitjo ( 18/05/2004 08:05)
Misaotra tompoko ooo!!!!!!!
13. chipie1 ( 21/05/2004 12:14)
tsy misy fisaorana ô!
14. oully ( 21/05/2004 13:07)
nanao ahoana akia ry kitjo ilay izy? mba tantarao hoe ....
15. kitjo ( 24/05/2004 08:59)
Vao vita ny exam-ko sady niandry info aho fa misy namana ato manana ny code des investisseurs ao Dago ,
Misy site maromaro koa hitako
D vao mi rediger azy mihitsy aho fa @ty herinandro ity fa tsy fatako ny date fa tsy tiako atao fahalalana ankapobeny le izy manko fa sao mba ahitantsika vokatsoa ,tsy sao manko e, d aleo atao tsara sady zavatra matotra

Fa misoatra, aza matahotra fa hotateriko eto
16. fijo ( 25/05/2004 22:05)
dia mahereza ary mahavita be ra10 an.ataovy izay hisarihana azy any fa sady efa horoahana izao ny karana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.8896