Trou de mémoire

1. tenio ( 10/05/2004 15:40)
Ianareo ve efa voan'ny tahaka ahy fa amin'izao dia ny zavatra nolazaina ahy vao 5 mn dia efa tsy tadidiko intsony hihi.
Nefa taloha izaho dia isan'ny olona mahatadidy zavatra, sa efa feno ny "disque dur"?
novalian'i angie ny 17/06/2004 14:15
2. leandry ( 10/05/2004 16:05)
matetika io aretina ratsy io dia vokatry ny fifohana sigara be loatra na koa fisotroana toaka tafahoatra.Nefa koa misy ny loha voadonan-javatra mafy be ka nanimba ny "disque" araky ny filazanao azy. Ny toro-hevitra omeko anao dia tsy misy hafa-tsy ny manatona mpitsabo haingana alohan'ny hiombony. Mirary soa eh!
3. sipagasy ( 10/05/2004 17:05)
Mandehana mijery dokotera ihany fa sao dia mila mihinana fanafody mampatanjaka mémoire ianao, ary mila mihinana magnesium ihany koa.
4. pitchou ( 10/05/2004 17:10)
ie! marina daholo izany! fa ny memoire koa mila fitaizana otran'ny vatana! fa raha mahatsapa ianao fa manomboka misy an'izany dia dieny izao dia karakarao ary ampanaovy exercice sahaza azy
5. drtriniti ( 11/05/2004 06:05)
Izaho koa efa tratran'io aretina mahazo an'i Tenio io.
Tonga dia tsipahako avy hatrany ny tenin'i leandry hoe vokatry ny fifohana sigara be loatra sy ny fiboboahana alikaola ihany koa. Fa izaho zao, teneniko anao fa sady tsy tia sigara no tsy misotro alikaola velively.
Amiko ny mahatonga an'io dia HAVIZANANA.
Izaho aloha efa nanatona Dr fa tsy mbola mahafapo aho mihintsy hatramin'izao. Ka mila hevitra anareo ato amin'ny namana aho hoe mila manantona ireny Specialiste ireny mihintsy ve?? Ary Specialiste momba ny inona??
Misaotra betsaka daholo.
6. drtriniti ( 11/05/2004 06:06)
Oh ry Tenio ah! Tsy Doto sady marary ve ny lohanao??
7. tenio ( 11/05/2004 06:46)
Laviko ihany koa aloha ny tenin'i leandry hoe vokatry ny fifohana sigara sy ny fisotroana toaka no mahatonga ny tsy fahatadidiana. Ny tenanay tompoko dia sady tsy mifoka no tsy misotro.
Marina ny tenin'i drtriniti fa sady maharary ny lohako no donto tsy mety mieritreritra intsony indraindray.
8. iraivo ( 11/05/2004 08:43)
efa voa an'io aho, ary nijery mpitsabo. Avizana diso tafahoatra e ... Tsy dia mety loatra mantsy ny mifanakalo diagnostic sy fanafody. Ny mpitsabo no mahita izay fanampiana mety @-nao.
9. drtriniti ( 11/05/2004 11:48)
De mba tantarao hoe iraivo fa tena liana tokoa amin'io aho. Dia niverina normal ihany ve? Ela be ve vao normal? Inona ny fanafody nasain'ny Dr nohaninao? sns....
Misaotra betsaka eh!
10. fafan ( 11/05/2004 12:28)
maina miitsy le oe avizanana no maatonga n le trou, fa mety ho lasa ao anaty mémoire tampon fotsiny koa ané nenareo ry Tenio ny enregistrement fa tsy lasa any anty dur akory ka aiza no tsy o very
11. iraivo ( 11/05/2004 21:23)
Tamin'izay Vitamine B no nomeny ahy.

(Nefa tsy hiteny mafy aho saho rehany , tsy tiany ireo mpitsabo mantsy isy no mifampizara symptome sy fanafody e ... hihihi)

Tamin'izay aho tadidiko tsara fa very tadidy ohatr'ireny olona tsy manan-draharaha n'inona n'inona ireny, ary koa tena vizan-dava. Raha vao misy zava-mitranga vaovao dia vizana be mihintsy aho miheritreritra hoe mbola hanao an'izany indray.
12. fetra ( 12/05/2004 10:55)
Tokony hiala-voly be enao
13. hery ( 12/05/2004 11:49)
Zah aloha voan'io ihany... tsy dia hoe malaky be fa mba elaela vao adinoko...
Resaka tsy ampy torimaso no hitako fa tena antony. Dia nanapakevitra aho hatory bebe kokoa.
Alamino e.
14. booboo ( 12/05/2004 14:04)
dé mihinana persil manta matetika fa manampy ny atidoha @ asany io
15. drtriniti ( 13/05/2004 06:14)
Ndeha mba hanandrana an'ireo koa fa toa leon'ny mihinana karazam-panafody ko! Misaotra betsaka antsika rehetra eh!
16. nala ( 20/05/2004 16:10)
Ny ahy indray dia ilay efa eo amin'ny fotoana tokony amoahako ilay teny, na anaran'olona na hevitra no lasa banga be tampoka ny aoa anaty lohako. mahamenatr'olona mihitsy indraindray!
17. fijo ( 01/06/2004 23:39)
manantona doko fa misy vitamin azony homena anao hitsaboana an'io.za efa voa mantsy.ary io resak'i hery io no nahatonga azy,saingy fahadisoan'i hery ihany satria eto no tsy mampatory ahy.
18. unik ( 16/06/2004 12:33)
misaotra am lé torohevitra retratretra fa aleo mitandrina dieny mbola tsy voa!!!
19. angie ( 17/06/2004 14:15)
ka ty kou ange misy lakoly e aiza no tsy be ny miraikitra eto. ny an'i Hery password 50 no mameno ny lohany kou aiza mou.hihihi
Alamino e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3765