baranahany eo @ antoko politika

1. shinshan ( 10/05/2004 09:58)
tsy tokony ho ferana àzay ve ny isan'ireo antoko politika eto amintsika e. tokony ho havahana ny antoko sy ny fikambanan-kevitra(salon de discussion,na debat) tsy hitondra ho aiza.
manana andraikitra @ fanabeazana ny tsirairay indrindra fa ny antsoko lehibe misy. mino aho fa hisy hevitra hitsiry amin'ny forum-ntsika
novalian'i fijo ny 26/05/2004 20:26
2. fijo ( 11/05/2004 00:22)
ao amintsika dia tsy antoko politika intsony no misy fa fanehoan kevitra ajoro.izany hoe ,izay manana hevitra iray,(tsara na ratsy) dia misoratena fa antoko.mila fandaminana io fa raha tsy izany dia tsy hisy raharaha hovanona ao.
3. zokinifijo ( 13/05/2004 05:58)
amitsika ny fisian ny antoko politika marobe dia lazaina fa vokatry ny demokrassia ka noho izany ny ministeran ny atitany dia tsy hanao velively hoe aoka izay fa ampy ireo efa misy fa kosa mbola mamoaka famkatoavana hatrany
4. bogosy ( 13/05/2004 16:11)
arakaraky ny fitondrana misy no mahatonga ny antoko politika ho maro satria samy te ho atao hoe manohana ny fitondrana daholo nefa koa arakaraky ny hisian'ireny koaanefa no vao maika mampitombo ny antoko mpanohitra ihany koa
5. fijo ( 20/05/2004 00:01)
raha nanaraka ny fivoatry ny tany haiti isika dia toa izao misy any amintsika izao no fandehany.
6. bogosy ( 22/05/2004 14:38)
tantarao hoe inona no tany haiti?
7. fijo ( 26/05/2004 20:19)
haiti dia tany kely andalampandrosoana toa an tsika.vao nisy fanonganampanjakana tany.
fa ny momba azy no tokony jerena.
taloha dia mpitondra jadona no tany.duvalier,dia voahongana moa io,ary dia noraisin'ni aristide ny fitondrana.mpianatra mompera taloha io ngahy io,ary nilaza fa hanao sy hampanjaka ny marina tany.dia tsotra loatra ka voahongan'ny tafika
8. fijo ( 26/05/2004 20:26)
saingy nanao fanerena ny usa sy europa ka tafaverina indray i aristida.
ny hitovizany amintsika dia izao.
_samy tany mahantra.
_mivelona amin'ny vokatra_
_be antoko politika majinika(misy dia fianakaviana no ao)
_izay mba nianatra avy aty ivelany,dia samy milaza fa manana ny fahaizana sy maha vaha ny olana.
_izay eo amin'ny fitondrana dia samy manao izay ahamaro an'isa ny antokony ao amin'ny parlemanta
_tsy mifandanja ny harenan'ny vahoaka fa misy mitafotafo,ary misy tsy mahita tsindrohana.
_izay tsy mahazo fahefana dia lasa mpanohitra,ary rehefa tonga eo dia manao izay nataon'ilay teo aloha
_izay naman'ny mpitondra any antsisiny(faritra ivelan'ny kapitaly)dia samy manaoizay saimpatany.
VOKANY
niha leo ny olona,nivadika ny tafika,voahongana ny foloha.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.189