vonoina sa avela hiaina?

1. hendry ( 05/05/2004 10:06)
Ady hevitra be eny @ toeram-pitsaboana matetika ny momba ny marary zay hita fa tsy ahitana fanafana ntsony hoe hovonoina sa avela hiaina. Misy manko ireo marary, tsy mahay miteny ntsony, tsy afaka mihetsika ntsony, mihiratra ny masony nefa tsy mahay mamantatra zay olona eo alohany akory, tsy mahazo zay lazaina aminy nefa tsy maty tanteraka. Misy accidenté (choc mafy) no nahatonga ilay olona ohatr´zany, misy ndray aretina ela tsy voatsabo, misy fahalemena tsotra zao. Ny tany eoropeana ohatra dia misy ireo dokotera mandray fanapahan-kevitra @ hamonoana ilay olona avy hatrany @ resaka tsindrona ohatra satria tsisy fanafany ntsony, misy ndray nefa reo zay tsy mankasitra ilay famonoana noho ny zo maha-olona ilay olona, eo koa ny resa-pivavahana.
novalian'i idealy ny 23/06/2004 04:54
2. hendry ( 05/05/2004 10:10)
Amiko manokana nefa rehefa tena sur fa tsisy fanafany ntsony, inona no mbola itazomana ny ain´ilay olona? Mety hahatsiaro mijaly fotsiny tsinona ilay marary, ireo fianakaviany koa hanantena tsy misy ary ho lany andro sy lany vola @ fikarakarana ilay olona efa ho lasako razana. Araky ny reko t@ fandaharana iray t@ télé dia afaka miaina mandritry ny fotoana voafetra(mety ho amam-bolana, mety aman-taona arakaraka) hono reny olona reny, sur nefa fa tsy haharitra elabe ilay olona.
Ahoana ny hevitrareo @ zany? azo tanterahina ve ny fanomezana alalana ny dokotera hanafaingana ny fahafatesan´ilay olona sa tokony avela ho velona ihany na dia efa hita fa tsy avotra ntsony aza?
3. tsounie ( 05/05/2004 11:45)
amiko raha misy tena sahy mamono fa tsy mahatanty ny mahazo ilay marary de tsy manome tsiny aho.Fa izaho kosa tsy hanome alalana ny dokotera hamono ny fianakaviako na de we efa tsisy fanafana intsony aza fa de miandry izay hahafatesany eo sady koa mety ho zaka kokoa ny fisarahana rehefa hivononana tahaka izay; ny @ dokotera fotsiny de tokony izy hilaza mazava ny zava-misy fa tsy mbola hampividy fanafody ny havany indray na mbola hampanantena fahasitranana .De samy miandry zany ee !!Ny manao zay tsy hampanaintaina azy fotsiny amiko no tokony hatao de zay
4. kally ( 05/05/2004 16:23)
Rehefa tsy mahay misafidy intsony ilay marary,rehefa hita fa ho sahirana be izy ny hiaina rehefa avy eo ary indrindra rehefa karazana milina sisa mampiaina azy dia hoy aho hoe aleo izy omena "fahafahana" ny hatory am-piadanana fa tsy matory anaty nofy ratsy ohatry ny anaovana azy ao @ hôpitaly.
5. yonikafopl ( 05/05/2004 21:18)
manahirana be ilay izy e! ho ahy mivavaka aloha dia hoy aho hoe Andriamanitra ihany no manana fahefana hanome sy haka ny aina fa tsy anjaran-tsika izany. Nefa @ lafiny maha olombelona mahatsiaro hirifiry indray dia tsy zaka ny mahita ny fijalian'ny hafa miandry izay hitranga aminy fa tsy afaka manao n'inon2, ho velon-kijaly eo ve? tena sarotra e!
6. ikaretsaka ( 05/05/2004 23:42)
ka iianao no omen'andriamanitra fahefana eo ko.. dia ianoa no misafidy na hamono na hamelona (izay indray point handraisana azy)
7. hendry ( 06/05/2004 09:01)
Yonikafopl> marina fa sarotra be ny hieritreretana hoe mamono olona enao nefa kosa raha hitanao ve fa hahasoa ilay marary ny fanampiana azy ho faty haingana mba tsy hijaliany ela loatra, ngamba tsy tsininao kosa e! asa nefa...
8. tenio ( 06/05/2004 09:16)
Amin'ny maha krisitianina ny tenanay moa dia tsotra ny valinteniko: Andriamanitra no tompon'ny aina.
9. oully ( 06/05/2004 20:32)
Avela hiaina.
10. ikaretsaka ( 06/05/2004 21:29)
ka hiaiha hijaly sa ho faty afa-pijaliana?
11. oully ( 07/05/2004 12:38)
Fa iza no miteny fa tsy mijaly intsony rehefa any ankoatran'ny fahafatesana? any aza no vao maika loza be, fa zany hoe voatokana ho an'ireo tsy niomana tety izany. Fa omeo fotoana foana aloha izay mbola tsy maty na dia iray segondra aza fa sao hanova ny mandrakizainy izany. Aoka hatreo fa sao manova sujet zà.
12. yonikafopl ( 07/05/2004 16:33)
Izay . final
13. hendry ( 07/05/2004 16:42)
O ry oully a, ka na omenao fotoana aza izy tsy afaka hiaina toy ny olon-drehetra akory zany hoe tsy mahatsiaro tena, midika zany fa efa sahala @ maty ihany izy, tombony mbola misy aina fotsiny.
Tsy mijanona @ resaka fahasalamana io adihevitra io @ zao fa mihitatra hatrany @ resaka fitsarana satria tokony hisy lalàna manaiky ilay fanampiana ilay marary ho faty haingana hono vao azo ampiharina ilay famonoana na dia efa misy manao aza. Mbola lavitra nefa ny lalana satria mbola misy ireo tsy manaiky.
14. ikaretsaka ( 07/05/2004 17:35)
ka ahoana ary be ny mamono tena hoe hialana amin'izoa fijaliana izao? ary tsy nisy niteny heo mijaly any matoa tsy mbola nisy nilaza t@ ny velona momba an'izany... sa efa nisy?
15. xxx ( 07/05/2004 19:45)
ka zay le hoe mystère ny any aoriana any !asa aloha mbola tsy sendra ny havana akaiky,na olona fanatra zay marary mafy ,mijaly aho ka tsy afaka hiteny hoe aleo hamono azy toy izay hiaritra,hijery an'azy hijaly eo
16. hendry ( 08/05/2004 10:21)
O ry reto a! ka tsy ierana @ havany anie zany fa anjaran´ny dokotera e! saingy ny olana zany zao dia mbola maro ireo dokotera tsy manaiky ka eo ny mahatonga ny adi-hevitra be satria raha tsy maro an´isa ny manaiky tsy afaka apetraka ilay lalàna.
Zany hoe rehefa hita fa tsy ho avotra ntsony dia anjaran´ny dokotera ny manapa-kevitra, ny fianakavian´ilay marary tsy ilazana akory hoe novoinay ny havanareo.
17. leandry ( 10/05/2004 16:16)
Tsy misy na iza na iza angamba afaka manapa-kevitra @ ain'olona,afa tsy ny RAY ao ambony.Matoa ilay olona tsy mety maty dia mbola mety manana ny chance ho velona izy, ary zavatra efa nitranga izany fa tsy hoe foronina akory. Nisy olona efa tao anaty comas nandritry ny volana telo nefa dia mbola niverina niaina indray ary nahagaga an'izao tontolo izao.Noho izany dia hoy aho hoe"AZA VONOINA FA ALEO HO FATY HO AZY"
18. xxx ( 10/05/2004 17:17)
diagnostic ny an'ny dokotera ny hoe tsy misy fanafany intsony ity! diagnostic n'olombelona araka izay takatry ny fahaizany, ary izay takatry ny fahaizany ihany no hitsaboany olona. Efa maro tokoa ny olona efa no "condamner" ny dokotera hoe tsy misy fanafany intsony ary nisy aza ny sasany nampodiany fa niverina ho salama tsara mihitsy! sitrana soa aman-tsara! ka raha amiko, rehefa vita ny ala-nenin'ny dokotera amin'ny fitsaboana dia tokony avelany amim-pahatsorana ilay marary: raha mbola tokony hiaina izy dia hiverina ho salama, rehefa tapitra ny androny dia izay zany, fa tsy misy maty tsy amin'ny androny mihitsy ny olombelona
19. voninkazokely ( 20/05/2004 13:22)
Ny aina solon'ny aina ka avelao hiaina é!
20. hendry ( 22/05/2004 08:03)
tsy mazava ny tian´ny mpanoratra (voninkazokely) lazaina.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0848