anaran-tanana

1. booboo ( 30/04/2004 17:22)
fantatreo ve ny nahatonga ny anaran'ny tanana misy anareo na nandalovana .....
2. jhouhlambout ( 30/04/2004 18:26)
Antananarivo = tananan'ireo arivo lahy miaramilan'ny mpanjaka
Arivonimamo = evident, mamo tao ry zalahy
Tsiroanimandidy = Nisy ady be tao satria 2 ny mpitondra ka tsy mety raha 2 fa tsy maintsy 1
Euh ... misy tsy azo lazaina eto fa sao mi-choquer ny sasany ... hihihi
3. ramoul ( 30/04/2004 20:12)
izay mba mahay de mba manomeza fa zay tsy mahay.
4. xxx ( 01/05/2004 10:59)
Paris : satria ny mponina ao "parasites"
5. booboo ( 01/05/2004 11:27)
Misy anaran-tanana izay atao hoe Andraisisa any akaikin'Andoharanofotsy any. Ny nahatonga an'io araka ny fitantaran'ilay dadabe iraika izay dia nisy hain-tany tao Imerina t@ faha-panjaka ( talohan'Andrianampoinimerina ). Nandefa iraka ny mpanjaka hitady vary fa tsy nisy intsony eraka ny fanjakana, afa-tsy tao Andraisisa. Tsy haiko loatra ny dikan'ilay Andraisisa fa misy hifandraisany betsaka t@ ilay hoe tao ihany no nahitana vary ka tsy nahafaty noana ny ambanilanitra sy ny mpanjaka t@ izany fotoana izany.
6. xxx ( 01/05/2004 11:31)
fa angaha any misy loharano fotsifotsy?
7. jhouhlambout ( 01/05/2004 19:26)
angamba :-)
8. kally ( 02/05/2004 11:36)
xxxx>ny fotsy angaha midika hoe loko ihany?Fotsy=tsy misy intsony koa,mety hoe loharano ritra koa!
9. ravatorano ( 04/05/2004 12:23)
andoharanofotsy dia tanana kely taloha nandalovan ny iraky ny mpanjaka raha sendra mosary ny taty antananarivo araky ny voalaza ery ambony.nisy loharano madio be ilay izy fa ny nahagaga dia tsy andranomadio toy ny tany antsirabe fa andoharanofotsy no nomeny ilay toerana ary dia nandray an izay koa ilay tanana.
Ny momba an Andraisisa tokoa dia marina fa tany hono no nahitana sakafo farany izany hoe vary fa nisy ny hanohanana tamizany teto.Ka tsy ny vokatra tany akory dia ampy namonjena ny mponina teto fa nisy kosa natao masimboly nampasaina taty aoriana>Ka vari sisa , sakafo sia, izany hoe sisa tao amin ilay toerana no nentina namonjena vahoaka tamin ny toera kafa dia nataon jareo hoe Andraisisa ilay toerana.
10. fijo ( 06/05/2004 23:22)
milay ilay izy satria dia ahitana fa nisaina ny olona taloha vao nanao zavatra.
11. ikaretsaka ( 06/05/2004 23:24)
ary ny anarana tanana amin'ny teny vahiny.. hainareo ve ohatra ny naha patis an'i paris ohatra?
12. mumu ( 09/05/2004 09:15)
tsy ainay fa mba lazao oe ry ikaretsaka
13. booboo ( 12/05/2004 12:47)
Andravohangy = anaran'izany vazimba nonina teny taloha
14. ikaretsaka ( 12/05/2004 16:23)
ambohiDrapeto..AmbohiDratsimo. ambohidahy=no comments
15. fijo ( 13/05/2004 00:14)
tsararano,satria ny rano any tsy mitovy amin'ny ao antanana'ny majunga fa mamy kokoa.
16. mumu ( 13/05/2004 11:07)
ambohimiandra: andra dôly ny akamaroany bandy tany .
17. booboo ( 20/05/2004 07:35)
Fihaonana ( RN4 ) = tany ny tsena taloha dé izay vô nafindra teny Mahitsy ( sabotsin'i Mahitsy )
18. mpisotrtoaka ( 12/01/2015 05:00)

jhouhlambout:

Antananarivo = tananan'ireo arivo lahy miaramilan'ny mpanjaka
Arivonimamo = evident, mamo tao ry zalahy
Tsiroanimandidy = Nisy ady be tao satria 2 ny mpitondra ka tsy mety raha 2 fa tsy maintsy 1
Euh ... misy tsy azo lazaina eto fa sao mi-choquer ny sasany ... hihihi

Lazao rangah fa fahalalana ilain'ny rehetra ange zany e !
19. mpisotrtoaka ( 12/01/2015 05:04)
Ambohimanarina ! Any amin'ny amboa hono no manarina rehefa ts mahazaka sipa e ! hou hou hou
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3345