Talohan'ny fisiako

1. xxx ( 29/04/2004 13:06)
Hery ihany ty fa lasa vinany dé aleo atao xxx :)

Tsy afaka nanao sieste zà dia nivandravandra teo am-pandriana dia lasa eritreritra toa izao. Tsy haiko aloha nareo raha efa nieritreritra ohatra an'izany.
Nahemotro ny fitadidiako, tadidiko ny 90%-n'ny zavatra nitranga omaly. Fifaliana andaniny, gidraka ankilany, olona niresaka, olona noresahana, email voaray, email nalefa, 90% eo ho eo no tadidiko.
Dia nahemotro afak'omaly dia nanomboka be dia be ny zavatra tsy tadidiko... tandremo fa lasa adala raha tsy sady misotro rano.
Dia nahemotro hatramin'ny alahady, naverina nosaintsainina hoe inona no nataoko vao nifoha sy ny sisa...
Fa tamin'io dia efa be dia be ny zavatra tsy fenoko isan'ora... dia izay no nahalasa saina ahy hoe ny tamin'ny herintaona toa izao, firy % no tadidiko? Raha hahatadidy. Ny t@ 10 taona lasa? Dia oviana ary aho izany no nanomboka nisy zavatra tadidiko teo amin'ny fiainana? Dia inona no nataoko talohan'ny tsy nahatadidiavako n'inona n'inona?
Dia tonga eo amin'ilay tena tiako hahatongavana isika. Tena azoko antoka izany fa tadidiko ny 0%-n'ny zavatra nitranga tamiko tamin'izaho 3 volana... kanefa efa velona aho tamin'io, ary raha jerenareo ny zazakely dia mahatonga saina hoe inona re no eritreretin'ity zaza ity? Dia nanomboka hatraiza marina aho izany no tena olona? Satria mety efa tena velona koa izany aho tamin'ny tao ankibon'i mamanay fa tsisy tadidiko ny zavatra nitranga tao. Ary ny talohan'ny tao ankibon'i mamanay? (mbola eritreritra mandalo ihany :) )
Ok sao dia lasa lavitra loatra.
Fa iverenako amin'izay ny amin'izao fotoana izao. Rehefa miha-antitra ny olona dia miha manadino ny zavatra iainany. Miha manadino ny zavatra manodidina azy. Ao ireo tsy mahatsyaro ny anaran'ny havany intsony. Dia indraindray aza manadino ny tenany. Dia miverina amin'ilay toerana nisy azy tamin'ilay zazakely izany satria misy zavatra ataony (activité mentale ohatra) kanefa tsy tadidiny sy tsy fantany ary tsy hainy ny mampita azy amin'ny manodidina azy. Dia manomboka aiza indray ary no atao hoe maty ny olona? Amin'io fotoana tsy hahatadidiavana n'inona n'inona io intsony ve? Sa mety hoe aorian'io? Sa mety hoe aorian'ilay fahafatesana aza mbola misy zavatra ilay maha-olona (fanahy) tahaka ilay nananana fony tsy mbola teraka?
Fehiny. Fony mbola tsy teraka aho dia mbola tsy nisy fiainana nandalovako ka tsy nahoako ny lasako... fa rehefa antitra aho dia efa nandalovako ny fiainako ka sarotra ho ahy ny hieritreritra fotsiny hoe nanjavona any daholo ny zavatra rehetra niainako...
Izay on mahatonga ny olona hieritreritra sy hatoky fa misy ny fitsanganana amin'ny maty... misy ny fiainana ho avy.
Misy ihany koa ny Aorian'ny fisiako.
novalian'i fijo ny 26/05/2004 23:23
2. fijo ( 29/04/2004 22:42)
miverena rahery fa sao lasa lavitra an.ny anio jerena dia ataovy tsara noho izay rahampitso.
3. ikaretsaka ( 29/04/2004 22:49)
rehefa akaiky ho faty dia tadidy aby reo ka
4. rfanjav ( 30/04/2004 08:20)
Lasa lavitra mihitsy zany eritreritr'i Hery zany !!!!

5. rfanjav ( 30/04/2004 08:20)
Lasa lavitra mihitsy zany eritreritr'i Hery zany !!!!

6. nananie ( 30/04/2004 09:12)
Mitandrema ihany sô tsy tafaverina eo intsony.hihihi!

Ary aiza koa Ika mba nahita an'izany? efa saika maty angaha? hihihi!
7. jhouhlambout ( 30/04/2004 13:49)
antsôôôôôôôôô...............;
8. hendry ( 30/04/2004 18:07)
Zaho efa nisy fotoana koa nisaina ohatr´zany dia nitantara ilay izy t@ tao an-trano ary nanontany ny hevitry ry zareo. Dia hoy i dadanay hoe: te ho lasa adala ngah enao? Nisy olona fantatr´i dadanay manko hono efa nandefa fisainana lavitra momba ny hoe: misy ve Andriamanitra? dia nanao thèse sy antithèse teo ranamana, nony tsy voavaliny ntsony ny ankamaroan´ny zavatra nosaininy dia nanomboka nivaha izy ary tena lasa adala tanteraka. Niakatra teny an-
tendrombohitra hono izy dia mitabataba hoe: aiza zany Andriamanitra zany e? maninona aho no misy? ahoana ny fiainana aorian´ny fahafatesana sy ny sisa.
Fehiny: aza dia alefa lavitra any @ tsy takatry ny saintsika loatra ny fisainana fa mety ahitan-doza.
9. fijo ( 03/05/2004 23:31)
miverena eto rahery fa mbola maro no hilana anao ato an.
10. yonikafopl ( 04/05/2004 11:16)
aza dia misaina ny lalina loatra ry hery sao lasa tsy tafaverina any intsony an!
11. ari.malala ( 04/05/2004 13:08)
lalina b zany eritreritra izany! zany v no hosainina tsy tena andro 1 manontolo na alina 1 manontolo no lany?!
12. fijo ( 04/05/2004 23:27)
aza mbola avela ato izahay rahery fa miverena haingana aloha fa tsss
13. fraulo ( 10/05/2004 10:12)
Arahaba !
Sady tsy hoe lasa lavitra loatra ny eritreritrao ingahy Hery no tsy manontanintany foana ianao, tsy misy atahorana izany ny momba anao raha tsorina ... fa tonga fotsiny ny fotoana hikitihin'ny fanahinao ny sainao satria efa misy hetaheta lehibe hahalala ny marina ao.
Aza manampin-tsofina fotsiny na manidy maso ary indrindra aza ny fitsaran'ny sain'ny besinimaro no atao fototra hiaingana fa anao sy ny fanahinao io resaka io.
Dia mahitˆ ny valiny raha tena mitady e.
"Quand l'eleve est pret, le maitre apparait" hoy ny Fiainana !
:)
14. fijo ( 10/05/2004 23:01)
izay izany ka
15. kitjo ( 11/05/2004 13:38)
Mampatsiahy ahy ilay namako iray aty zay i Hery
Nidoika be taminay lery fa tadidiny mitsy hono izy t@ mbolakely ,tokony 3mois

tadidiny hono ny lokon berceau-ny, ny pozin mamany mampinono sns,hihhihi
possible ve zany?
16. xxx ( 11/05/2004 14:49)
Aza manao izay mampatahotra ianareo fa tsy midika akory izany fa ho faty i Hery. Zaho mbola mila azy :) ary tsy izaho irery. Araka ny fahafantarako an'i Hery dia olona mino izy (ny finoany indray dia izy no mahalala azy marina). Ataoko fa hanamafy ny finoany izany raha raisiny ara-positifa. Fa ny fametrahana izany fanotanina maro isan-karazany izany dia matetika noho ny vokatry ny fikorontanana mandalo, (havizanana, alahelo, mety ho hafaliana ihany koa) ... "Tsy afaka nanao sieste zà dia nivandravandra teo am-pandriana dia lasa eritreritra toa izao..." no nanombohany azy.
Matetika koa isika rehefa sendran'ny fahadisoam-panantenana mahery vaika dia manjary tonga amin'io fanotaniany io hoe: fa nahoana aho no nisy? sns ...
Ny finoako manokana dia izao: Andriamanitra izay anton'ny nisiako no ivelomako, ihetsehako, ary iainako. Ary nahavaly ny 99% ny fanotaniana betsaka napetrako ny amin'ny fisiana io. Raha tena mandinika ny baiboly aza isika dia mbola ahita lalina kokoa fa raha tsy mbola nisy ity tany hitsahiko ity dia efa nisy aho sy izay ho tantarako. Sarotra izany nefa ahatsapako ny fahendren'ny Mpahary ahy. Finoako io an!
17. tsilan ( 11/05/2004 15:51)
Raha midera sy mpankatoa ilay Nahary ianao ry XXXX dia aza mampidera na midera amin'olona akory, fa aoka ny asanao sy ny ataonao no hohitan'ny rehetra fa tena mivelona aminy tokoa ianao.
Tsy ilaina ny misora-tena, fa ny vorona no miavaka amin'ny lokony ary ny voninkazo no avahana amin'ny fofony.
18. xxx ( 11/05/2004 17:58)
tsilan> Hay ve io no haverinao ary amin'ilay lohahevitra hafa ary eh ???
19. kitjo ( 11/05/2004 18:40)
ie marina,
20. fijo ( 11/05/2004 23:29)
kitjo possible io resaka voalazanao io.zaza telo volana,za aloha dia roa taona no natao didimpoitra fa tsaroako daholo ny zavanitranga tamin'izany ary tsaroako ny olona gaga raha nitantarako ilay izy.na i mamanay aza dia gaga.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.8488