Zo maha-zoky

1. hery ( 29/04/2004 12:47)
Sendra mba nandinika ho'a zah dia mahatadidy hoe matanjaka be izany fizokiana izany taloha. Manana zo manokana ny zoky amin'ny samy mpirahalahy sy mpianadahy. Mbola misy ve io amin'izao fotoana izao eo amin'ny Malagasy? Misy ohatra azonareo omena ve? Hatraiza ohatra ny zo omenareo ny zokinareo raha resaka ara-pananana, ara-pitenenana, sy ny sisa?
Misaotra.
novalian'i fijo ny 05/05/2004 23:08
2. ikaretsaka ( 29/04/2004 13:25)
Zokiny zokiny ihany ko
3. jhouhlambout ( 29/04/2004 14:14)
Mbola misy izany @ zao ary tsy ny malagasy ihany no manao an'io fa misy karazana firenena hafa koa. Fa izaho aloha tsy manana zoky, fa manana zandry donc tsara io fomba io raha tohizina.
4. oully ( 29/04/2004 14:30)
Hitako nihalefy ny fanajana an'io zoky io amin'zao fotoana. Zany manaja Ray aman-dReny izany aza efa tsy vita intsony ankehitriny maika fa hoe hanaja zoky, indrindra hoe tafita noho io zoky io ilay zandry. Tsy fantatro hoe firy amintsika izao no mbola manao hoe : "tompoko" rehefa hanaja zoky na Ray aman-dReny ?
5. ramoul ( 29/04/2004 16:17)
marina mihintsy izany ry oully à! itako amin-dry vazaha aty aloha dia efa tsy misy dikany intsony ny zoky aty, fa na ray aman-dreny aza tena hataony tsinntsinona mintsy ary ny tena mahasosotra dia ny zandriny ndray no miseho ho tena zokiny ary ny tena loza dia ny zanaka ndray no mitory ny ray aman-dreny any amin' ny polisy sy ny namana.
Tena mampalahelo mintsy fa tena vitan-dry zareo ny nanary ny fomba tsara indrindra sy mendrika.
6. tsilan ( 29/04/2004 16:38)
Hery
Mahafinaritra be ilay resaka, fa saingy mihilana kely.
Tsy zo mantsy io fa hasina sy voninahitra ary fomba sy rafitra ara-piarahamonina fotsiny. Ny Zo mantsy dia voaharon'ny làlana. Fa tsy oty izany ny fizokiana.
Na izany na tsy izany ny rafitra ara-piaraha-monina dia mbola mametraka ny Zoky ho toy ny fitaratra, eny fa na dia misy asa ny faniratsirana indraindray. Omby indray mandry tsy indray mifoha eh.
Na any US aza dia misy ilay fifidianana isan-tanana ilay Ray aman-dRenin'ny tanana na ny county izany. Hafa mihintsy io tsy mitovy ilay fifidianana Maire akory.
Ny mahavariana kely dia ny japoney, izay fantatra amin'ny fomba amam-panao tatsinanana no tena tsy manaja ny antitra.
7. samoina ( 29/04/2004 18:47)
Na eo @ gasy aza mbola hajaina ny zoky e !
Izany akory tsy midika hoe masina sy tsy maintsy tanterahina izay teniny na koa hoe tsy maintsy ny zandry no mibata izay mavesatra . Niova ny rafitry ny fitondran-tena eo @ fiarahamonina ka ny fifanakalozan-kevitra dia nomena toerana lehibe raha oharina @ taloha . Arak'izany dia afaka miteny sy mandroso hevitra na zoky na zandry.
Amin'ny maha olombelo anefa dia misy hatrany ny tsy fifanajana ka izay no mahatonga disadisa. Ohatra: zoky mitady anjara fananana mihoatra nohon'ny zandriny, zoky tsy manisy sira ny tenin-drazandry,
Saingy raha nahazo fitaizana tsara teo anivon'ny RaD tsy misy ny olana: ny zoky hatrany no omena voninahitra hitarika fotoana raha tiany ny hanao izany. Ny zoky koa no hilazàna vaovao lehibe voalohany @ mpirai-tampo isany ( Oh fanambadiana, fahafatesana, ...)
8. voninkazokely ( 29/04/2004 19:33)
Zoky kosa io koo!
9. booboo ( 29/04/2004 21:34)
amiko indray dia eo ny zoky ho tarafin'ny zandry ary eo ny zandry hanitsy ny zoky raha sendra mihoa-pefy izy ! izany aloha ny fifandraisako @ zandriko.
10. fijo ( 29/04/2004 21:58)
za aloha dia tena mbola manaja io zoky io,saingy tsy midika izany fa manatanteraka izay lazainy rehetra aho na diso aza.
fa amiko dia mbola asiako hajany io.
11. zokinifijo ( 30/04/2004 08:53)
misaotra fijo ah
12. zokinifijo ( 30/04/2004 08:54)
misaotra fijo ah
13. ikaretsaka ( 30/04/2004 13:12)
:-)
14. jhouhlambout ( 30/04/2004 14:42)
;-)
15. hendry ( 05/05/2004 09:49)
Arakarak´ilay zoky io, misy ny zoky fanaja, misy ny zoky tsy fanao enao. Na zany aza ao aminay mbola manana ny toerana mahazoky azy ihany ny zoky. Raha manao raharaha ohatra ny zokiko nefa aho tsy manao n´inon´inona, raha mitondra enta-mavesatra noho izaho ny zokiko dia voateny hoe: hajao ny zokinao. Zaho aloha manaja satria hitako hoe mendrika an´zany izy @ toetrany sy ny ataony ary ny fitondrany anay zandry.
16. fijo ( 05/05/2004 23:08)
za ohatra dia tsy sahy manao ela an'ny zokiko mihintsy.tsy sahy manompa olona lehibe noho izaho.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0821