Andrebabe

1. tsilan ( 29/04/2004 01:32)
Nahoana ary io tanana io no tsy hita mihintsy hatr'izao eh?
2. aladin ( 29/04/2004 04:12)
Ary le ambondrombe?
3. juan ( 29/04/2004 10:22)
de mitovy amin'ny olo jiaby ve ny olona mipetraka any?
4. juan ( 29/04/2004 10:56)
Nanomboka t@ andron'ny fanjanahan-tany hono no nampanjavona azy io, satria nisy ny fanenjehana ny mlg t@ izany, ary dia nampiasain'ireo olona mipetraka tao ny fahaizany ny fanafody gasy mampanjavona ny tanàna rehefa mandalo ny vazaha.
Nony taty aoriana nefa dia tsy tafaverin-dry zareo ho tsy anjavona ny tanàna , ka dia ohatran'ny voaozona nanjavona ilay tanàna.

Izany hono no antony, fa tsy fantako ny "version" hafa.
Ataoko fa mahavaly ny fanontanianao ny hafatro.
5. zokinifijo ( 29/04/2004 12:21)
Andrebebe sy Ambondrombe kosa tsy mitovy>Marina ny voalazan i juan momba an Andrbabe araky ny filazana re etsy sy eroa ffa mbola tsy nisy nanamarina tanteraka ny fisian io tanana io na tsia.
Tany akaikin i Fort carnot tany koa mantsy nisy tanana voalaza fa raha ny tompotany ihany no mitondra anao amin ilay tanana dia tonganao ao fa raha hoe handeha irery dia lasa voan ny tamberi tany fotsiny.
Ambondrombe indray dia tendrombohitra akaikin Ambalavao Tsienimparihy.Raha nanao rreportage tany vao haingana izay i Andry Ratovo Matv dia nahatsilkaritra fa nisy hazavana teny amin ilay Ambondrombe nefa voalaza fa tsy misy ol mipetraka eny.Voalaza koa fa tsy azo iakarana irery eny raha tsy miaraka amin ny mpitrika izay efa masiteny amin iny faritra iny.Raha tsy eken 'ilay mpitarika ny hiakaranao eny dia mijanona ety ambany mba tsy ho voan ny loza mety hihatra aminao eny ianao.Notenenina koa fa raha manjavona be any dia misy raha izay (loza hiatra avy hatrany ho an izay minia mandika ny lalana any,loza ho an ilay faritra:havandra orambe , loza ho any firenena ; kisilaonina sns).
Marihiko etoana anefa fa i Latimers Ranger dia efa niakatra teny ary nanao reportage momba anio Ambondrombe io ary dia nivoaka tao amin ny radio madagasikara izany fony mbola kely ny tenako.
6. booboo ( 29/04/2004 12:29)
dé aôna hono ?
7. jhouhlambout ( 29/04/2004 15:10)
dia izy namoaka reportage izany kou!(tafaverina soamantsara)
8. xxx ( 29/04/2004 22:34)
Izaho koa aloha efa tany Ambondrombe eh. Izay tanana atao hoe Ambohimahamasina izay no tanana eo atsimo andrefany eo. Firaisana io ary io no toerana fidirana eo Ambondrombe.
Toerana nipetrahan'ny mpanjaka roalahy nifehy ny tany tamin'izany izy io ary dia niamboho sy nalevona tao Antampon'Ambondrombe moa ireo mpanjaka roa lahy ireo. Saingy nohamasinin'ireo mpanjaka nifandimby hatrany ny toerana, ary natao fady noho izy tranomanara.
Raha miakatra any ianao dia io efa voalazan'i Zokinifijo io.
Ny tena olana mandeha any dia tsy maintsy mivatsy volo na sachet plastic maromaro ianao, satria tsy azo anaovana maloto ny toerana fa tsy maitsy entina miaraka amin'ny tena ny maloto atao.
Io toerana io dia mitohy mankany Ikongo. Ka ilay faritra Atao hoe Vohimena ao akaikin'Ikongo no tena tsy azon'ny vahiny sy ny Ambaniandro aleha. Fa raha te hamaky an'Ambalavao Ikongo an-tongotra ianao dia tsy maintsy manaraka ny lalan'omby.
Toro hevitra, aza mandeha amin'ny andro ririnina any fa tena mafotaka be ny lalana noho ny herika tsy miato.
Mazotoa daholo dia tongava soa izay mazoto
9. fijo ( 30/04/2004 04:42)
iny reportage nataon'i latimer iny dia tena nahavariana ny olona tokoa tamin'izany fotoana izany.satria misy feona olona tsy hita misy zavatra maro hafahafa heno tao.
10. aladin ( 01/05/2004 18:21)
kay! da hafahafa rô izy zegny!de in 'zany no hamehezana an'le ambondrombe e?hoe tananana avelo zany hono?
11. ravatorano ( 04/05/2004 13:24)
Io voalazan i xxxx dia marina satria efa nanao fanadihadihana teo aminio firaisana io izahay vao tsy ela akory izay satria nysui tetikasa saika hatao izay tany ambalavao.Noho ny tena te hiakatra eny dia nanontany ny tompo tanana fa tena zistoara be satria nisy namana iray be mokony izay avy dia nolazain ireo tompo tany fa tsy mahazo mandingana eny na dia iray dia aza anio fa mety hisy loza hiatra amin areo handeha eny.Tsy nanaiky ranamana fa na miara mandeha na miara mijanona dia tapaka fa niara nijanona.
Sendra izay mafy loha koa moa ny tena.Momba ilay Vohimena dia efa tany izahay fa tsisy nilaza hoe ianao ambaniandro tsi mahazo manitsaka aty fa tsisy naninona aloha e fa dia tafaverina soa amantsara niaraka tamin Ingahy lehibe roa izay.
Farany tsy maintsy mitondra sachet na harona hitondrana ny malotonao ianao rha hiakatra eny Ambondrombe (na maloto inn io na inn) izay !
12. fijo ( 06/05/2004 00:24)
tokony misy manao film io.
13. tsilan ( 06/05/2004 13:37)
Salama,
Izaho dia nanana faniriana ny mba haheno ilay Andrebabe, ary dia tonga tany Andrebakely-Merimandroso, toerana misy ny ireo fianakavian-tetezin'ireo any Andrebabe. Tao aloha no naka ny tantara. Izy ireo no nilaza fa tena tsy mety tonga any. Na izany aza, dia nentina nijery ny fidirana mankany Andreba ihany aho. Eo amin'ny vavaranon'i Maningory, izay vodisahan'Alaotra no tapitra ny lalan-kely. Eo no misy ny riam-bato fitsahana, izay nambara fa vavahady. Ary dia teo no nifarana ny dia satria tsy sahy nita ilay mpitarika. Ka dia nody indray aloha nihaino tantara tany an-tanana
14. mumu ( 06/05/2004 18:33)
aiza ndray hono zany???
15. hendry ( 07/05/2004 18:12)
Momba an´Andrebabe ihany,(any Ambatondrazaka zany ry mumu a!) tena mistery hono izy io. Nisy olona nanana faniriana handalina momba an´Andrebabe, raha mbola teny ambony hélicoptère hono ry zareo nitazana dia nahita ilay tanàna, mahafinaritra be ny fahitana azy, nony hanao terrain @ zay nefa dia tsy hita zay nalehan´ilay tanàna fa nanjavona.
Misy koa nefa ny mitantara fa raha vao avy lavitra dia mahatazana olona mitoto vary, mahatazana setroka sy ny sisa nefa arakaraky ny anatonanao ilay tanàna no mampanjavona azy.
16. crrlanto ( 01/10/2004 21:10)
Tsy haiko aloha e, fa za efa niara niasa tamin,ny olna avy any andrebabe zany ,nihaiky io olona io fa tsy tafiditra any ny vahiny ,fa izy tsy mety milaza secret ,fa ny nolazainy dia misy mponina any toy ny olona rehetra ihany
17. fijo ( 05/10/2004 22:32)
mahaliana ilay resaka
18. booboo ( 06/10/2004 06:40)
ié na samy mitana ny secret-ny aby ara ry zareo !
19. andry 1000 ( 27/08/2016 08:33)

booboo:

ié na samy mitana ny secret-ny aby ara ry zareo !

any aminay misy an'izay hoe ambohitrangano izay, tena mbola ala be ny eo anilany tanana, ary izay vorona na biby mihoatra an'io ala io sy misy tendrombohitra izay ka raha vao mihoatra an'io ny biby miaina ao dia maty avokoa na vorona manidina aza, mbola misy lambo any, akaikin'Ambohitrandriamanitra io tanana io
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5714