Made in Dago

1. oully ( 26/04/2004 09:55)
Nandeha nijery ity pâty fanaovana sambos ity zaho tamin'ny week-end teo dia gaga raha nahita bôaty de konserva tena vita malagasy ary amin'ny teny malagasy, tao amina sinoa iray: ravitoto, voanjobory, anamalao, anamamy, anantsonga...
2,95euros ny boaty na 200g. Zany hoe 34.000fmg raha 12.000 fmg=1euro.
Raha tena sosiete gasy no nanao an'io ary raha tena tian'ny olona ilay sakafo malagasy dia mety ho lasa ihany isika. Made in Dago.
novalian'i kitjo ny 11/05/2004 11:07
2. aladin ( 26/04/2004 10:27)
milay be lou ny mahita an'ireny e!
Le hoe akanjo sakafo conserve sns vita malagasy ireny de tonga de hita hoe tsara raha vao jerena
3. imailaka ( 26/04/2004 11:33)
fa misy ny karazana sakafo hafa made in dago tratra tany lareunion ka nivoaka gazety naveriana taty an sady manalabaraka no mahonena!!!!!
le mpivarotra MOFO zany lazaiko zany an......
4. ramoul ( 26/04/2004 15:18)
Tsara rehefa mahavita an'izany isika malagasy ary rah mandroso tsara ny varotra dia avotra isika
5. nananie ( 26/04/2004 15:55)
Za mbola tsy nahita an'izany. Chocolat de Madagascar no efa hitako .Milay kosa izany ry reto a!
6. sipagasy ( 26/04/2004 16:14)
Efa ho 2 taona eo ho eo ireny no tonga taty angamba raha tsy diso aho, fa mba mandehana any @ bazar be any argenteuil na ny magasin gasy hafa koa fa misy isankarazany ireny miaraka @ ranom-boankazo ihany koa é! tena vita malagasy daholo ary avy any mivantana tonga @ sambo na fiara manidina ihany koa é!
Ny an'imailaka indray dia ilay resaka lafarine ve?? ilay namparary olona maro???
7. ikaretsaka ( 26/04/2004 21:07)
milay iznay ry reto an
8. fijo ( 26/04/2004 21:42)
tsara saingy ny olana dia tsy ilay mpamokatra azy any no mahazo tombony fa ny aty ka izay no tsy mahalasa loatra azy.
9. ikaretsaka ( 26/04/2004 21:46)
izay koa olana kely ary tsara dinihana be
10. oully ( 27/04/2004 08:53)
Mino kosa aho fa efa fantatry zareo mpamokatra any Dago ny vidin'ny hamarotan'ny mpivarotra azy aty. Efa misy lohahevitra momban'ny dokam-barotra ihany eto amintsika ka tsy mampaninona ahy ny milaza ny société mpamokatra azy ity fa izany BONGOU izany ary ao Ambohidratrimo, dé bongou@dts.mg no adiresy e-mail-ny. Tsara tohanana kah!!!
11. zokinifijo ( 27/04/2004 09:15)
za aloha de mandefa zavatra ho an i fijo foana ireny sakafo matsiro vita malagasy ireny
12. ramoul ( 27/04/2004 14:50)
hihihihihi zokinifijo.
13. ramoul ( 27/04/2004 14:50)
afa ihany ny sakafo gasy ry reto à!
14. oully ( 28/04/2004 10:42)
fa mahalala ny zokinifijo
15. oully ( 28/04/2004 16:48)
FALY mahalala mantsy eh! zahay kou handefaso eh! rôvina enao no ho aty :)
16. oully ( 29/04/2004 12:46)
ie, angamba.
17. nananie ( 30/04/2004 09:41)
Ouay e! Tsara kosa zany. Mafinaritra be nareo. Ary iza no mba zandriko e?
18. ikaretsaka ( 30/04/2004 14:16)
ramaso? lol lol
19. kitjo ( 30/04/2004 19:52)
hhahah, za zokin nananie,ihhiihih

aty ndray misy mpivarotra glace avy New Zealand zay, d misy soratra ngodabe mitsy eo @ plaque oe
"vanilla from Madagascar", d chocolat moa bdb mitsy surtt chocolat noir,

Io ange le lazaiko oe aza matimatin vita vazaha fa tsika ange manana fa ny tokony hanao no tsisy e,
Fa tokony dinihana manokana mitsy io fa tsi\ mba misy tombotsoa miverina ho antsika mitsy

20. kitjo ( 30/04/2004 19:52)
Ay, d concombre de mer koa aty misy avy any Dago
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1327