kabary

1. fijo ( 20/04/2004 21:35)
salama daholo e,
niresaka izahay sy ny namana tato ka nanoso kevitra ny hanao fampianarana kabary eto amin'ny namana.i naritsimba no hafaka hampianatra,ka izay liana dia manehoa hevitra eto ary lazao izay hevitra ahafahana mana tanteraka ilay izy.
novalian'i ras27f ny 15/09/2015 06:16
2. ikaretsaka ( 20/04/2004 22:53)
mety tokoa izay.. fa ilay drafitra (etapes)tokao no oh tsara ianaranay aloha an.. hoe ahoana ny fanaovana kabary am-panambadiana ohatra na zavatsa tsotra ohatran'ny hoe mamangy manjo na miantrano any @ futur rafozana .. dia izay zahay vao mianatra ilay haingoteny
3. naritsimba ( 21/04/2004 05:51)
Salama daholo eh!
Tena vonona aho ny hanoro sy hampianatra antsika namana rehetra izay vonona ny hianatra, fa ho antsika eto Antananarivo kosa dia tsy maintsy misy ny fotoana izay hanaovantsika fampiharana mivantana anehoana fa tena sahy sy tsy menatra intsony rehefa mandaha-teny imasom-bahoaka na eo anatrehan'ny fianakaviana sy ny tapaka sy namana.
Ity fampianarana ity kosa aloha dia tsy maintsy misy fomba ho enti-mampianatra hafa noho ny mahazatra satria isika eto @ namana no voalohany hanao izany fampianarana kabary izany @ alalan'ny Internet. Tsy mitovy @ fampianarana rehetra izy ity noho izany. mety hisy ihany koa ny hanaratsy satria ny ankamaroan'ireo mpikabary malaza ankehitriny dia volabe no alainy vao mety mampianatra izy na handeha hikabary @ lanonana samihafa.
koa dia mazotoa ary fa ny fotoana hanombohana azy no tsy maintsy hifanarahantsika tsara mba tsy hisy ny ho lasa aloha sy ny ho tratra aoriana.
Koa misaotra antsika mialoha eh.
4. lekely ( 21/04/2004 10:28)
sarasara tsy ho ambaka tompoko,
tena tsara tokoa ialy havitra ny hifampita havitra fa ny zavatra mba nanaitra ny saiko dia ilay hoe :misy ireo mpikabary sasany( hoy i Naritsimba) hoe misy ireo mpikabary tsy mandeha mampianatra na mikabary raha tsy vola be !!!!
ny tiako ambara dia tsy ilay vola akory no inona fa arakaraka ny sarany ny ahafahanao manome lanja ilay kabary ataonao, tsy hoe kely akory ilay vola dia ratsy ilay kabary fa omena lanja ny maha Malagasy eh!
Tsara ny hevitra tompoko fa tsy misy manana ny ampy tokoa fa sambatra izay mifanampy koa dia asandrato ny maha malagasy Anao
Dia manao veloma ny miakandrefam-baravarana rehetra tompoko samy ho tahian'Andriamanitra
5. naritsimba ( 21/04/2004 11:17)
Efa niharan'izany aho r'ilekely matoa sahy miteny izany, zavatra efa niainana io. Amiko ny maha Malagasy dia tsy sandaina vola akory fa efa rà mikoriana ao anatin'ny tsirairay.
Ny tanjonay dia ny hananan'ny fianakaviana mpikabary iray farafaharatsiny, ary raha izao ataontsika izao no tanteraka soa aman-tsara dia ho tanteraka ny tanjona izay efa nirinay hatry ny ela.
Efa any @ 300 izao no efa navoakan'ny fikambanana misy anay ary raha tsy misy ny sampona dia ho tafajoro ara-panjakana io fikambanana io @ ity Taona 2004 ity.
Koa dia mazotoa ary mianatra rehefa tonga ny fotoana hanombohana.
6. lekely ( 21/04/2004 12:09)
misaotra namaly ny hetaheta fa ilay izy Andriamatoa tsy sandaina manaiky aho fa omena lanja kosa ah!
Araka ny lanja omenao azy ny hahafahan'ny tontolo manodidina manome hasina sy lanja ilay traikefa ananao
manono anarana moa sarotra fa zavatra tena misy io ary be mpanao fa izaho kosa mahasahy milaza fa ny kabary mahavelona eh!
7. naritsimba ( 21/04/2004 12:44)
Tsy mandà mihitsy aho hoe mahavelona ny kabary fa saingy izao, ataon'ny olona tsy manana ahoana moa ny handoa vola be raha toa ka manao izany daholo ny mpikabary rehetra? Aiza moa no ho be ny haka mpikabary fa aleon-drizalahy tonga dia atao amin'izay mahamety azy ny fanambadiana dia izay no mahatonga ny sasany tsy hiraharaha ny kolontsainy intsony. Ny azoko tenenina raha ny momba anay dia sahiko ny milaza fa tsy manonona vola izahay fa dia izay omen'ny olona dia mahafaly ary indraindray ary mahazo betsaka noho ilay mpikarama izahay.
izahay aloha raha vao mifanena @ ireny mpikabary mpaka vola be ireny dia tena ampisehoanay fahaizana mihitsy dia avelanay izy ho hitan'ny olona eo hoe izany kay ny kabary angalany vola nefa tsy mahavoa akory(efa nisy io an ary dia menatr'olona teo ilay mpikabary nefa milaza azy ho mpampianatra, olon-kafa no nandimby azy fa izy tsy sahy nitsangana intsony namaly kabary nefa ange izy ka mpamoaka eh!) ireo fianakaviana naka azy ary mitady ny toerana hampianaranay mba hianatra.mampalahelo ilay izy kanefa atao ahoana moa ny vola no ambony noho ny kolontsaina.
Manararaotra aho hanao pub kely:Raha haka mpikabary ianareo dia milazà amiko fa raha mpikabary no tadiavinareo dia mahita aho na firy na firy na kely na lehibe na mankanesa eny @ FJKM Ambohipo isaky ny Alahady hariva manomboka @ 2 fa
8. pitchou ( 21/04/2004 16:07)
miarahaba ny rehetra aloha no voalohan-teny!
marina mihitsy ny voalazan'i Naritsimba. Tsy ny fangatahan'ny mpikabary vola be no mampahay ilay mpikabary. Fa rehefa tiana ilay izy dia mahavita mihoatra noho ny eritreretina foana, toy ny zavatra atao am-pitiavana rehetra, mikatsaka ny tsara hatrany.
Misaotra betsaka an'i Naritsimba @ fandavan-tenany. Izaho aloha mipetraka eto Tana, saingy noho ny asa aman-draharaha atao dia matetika no tsy eto. Ka izany no mahaliana ahy koa @ ity fampianarana @ alalan'ny internet ity.
9. ikaretsaka ( 21/04/2004 18:22)
raiketo ary fa zahay liana
10. fijo ( 21/04/2004 21:37)
izay e;aoka tsy hatao resaka hifamaliana fotsiny ilay izy,fa izao.i naritsimba no hampianatra ka dia lazao ary izay fotoana mampahalalaka anao,dia ny namana izay any antoerana avy dia mihezaka mifanao fotoana aminao.
isika izay eto amin'ny tranon kala kosa dia mitady hevitra isika miaraka amin'i naritsimba sy hery hanatanterahana azy.
koa aoka ary izay hirosoana amin'izay no hiadiana hevitra mba tsy holany andro ambavcany fotsiny eto idray koa isika.
11. naritsimba ( 22/04/2004 12:52)
Salama daholo!
Ny zavatra ianarana dia tsy maintsy misy fandaharana.
Ho hitantsika daholo manomboka @ atao hoe:
- Inona no atao ho kabary
- Ny kabary fototra
- Ny drafitry ny kabary
- Ny ohabolana sy ny hain-teny
- Ny kabary an-karatsiana
- Ny kabary an-kafaliana sy maro tsy ho voatanisa eto daholo izy rehetra fa eo am-pandrasana mahita ny atiny.
Fa dia misaotra an'i fijo sy pitchou tompon-kevitra aloha eh!
Mino aho fa tsy ho faty ny kolontsaina Malagasy raha izao fitiavantsika azy izao no mitohy.
12. booboo ( 22/04/2004 12:56)
rôvina no manomboka fa mazoto zà
13. naritsimba ( 22/04/2004 13:12)
tsy maintsy ho lazaina antsika rehetra ihany ny fotoana hanombohana fa aza matahotra eh!
Ary tsy maintsy mahay daholo rehefa mazoto sa ahoana?
14. pitchou ( 22/04/2004 17:16)
na sarotra lahy ny enti-mody
ny saina domelina ny andro lany
kanefa ny mpianatra te-ho tody
mikiry fa farany tody ihany

...
afako zakako miandalana
rehefa itafiako ny fikirizana
15. booboo ( 22/04/2004 17:25)
bravoooooooooo !
16. fijo ( 22/04/2004 20:17)
fa aoka tsy hilona be isika fa avy dia milaza izay vonona handrindrana izay tokony hatao.
misaotra daholo e
17. samoina ( 22/04/2004 21:28)
Vonona !
18. naritsimba ( 23/04/2004 06:48)
Salama ve!
Faly be aho nahita io tsianjery nosoratanao io ry Pitchou, FIKIRIZANA no lohatenin'io.
Faly be aho satria tsy iza akory no nanoratra azy io fa ny Dadako niteraka ahy(Ny Rahona RATSIMBA georges), mpikabary efa ela izy, ary avy aminy no nahatonga ahy ho mpikabary.Koa satria izy nomena maimaim-poana ary nizara maimaim-poana, dia izaho kosa nahazo maimaim-poana dia hizara maimaim-poana izay zavatra kely nomena ahy, ka ho zaraina @ izay vonona ny handray izany.
"Ny aina no matezà, ary enga nie tsy hisy harary raha tsy tonga ny aretina, ary tsy ho faty raha tsy tapitra ny aina"."Diavolan-ko lava ny lalao mbola ho ela, ny fianarana tsy mety tapitra fa fianarana daholo ny fiainana"
Dia manantena aho fa hahavita hatramin'ny farany ny momba ity resaka kabary ity isika.
Misaotra eh!
19. pitchou ( 23/04/2004 14:36)
vonona!
20. peluche ( 24/04/2004 11:38)
ary efa nanomboka ihany zany ilay fampianarana sa ahona?tsy azoko tsara hoe hatao via an'ny internet zany?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4671