Ahoana ihany ity fitaizana ity eh

1. xxx ( 20/04/2004 16:35)
Mitaraina ny Ray aman-dReny fa vetaveta fiaina sy mafy loha ny ankizy ankehitrio. Ny mahavariana anefa dia raha vao maota fotsiny ny ankizy vavy dia efa hividianana akanjo eny am-poto-pe. Ka tsy mahagaga izy raha variana misangy amin-dehilahy.
Ny ankizy lahy indray dia tsetsemana video, gameboy ny lohany, hany ka manao be-marenina fotsiny rehefa antsoina mba hanao raharaha na hianatra.
Dia manontany tena hoe tokony mba hiova ve ny fitaizana sa ahoana re eh
novalian'i mihanta ny 17/12/2004 07:15
2. alz ( 21/04/2004 09:14)
Ny fomba fijerin'ny Ray aman-dreny sy zanaka dia misy décalage foana : blèma générations.
Ny ankizy ankehitrio dia tsy vetaveta fiaina fa mahafatantra betsaka momba n'ny sexe, nohon'ny media sy ny sisa. Noho izany tokony ho ny RAR no manazava ny resaka sexe amin'ny zanaka toy zay olon-kafa.
Ny ankajo any am-poto-pe indray de lamody, samy manana ny tiany, saingy efa be loatra ny modely hita manao ireny (Bretney speers,....), ka maka tahaka tsy nahy ny ankizy, mety ho sexy le izy, saingy tsy voatery hieritreritra le ankizy hoe sexy le ankajo fa lamody fotsiny.
Mety tsisy hifandraisany amin'ilay misangy lehilahy.
"Ny ankizy ankehitio" mafy loha : mety ilaina le mafy loha hahafana miatrika ny fiainana, tsy voatery ho marina zay resahin'ny RAR.
Ny game boy aloha dia kilalao individualiste tsy mitovy amin'ny jeux de société hafa.

Anisan'ny basen'ny fitaizana amiko ny mampianatra ny ankizy hisadapte amin'ny monde hiainany.
3. xxx ( 21/04/2004 14:14)
Tsy azoko Fa le RAR izany tsy miaina ny ankehitriny fa ny taloha ve? Nefa izy mbola velona amin'ny andro ankehitriny ary mbola manaraka vaovao amin'ny andro ankehitriny hitazaina antsika rehetra. Ny lamaody sy ny sisa rehetra izao dia sao heverinao fa ianao no namorona azy fa ireo ekipa niara-nihira tamin'ny RAR-nao. Ka tsy azoko ilay hoe tara ny RAR.
4. hendry ( 21/04/2004 17:39)
Arakaraky ny rad-ny io ry xxx a! misy rad mividy akanjo hatreny ampoto-pe araky ny lazainao, misy ny tsy manaiky akory ny fitondran´y zanany zany akanjo zany.
Dia arakarak´ilay ankizy koa io, na dia milalao game boy sy mpijery video aza izy, rehefa tsara taiza na olona misaina dia tsy hanao be marenina zany.
5. peluche ( 24/04/2004 11:48)
Rehefa misy dialogue tsara @ ilay ray aman-dreny sy zanaka hatramin'ny mbola kely de mandeha tsara io.
6. faribolana ( 04/05/2004 01:48)
Tena tohanako ny hevitr'i Peluche, satria ny conversations amicales entre parents-enfants dia tena manampy betsaka @ fitaizana ny zaza. Au moins izy izany mba hiaino anao rehefa misy conseils sns... satria efa raisiny toy ny namany ianao na confident.
Ity misy hevitra ho an'ny RReny mba ho fitaizana tsara ny ankizy: tsara raha mba manokana fotoana kely isanandro (au moins 5 fois par semaine) mba hiarahana na tsy hahita resaka hatao aza fa miara-mijery TV fotsiny ao an'efitra.
Fadio koa ny manao be sermon fa tsy tian'ny ankizy ankehitriny io!
Mba iresaho zavatra mahafinaritra matetika ny ankizy e!
Eo @ ilay resaka hoe milalao @ lehilahy, sns... dia tsy voatery ho mini-jupe, na slip sexy akory, fa aza raisina an-tendrony be ohatr'izany ilay izy, azafady. Satria raha mandinika ianareo dia ireo tovovavy nampanaovina lava-robe no matetika miafara @ "fisangiana @ lehilahy" izay tsy hitako koa izay maha-ratsy azy raha ao ilay antsoina hoe fanajan-tena.
Ary ny game-boy, sns... dia ilaina @ fitombon'ilay ankizy,indrindra @ izao vaninandro iainantsika izao, saingy eo ilay limite, ka io indrindra no ilana ny intervention-n'ny RReny.Anaro tsotra fotsiny izy dia lazao sy ampisehoy azy ny lafiny tsara sy ratsy @ fiainana mba hahafahany misafidy izay hitondrany ny ho aviny.
Izany hoe mila mahafoy fotoana hiarahana @ ankizy koa ny RReny fa tsy variana @ fitadiavana fotsiny akory.
Izay no mba kely fantatro fa isika RReny no mahalala izay mahasoa ny zanatsika tsirairay avy.
7. honey ( 14/06/2004 17:39)
Dia ahoana ny fahitan'i Faribolana ny tsy fahafahn'ny iray amin'ny RAD miatrika izay fihaonana kely izay. Ekeko tokoa ny mahasoa an'io, nefa raha toa ka lavitra tsy afa-manoatra dia ahoana?
8. annie ( 16/12/2004 09:41)
Miarahaba anareo rehetra!
Ny fitaizanade tsotra fotsiny:ampahafantaro azy ny azo hatao sy ny tsy azo hatao
Ny momba ny video sy ny lamaody indray de ferana foana ny ankizy hoe hatreto no azo hatao sy ny tsy azo hatao.Rehefa ampahafantarinao azy ny tsara sy ny ratsy de tokony tsy hisy mihintsy ny olana
9. malanto ( 16/12/2004 12:29)
Aza faly ny manome tsiny ny RAR ry \'reto a, fa matoa ange izy miteny dia tsy soa ho azy velively izany fa soa ho anareo ankizy e.Fa izao fotsiny, fantaro ny zava - drehetra dia tazony mafy izay tsara.
10. mihanta ( 17/12/2004 07:15)
aza misoroka mandray anjara fitenenana sy fananarana
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3813