Fihaonana faharoa aty am-pita

41. fijo ( 07/05/2004 00:43)
voninkazokely ity tsy hita ko
42. ralay ( 07/05/2004 09:31)
Matoa vonikazokely tsy afaka mandalo intsony aloha dia sahirana izy ka au contraire tokony tsy ho heligelenina @ zany izy aloha raha ny fijeriko azy.
Fa aleo miandry an'i ds fa manana fotoana malalaka isika hanomanana azy fa tsy mora ny manao zavatra fa aza dia maika loatra isika ry namana.
43. oully ( 07/05/2004 10:36)
Eny Andriamatoa Filoha :)
44. oully ( 10/05/2004 11:34)
Ireto indray misy soso-kevitra avy amin'ny namana iray avy ato amintsika:

2 gîtes ilay izy:

1) Les Prés Verts à COMINES près de la Belgique direction Bruges/Gand

2) à Houplines ferme ilay izy près de Armentière 15Km de Lille 44 Rue de Pilorie

Ka mandram-pahandry an'i ds dia aroso aloha io hodinihantsika.
45. fijo ( 10/05/2004 22:46)
tsara fa lavitra be izahay kle.
46. oully ( 11/05/2004 17:36)
Ireto indray izany no daty aroso antsika ka hofidiantsika, mandram-pahandry ny toerana :

1) Manomboka ny zoma 01 Jolay ka hatramin'ny alahady 03 Jolay 2005. (01 - 03 Juillet 2005).

2) Manomboka ny zoma 05 aogositra ka hatramin'ny 07 aogositra 2005. (05 - 07 Août 2005).

Nezahina ho ny voalohan'ny volanan'ny été amin'ny heritaona mba ahafahantsika rehetra miomana sahady.
Misaotra antsika rehetra.

47. fijo ( 11/05/2004 23:14)
raha amin'ny herintaona dia ampy tsara hiomanana ka.
48. nananie ( 13/05/2004 11:09)
enga anie mbola ho eto za.
49. oully ( 13/05/2004 17:22)
Ela loatra ve? Iza no manana sosokevitra hoe aroso? Dia rahoviana? Na izany aza hotanantsika io daty io. Sa ahoana?
50. fijo ( 13/05/2004 23:44)
aleo tanana io fa ratsy raha vonjivonjena ko
51. mumu ( 14/05/2004 07:54)
za alou manao oe volana aogositra io mety 5-7 aogositra io, fa tsy aiko na mety ho any hafa natsia
52. sipagasy ( 14/05/2004 08:41)
Manao ahoana,

Ny ahy indray anefa ny juillet no metimety amiko fa aleo atao latsa-bato é! hi!hi!hi!
53. ralay ( 14/05/2004 16:35)
Mbola samy maneho ny heviny aloha izao fa aza mbola asina resaka latsabato fa rehefa tonga ilay fotoana hanapahana dia ho hita eo @zay izay fomba hanaovantsika azy.Dia mazotoa milaza ny hevitrareo tsirairay izay vonona handeha e.
Misaotra antsika ralay
54. booboo ( 14/05/2004 16:47)
Ilay Jolay ny anà no hitako metimety kokoa. Afaka mba samy mandritra ny fotoany ny tsi-11 @ zay dé mba tsy tapaka tampoka ny vacances na ny asan'izay manao raha @ aogositra.
55. ftma ( 15/05/2004 18:27)
Manao ahoana daholo,
Tsy misy daty hafa angaha fa ny akamaron'ny mpianatra dia miasa daholo rehefa vacances d'été, an'isan'ireo miasa aho @ volana jiolay sy aogositra. Nefa raha io no lanin'ny besinimaro dia tsy maninona
56. fijo ( 17/05/2004 23:47)
lazao aloha ny hevitra dia hiaraha manapaka eo e
57. voninkazokely ( 20/05/2004 12:41)
Manao ahoana daholo!
Ireo namana mbola te hihaona aty Dieppe dia mbola vonona an!
58. sipasipa ( 20/05/2004 19:54)
Ahoana izahay avy aty Germany ve, tonga soa koa any? Mba maniry koa ny hihaona raha ohatra ka.
59. fijo ( 20/05/2004 21:41)
na ny avy any canada sy usa aza dia tonga soa daholo e,ny avy any mada moa dia miaraka amin'ny ravitoto.
60. chipie1 ( 21/05/2004 11:43)
ary samia aza milaza ny heviny oe inn no mety hahafahanareo e?
nena zao ilay volana aogositra io mety amiko fa asa kou raha hety ho any sasany
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.56