Fihaonana faharoa aty am-pita

1. oully ( 17/04/2004 09:03)
Manao ahoana daholo,
Nisy soso-kevitra naroson'i DS tamin'ny resadresaka nifanaovanay tany VICHY fa mahita toerana ao Lyon-Frantsa izy mahazaka olona 30 eo ho eo, ka miandry ny tohin'io soso-kevitra io isika.
I Voninkazokely indray nilaza hoe ho an'ny Normandie amin'ny ETE ...
Tsara ho marihina fa homanina heritaona mialoha mba ahafahan'ny rehetra manao pro, ka toerana tsy dia sarotra loatra ho an'ny rehetra ....
Nefa moa raha miteny Ikaretsaka hoe ho any aminy sady efa vonona ny zava-drehetra, inona moa no olana ? Sady mikotrana ny taranja basket jiaby ....
Dia misokatra zany ny sehatra eh.
Misaotra.
novalian'i fijo ny 14/02/2005 23:04
2. oully ( 17/04/2004 09:28)
Adinoko efa nisy an'ireto ny valiny ho an'i Voninkazokely:
Fijo> ka paka ihany no fanaovana azy ka.raha any lavitra be any ve tsy hofaty izahay le.
Ralay> salut vonikazokely
Tsy maninona amiko aloha na any Normandie aza je suis à 1200bornes nefa raha mahita hebergement (sakofo+fatoriana)mora enao dia arosoy ny hevitra dia mba karakarao fa aza dia andrasana ny namana fotsiny e.Ianareo izany no ohatry ny hoe mampiatrano.

Ahoana raha toerana misy ranomasina tokoa ry zareo ?
3. sipagasy ( 17/04/2004 09:38)
Miarahaba é!

Izay toerana alazainareo fa izaho vonona foana é
Fa aza atao atomotra be loatra fotsiny ihany
4. ds ( 17/04/2004 10:26)
Mbola eo am-pikarohana ny saram-pilasiana aho izao ao amin\'ireto toerana manaraka ireto.
1) Ferme \"Le châtelard\" - Francheville le Haut
Fahalavirana (Km) :
Lyon = 8 km
Paris = 458
Nice = 473
Marseille = 315
Strasbourg = 494
Bordeaux = 531
Lille = 684

2)Château des scouts - Le Breuil (Le Creusot)
Fahalavirana (Km) :
Lyon = 156 km
Paris = 317
Nice = 618
Marseille = 466
Strasbourg = 391
Bordeaux = 561
Lille = 541

Ireo toerana roa ireo dia tsy lavitra seranana TGV (10 km) ka azo atao ny
fitaterana any an-toerana. Mahazaka olona 30 eo ho eo ary toerana mitokana azo hanaovana sakafo (gasy). Amin\'ny fotoana tsy mangatsiaka loatra (tsy mila sofazy) no tsara raha tsy izany mavesatra ny sarany. Izaho maminavina fa tokony ho eo amin\'ny 15 € na 20 € isan\'andro ny saram-pilasiana (fatoriana+fivoriana+sakafo) saingy isika ihany no miantoka sy mikarakara ny sakafo. Miandry ny valiny avy amin\'ny tompon\'andraikitra aho ka rehefa vonona dia alefako eto hiara-midinika.
5. oully ( 17/04/2004 11:40)
Toa ilay Château des scouts no mety amiko, sady mba miala kely ny tanànanay. Ary raha atao été mba tsy handany vola amin'ny chauffage ? nefa toa Paka ihany ilay soso-kevitry Fijo.
Atao 3 jours mba ho afaka hitondra ny vady aman-janany ny sasany. Pentecôte amin'ny heritaona no arosoko raha mety aminareo. Fin Mai 2005 any ho any ....
6. oully ( 17/04/2004 11:42)
Sa ela loatra ve ilay daty narosoko ? Zà aloha efa maika hihaona aminareo eh
7. voninkazokely ( 17/04/2004 14:28)
Ka izao ny antony ilazàko hoe amin\'ny été satria aty amin\'ny NORMANDIE aty : be orana sy mangatsiaka loatra ankoatran\'ny été.
Tamin\'ny été 2003 lasa teo aho dia efa nandray sy nampiatrano ireo Malagasy mpivavaka ao amin\'ny ( église évangélique ao Paris )
Ny antony nandehanandry zareo taty moa dia nitady toerana misy rano mba anaovana batisa ilay mpiara-mivavaka amindry zareo .
Aty aminay moa tsy lavitrin\'ny ranomasina ( 5KM) dia nataondry zareo teny ilay Batisa.
Izy ireo dia teo amin\'ny 30 teo ho eo .
Ka marina mihintsy fa mila fanomanana elaela amin\'ny fihaonana amin\'ny manaraka raha hisy !Satria:
Tamin\'io nihaonanay lasa io mantsy dia somary nihazakazaka kely izahay satria: vao 2 jours talohan\'ilay datin\'ilay Batisa aho vao nifankahalala tamin\'i Ramatoa Pasteur anao ilay batisa.Izany hoe 1 andro fotsiny ny nanomanana ny andraisana an-dry zareo ka somary sahirana kely aho tamin\'izany satria sady niasa ! tsy dia afaka niaraka firy tamindry zareo nanao guide touristique ohatra! hi!hi!hi!
Ka tonga soaman-tsara taty aminay ihany ry zareo .
Soa ihany fa tsara ny andro tamin\'izay ka ny sasany namelatra tanty teny an-tokontany, ireo nitaiza kely sy ny ankizy dia mba niara-nidabo-tany niaraka taminay tato an-trano, ireo lehilahy sy ireo vehivavy sasany kosa dia natory tao anaty fiarakodia!
Nahafinaritra sy tena nahafaly ny foko ny nandray azy ireo taty aminay.
Tena ohatrin\'ny any an-tanàna mihintsy ny ambiance tamin\'izany !
Ry zareo koa moa dia tsotra no tsara fanahy sady tsy nisy nisalasala mihintsy fa dia niara-niafiafy sy niara-nifaly teo izahay mianakavy kely!
Gaga mihintsy hoa ny voisin!!!!
Vita soa aman-tsara ilay batisa teny amoron-dranomasina, dia avy eo niara-nisakafo daholo teny amin\'ny bozakan\'ny plage izahay rehetra.Nisy vazaha aza tonga nanandrana izay nohaninay teo!
Rehefa avy nisakafo dia nifanao fotoana tany an-trano rehefa hariva ny andro! Ka samy niparitaka kely daholo,ny sasany :nitsangantsangana nijery tanàna, ilay mpihira malaza be iray izay aza naha-tourné ny clip-ny nahita ilay ranomasina sy falaise tsara be !
Rehefa hariva ny andro dia samy nody tato an-trano amin\'izay. Niara-nisakafo hariva farany dia avy eo samy namonjy ny natoriany.
Dia rehefa lasa ry zareo ny ampitso dia izahay irery sisa no tavela irery tao ,ohatr\'ireny avy nandevina ireny .Nangingina kely!!

Tena nahafinaritra kah!



8. ramoul ( 17/04/2004 16:51)
koa mainona moa izany rà ohatra ka hoe any amin'ny vonikazokely no hatao dia samy miantoka kely mba ho fandraisana anjara hanampiana ny zava-pisotro sy fihinana? Soso-kevitra ihany ny ahy iny aloha fa dia misaotra anareo ny tenako
9. oully ( 17/04/2004 18:47)
Ary tsy misy toerana mitovitovy amin'io hitan'i DS io angaha any akaikinareo any ry Voninkazokely ? Ohatran'ny tiako aloha ilay akaiky ranomasina eh! sa ahoana ry zareo ? Sa ve dia raikitra ny ladina an-tany ?
Misaotra sahady an'i DS sy Voninkazokely aloha amin'ny fanomanana eh....
10. booboo ( 17/04/2004 18:50)
Raha mba mety dia tsy dia atao lavitra be loatra ny gare ilay toerana.
11. booboo ( 17/04/2004 19:01)
tsy metimety kokoa ve raha paka satria efa hafotaka ny révisions ho an'ny étudiants raha pentecôte ?
12. oully ( 17/04/2004 20:24)
Ka tsy mifanindry amin'ny RNS indray ve raha paka? ary raha mois de sept? sa efa manomana rentrée indray? sa fin d'année? manalasala daholo zany daty zany marina.
13. oully ( 17/04/2004 21:28)
Ity no momban'ny tanànan'ny Normandie http://www.normandieweb.org/index.html

Telo zao no tanàna hitantsika hatreto:
1- Francheville le Haut

2- Le Breuil (Le Creusot)

3- Normandie
14. ralay ( 18/04/2004 13:30)
Tsara daholo ilay sosokevitra fa rah ny ahy indray dia izao: Raha paka aloha dia ho anay izay mpanao fanatanjahatena dia tsy afaka satria efa miandry anay ny ekipa @RNS io. Tsy manakana ninoninona anefa izany. Ny pentekoty angamba no hitako fa mety satria efa manomboka mafana @ io ary au contraire fakan'ny mpianatra rivo-baovao alohan'ny hanaovany ny revisions. Ny toerana indray dia mety ny tsara angamba dia ireo hitan'i ds ireo raha paka na pentekoty satria mbola mangatsiaka ka tsy hety ny hatory anaty tanty, fa raha ohatra kosa été no tapaka fa hanaovana azy dia mety kokoa ny any Normandie nefa @zay dia mila manao effort mandeha lavitra kely isika ka tsy tokony ho lafobe intsony ny sara-pilasiana fa mety havesatra be ho antsika.
Koa dia izay no sosokevitro fa antsika no mandinika azy sy mamolavola fa ny essentiel diaizay maha afaka ny be sy ny maro e!
15. jhouhlambout ( 18/04/2004 16:54)
ary aty?
16. ftma ( 18/04/2004 17:20)
Mba manana sosokevitra koa aho raha te hoavy aty Côte d'Azur ianareo amin'ny week end ny 11 novembre 2004 mandra-piandry ny fihaonana any Francheville le Haut na Le Breuil (Le Creusot) na Normandie.


17. oully ( 19/04/2004 08:44)
ftma> sao week-end-n'ny 1er novembre no tianao lazaina? Dia ahoana indray ny amin'izany? Mba hilazao amin'ny antsipirihany koa hoe izahay ....
18. voninkazokely ( 19/04/2004 09:02)
Aty Dieppe no misy anay.
Ka arakarakin'ny isantsika miananakavy ihany io.
Raha betsaka ve moa tsy vao mainka tsara fa dia manofa salle de sport hatoriana é! sa ahoana???
Misy Gara ihany koa.
Ataovy sérieux ilay resaka izay vonona é
19. ftma ( 19/04/2004 10:35)
salut ouilly vonikazokely sy ny namana rehetra,
week end ny 1 novembre ilay izy izany hoe 30, 31octobre et 01 novembre, aty akaikin'ny Nice mbola hijery toerana aho rehefa vonona ny ho aty ianareo fa miankina @ isan'ny olona ho avy, tsara andro aty sady hamoron-dranomasina, izay hahatongavanareo fontsiny atao fa ny participation tsy mihoatra ny 20€ raha maro ny olona dia mety mihena io fandraisana anjara io.
20. oully ( 19/04/2004 12:52)
Ireto avy no toerana hitantsika hatramin'izao:
1- Ferme "Le châtelard" - Francheville le Haut.

2- Château des scouts - Le Breuil (Le Creusot).

Amin'ny andro mafana no tsara mankany mba tsy handany vola amin'ny sôfazy. DS no mikarakara azy.

3- Dieppe - Normandie. Voninkazokely no mikarakara azy.

4- Nice - Côte d'Azur. Week-end-n'ny 1 nov 2004. Ftma no mikarakara azy.

Ilay an'i ramaso sy jhouhlambout angamba toa lavitra loatra.

Miandry sy Misaotra antsika.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3495