RNS Vichy: Nihaona ny namana

21. samoina ( 13/04/2004 07:31)
...I Fijo nody niala sasatra kely ary ny tenako mbola tsy maintsy nijanona fa mbola tafakatra 1/4 de finale t@ io lalao io ny samoinakeliko ( zanako lahy ).Ny champion de Madà en titre no nifanehitra taminy t@ io 1/4 io. Olona maro no nitangorona ary nahazo tehaka mivatravatra lery satria tamina tir 22 nataony ( tireur izy ), ny 20 nipaoka avokoa . Ary nony injay tsy maintsy notifirina ny bouchon dia voany in-3 izany. Saingy resy ihany moa satria ny champion champion ihany e !
Mba tsetsatsetsa tsy aritra ny ahy satria amin'ny maha "namana" ny tenako dia raisiko ho namana kely koa i "zanatsamoina" na tsy mpandray anjara eto aza...
Izay ny tantarako fa i fijo no handrasana hanohy.
22. bichette ( 13/04/2004 08:15)
Ny momba ny kanety be, tsy pro akory ny aty fa milalao kely ihany tsindraindray .... maninona moa raha manao ekipa ny namana serasera indray andro any ? maninona moa raha samy mikotrana any amin'ny tanana misy azy avy ny tsirairay dia rehefa mihaona na zavatra sahalamin'izany dia mi former equipe ???? tonga dia pub be mihitsy ; izaho sy i oully izao hanao volley sa ahoana moa ry oully ???? ....
bi7
23. bichette ( 13/04/2004 08:18)
... mety hoe volley izany, mety hoe basket izany sns.... sport isankarazany e !
24. bichette ( 13/04/2004 08:20)
... ny fihaonana no tena zavadehibe e !

25. oully ( 13/04/2004 09:32)
Eo am-pamakiana ny tatitra ataon'ny namana aty aoriana dia be dia be koa ny mbola tiana holazaina.
Adino koa no nilaza fa nataon'ny radio capricorne interview i Sipagasy, ka nilazalaza ny mombamomban'ny seraserantsika. Mba henoinoy ihany fa raha tsy nahita an'i Sipagasy nareo mety aheno ny feony :)
Teo am-pilalaovana tokoa i zanatsamoina no tonga zahay. Mahagaga ny fahaizany ... Ny asabotsy alina niarahanay tamin'i Fijo dia tamin'ny roa maraina vao tafasaraka fa nahaliana be daholo ny resaka nifanaovana. Nanaitra ahy mihitsy ny fitiavan'i Fijo ny tranokalantsika fa tena efa misy fandaharam-potoana manokana ny azy. Aleo anie hotantarainy eo fa tena mahaliana eh! toa tsy mbola ao mantsy izy zay ....
Manararaotra misaotra an'i ralay zahay (misolo tena anay sy bichette) fa namana tokoa izy teo amin'ny déplacement-nay rehetra. Sady nandefitra be tamin'ny kenokenona isan-karazany :))
I Ds moa no nifampitadiavanay be tahakan'ny volamena ka hitanay ihany nony farany, ka izy no nivoahan'ny hevitra fa hihaona indray afaka heritaona.
26. bichette ( 13/04/2004 09:58)
Tena marina mihitsy ireo voalazan'i oully ireo.
merci ralay an ! merci sipagasy, mahereza hatrany fijo
27. bichette ( 13/04/2004 10:07)
nandefitra be i ralay tamin'ny kenonkenona sy ny kakakaka tsy misy farany nataonay sy oully , eny fa na dia tamin'ny 3 maraina aza dia niharitra ny kakakakanay sy oully i ralay.
I oully dia tena supporter mazana be mihitsy. Manana feo maranitra sy energie mihitsy. samy ni supporter mafy ny ekipan-dralay izahay roa fa tena resiny aho. ny hika hoe "serasera.org" tsy misy farany koa no nataony tao anatin'izany. Misaota oully.
Misaotra ralay fa tena namana tokoa ianao.
28. oully ( 13/04/2004 10:26)
Tena nahafinaritra ry zareo ah! manantena ny hisian'ny fanindroany, dia mba miampy anareo namana hafa rehetra. Ho avy ny sary eh .......
Merci Wil.. sy San.. (ankamantatra). Bizzzzz
29. kitjo ( 13/04/2004 16:19)
mmhhh,nilay kosa zany an
mitsiriritra fts moa ny mpijery zany ko,hihihi
tohizo fa mahafinaritra e
soa fianatra zareo an
30. sipagasy ( 13/04/2004 16:36)
Faly miarahaba antsika rehetra ê!

Ka dia inona intsony moa no anampiana izay efa nolazain'ny namana rehetra teo ambony teo, fa dia faly tokoa tafahaona t@ namana vitsivitsy tany Vichy é!
Ny tiako ampiana kely fotsiny dia ny mikasika ny resadresaka nifanaovako t@ tomponandraikitra iray t@ radio capricorne, ny fanontaniany moa izany dia hoe inona ny tena diako tany @ rns dia novaliako tsotra fa tsy nohon'ny fanatanjahan-tena ihany fa noho ny lafiny ara-kolotsaina sy mba hahitana indray ny namana mpiara mianatra taloha ... ary indrindra indrindra ny mba hanomezako endrika ny olona mitafa amiko matetika eto @ karajia, satria hafa ihany ny manana namana mba iresahana indrindra aty antanin'olona alavitra ny havana aty. T@ izany no noresahiko ny takelaka serasera, ny antony nidirako tao(hitady namana tsy ankanavaka) ary ny sosokevitra efa voalaza etsy ambony ny mba hihaonan'ny namana maromaro kokoa ary mba ahafahantsika manangana asa, na hevitra ho tontosaina mba tsy ho mena mitaha @ firenena hafa i Madagasikara, izany hoe hazavaiko kely: ny afrikanina ohatra dia hita ny firaisankinandry zareo raha misy voina mahatratra ny 1 @ mpikambana ao aminy, ary ny antsika mba manao ahoana kosa??? dinik'asa mbola hojerena daholo izany aroso amintsika mba hovolavolaina dia ho hita eo ny valiny @ herintaona é!
Dia izay indray ary aloha fa dia @ manaraka miandry ny hahatongavantsika maro é!
31. fijo ( 13/04/2004 23:05)
azafady ry zareo fa izao vao tafiditra ato fa narary aho avy any,satria nangatsiaka be tany ka tsy tantiko.omaly koa mbola nilongy hatraty atsimo aty.
ilay fihaonana moa dia nahafinaritra tokoa satria namana be tsikitsiky no hita tany.ary indrindra indraindra(ity dia tsipihako manokana,satria niala ny be sy ny maro.namana tsy tia nifanindry ny tany)izany hoe tsy nisy niseho milay izany.hitako foana mantsy io hatramin'izay any amin'ny RNS
ny kanety moa dia efa nolazain'i samoina fa 1/8 eme izahay no voa
ny fanomanana koa ratsy satria vizana be izahay no tonga tany.fa ny tanjona kosa dia nihoatra satria tamin'ny voalohany dia ny tsy horesy amin'ny voalohany no tanjona kay lasa ihany vao latsaka.ny alahady aho tsy hafaka nihaona tamin'ny namana fa nanomboka nanavy ny aprem ka dia naleoko natory,fa ny alina aho no tany amin'ny fety famaranana fa tsy naharitra ela dia nody fa mbola nitohy ilay fanaviana.
dia izay aloha fa i samoina kely no tena loza be tao fa naika naharomotra ny tompondaka ny nataony.
32. mumu ( 14/04/2004 07:43)
miarahaba ny rehetra
tsy de misy ambara loatra fa de nafinaritra ny fiaonana tany vichy na de tsy de afaka niresaka ela lotra aza!
mbola be ny ho sisa
bye
33. hery ( 14/04/2004 10:14)
Jereo eo amin'ny site Namana dia eo amin'ilay menu Samihafa - Tahirintsary ny sary sasany tany Vichy
34. ds ( 14/04/2004 11:15)
Miala tsiny fa nanoratra teto aho omaly fa kay tsy lasa mihitsy ilay izy.
Lany session angamba fa sady miasa ihany no mangalatra manoratra.
Tsy hipasoka ny efa malama fa dia misaotra anareo rehetra nitatitra. Nahafinaritra tokoa ny tany Vichy na dia tsy naharaka firy aza ny tenanay noho ny adidy aman'andraikitra sy ny fahalaviran-toerana. Soa fa nihaona tamin'ny namana koa dia afa-po tanteraka. Ny ekipako BAMASS (baolina harona) dia resin'ny tompon-daka Toulouse (1/2 harona) ka nihintsana t@ 1/8, rehefa avy nandresy ANAMAF (47/29) tamin'ny fifanitsanana. Io ANAMAF io anefa no niady ny famaranana nony avy eo.
Io ilay hoe boribory ny baolina.
Tsarà daholo.
35. ralay ( 14/04/2004 20:58)
Zany sy izany ny fandehan-javatra tany fa ny irina dia ho maro² isika @ fihaonana manaraka na dia tsy RNS aza izany fa vao maika mety ho tsara kokoa. Hiezahana ny hanomanana izany elabe mialoha mba hahamaro antsika e.
Mirary fahasalamana ho an'i fijo izay nanao tsy salama kely izany koa ny tenako. Koa dia mankasitraka antsika rehetra e!!!!
36. fijo ( 14/04/2004 22:40)
misaotra ralay an.
tamin'ny kanety be aloha dia tena nahafam po ny valiny,ary hadinoko ny nilaza fa i samoina no nanao ny strategia tamin'ny lalao nay.fa reraka ihany koa i lery satria ratsy torimaso be.
fomba fijery ilay sary raha matroka ny fahitanareo azy dia manaova akanjo fotsy na hasio taratasy fotsy eo alohany dia mivoaka tsara ny sary rehetra.
37. voninkazokely ( 16/04/2004 18:55)
Mba ataovy aty amin'ny NORMANDIE indray ilay izy amin'ny manaraka é!
Rehefa été iny ohatra!!!!!
38. fijo ( 16/04/2004 23:35)
ka paka ihany no fanaovana azy ka.raha any lavitra be any ve tsy hofaty izahay le.
39. oully ( 17/04/2004 08:26)
Azo dinihina daholo ny soso-kevitra rehetra fa efa nisy naroson'i DS koa mantsy tamin'ilay dinika tao amin'ny MC DO ka tsy haiko hoe aiza ho aiza zao izy iny. Miandry anao DS ah!
40. ralay ( 17/04/2004 08:40)
salut vonikazokely
Tsy maninona amiko aloha na any Normandie aza je suis à 1200bornes nefa raha mahita hebergement (sakofo+fatoriana)mora enao dia arosoy ny hevitra dia mba karakarao fa aza dia andrasana ny namana fotsiny e.Ianareo izany no ohatry ny hoe mampiatrano.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2966