RNS Vichy: Nihaona ny namana

1. oully ( 12/04/2004 12:44)
Manao ahoana daholo,
Tafahaona ihany ny namana taty Frantsa tany amin'ny RNS Vichy.
sipagasy, mumu, ds, ralay, samoina, fidjo, bi7, oully, ...
Mbola ho avy ny sary sy ny tatitra fa mbola eny an-dàlana mody daholo ry zareo.
Misaotra antsika tafahaona tany fa mahafinaritra be daholo nareo ....
Oully.
novalian'i fijo ny 07/05/2004 00:43
2. kitjo ( 12/04/2004 16:04)
Milay zany
D naharesy sa nanaona nareo ze nandray anjara?
le mpilalao kanety be zao no andrasana
3. ralay ( 12/04/2004 17:34)
Salut à tous
Nahafinaritra ny fihaonana tany Vichy ho an'ireo namana vitsivitsy izay tonga tany. Mbola ho avy n y sary sy ny tatitra izay isaorana an'i oully manokana ny fanaovana izany. Ny sary moa dia mbola ho avoaka aoriana fa alemo aloha hiala sasatra kely fa mbola vizana.
Merci à toutes et à tous . Hialana tsiny mialoha ho an'ireo izay mety ho namana tany nefa tsy nifankahita taminay.
Ralay
4. oully ( 12/04/2004 18:34)
Sao dia hifampiandry amin'ny tatitra eto isika ralay an! hiezahako aza dia samy manampinampy eo eh ...........
5. bichette ( 12/04/2004 19:41)
Manamafy ny tenin'ny ralay aho fa tena nahafinaritra tokoa ny fihaonana.Misaotra mialoha azy koa ny amin'ny sary sy ny tatitra ho hataon'i oully sy ralay.Manantena aho fa mbola hisy ny toa ireny fa amin'ny manaraka dia ho tonga daholo ny namana rehetra hiara hifaly sy hikorana. Sa ahoana ry zareo? dia bizou be daholo ianareo rehetra
Bi7

6. voninkazokely ( 12/04/2004 19:56)
La chance!
7. ramoul ( 12/04/2004 20:05)
mahafinaritraizany ry namako.
8. oully ( 12/04/2004 20:06)
Toy izao zany no tatitra fohy araka ny fahitako azy fa mbola hanampy eo moa ny namana sasany.

Araka ny nifanarahana dia natao tany Vichy ny fihaonan'ny namana taty
am-pita. Nanararaotana ny RNS. Arak'izany dia samy sahirana tany amin'ny
taranja nisy avy ny tsirairay ka noterena arak'izay tratra ny mba hihaonana
na dia ny hifankahalala tava fotsiny aza. Ka ralay, ds, fijo, samoina,
sipagasy, mumu, bi7, ary oully no tena tafahaona mivantana, nisy niaraka
tamin'ny zanany ny sasany. Betsaka ihany koa ny hafa fantatray fa tonga tany saingy
ilay hihaonana no sarotra dia sarotra.
Rehefa tena nifampitady teny zahay dia ny alahady hariva tao aorian'ny
finale no tena tafahaona niaraka, ka nifanome fotoana tao amin'ny Mac
Donald's.
Rehefa nifankahalala sy samy faly nifankahita teo dia nifampitantara ny
nahatonga ny tsirairay ho tao amin'ny serasera sy ny fifandraisana misy
amin'izao fotoana. Nisy tena nahagaga sy nahafinaritra mihitsy (aleo samy
hitantara ny azy eo ambany eo, na ny tsy tany aza satria mahaliana be). Dia
somary niresaka teknika kely avy eo, ny fomba hanatsarana ny takelaka, sns,
...
Fa ny tena vaovao nivaingana tany dia tapaka fa hanao fihaonana manokana ho
an'ny namana rehetra mihitsy ka lazaina amintsika heritaona mialoha mba
ahafahan'ny tsirairay avy miomana.
Efa nisy toerana ihany naroson'i DS fa eo am-pandinihana azy isika.
Izay no ambangovangony fa amin'ny sary indray angamba no misy antsipirihany
kely.
Marihina kely fa samoina sy fijo no nanao tsipy kanety be, i ralay kosa
nanao volley, no sady arbitre tamin'ny finale lehilahy. Zahay vehivavy indray moa
dia nifarim-peo teo am-panohanana an-dry zalahy.
Dia misaotra antsika rehetra sady manantena ny hihaona izany afaka
heritaona.
Manoroka mamy daholo.
9. ramoul ( 12/04/2004 20:36)
misaotra anao izahay ry oully ny amin'ny fitaterana ny zavatra izay natao tay Vichy
10. ikaretsaka ( 12/04/2004 21:38)
anao ahoan aanefa ny resultats t@ farany.. nanao ahoaan ny Petank namana? nanao ahoan any vlley ?
11. bichette ( 13/04/2004 06:05)
Misaotra anao oully ny amin'ny tatitra. Aza malahelo ianareo izay tsy afaka tonga na ireo tonga ka tsy afaka nifankahita. mbola be no sisa e !
12. ralay ( 13/04/2004 06:18)
salut ikaretsaka
Ny resulat ny volley izay nataoko dia nihintsana teo @ demi-finale ny ekipa nisy ahy dia ny ekipan'ny BASPA izany ho an'izay mety mahalala azy io. Ny kanetibe indray dia aleo i fidjo sy samoina no ilaza azy.
13. bichette ( 13/04/2004 06:22)
Nanao ahoana tokoa ry fidjo ny kanety be tao ?
14. ralay ( 13/04/2004 06:45)
Saika hadinoko fa isaorako manokana i bichette sy oully fa mpanohana nafana fo tokoa ny ekipan'ny BASPA ary nampahafantatra olona maro tokoa ny site ntsika teo @ fanohanana ny namana ralay.
Merci
15. ralay ( 13/04/2004 06:46)
Saika hadinoko fa isaorako manokana i bichette sy oully fa mpanohana nafana fo tokoa ny ekipan'ny BASPA ary nampahafantatra olona maro tokoa ny site ntsika teo @ fanohanana ny namana ralay.
Merci
16. samoina ( 13/04/2004 06:58)
Miarahaba ny namana rehetra ary manantena fa samy nanao paska finaritra avokoa.
Teo am-panaovana fanazaran-tena izahay sy fijo no nahita taratasy fotsy harangarangan'olona , tonga dia nahatsapa fa ny "namana" angamba izany ka dia nahato kely ny lalao fa mba nitafatafa tsotsotra tamin-dRalay, Oully, Sipagasy teo...
17. samoina ( 13/04/2004 07:04)
Faly sahirana ihany t@ ezaka hiaonana satria izao: faly satria hita maso ireto namana mpiresaka sy mpifananihany @ serasera. Sahirana satria drodroga mafy ny tena t@ lavalina natao, ny kanetibe rahateo tsy afa-mihetsika @ toerana filalaovana satria ankaotry ny fiarahanay sy fijo dia tsy maintsy nanaraka hatrany an'i "samoinakely" 12 taona izahay fa nikotrana mafy koa izy. Kibo an-tsena hatrany no natao satria alimbe hatrany vao afaka tao...
18. samoina ( 13/04/2004 07:13)
...Mikasika ny lalao:
Ny Asabotsy: efa an-dalam-pahatongavana tao Vichy ny namana tokony hilalao aminay sy fijo no niantso an-tariby ny tompon'andraikitra nampita hafatra taminay 2lahy fa tsy salama tampoka ary niantsona dokotera mihintsy. Tsy afaka nandray anjara izahay t@ lalao voalohany fa tsy maintsy niandry ny faharoa nolazaina fa hanomboka @ 5 hariva.
Dia nanao fanazaran-tena tamina mpilalao hafa hatrany mandrapaha..
Rehefa tsapanay fa tsy nanomboka ny lalao faharoa io t@ 8 ora sy sasany hariva dia nanapa-kevitra ny hiala sasatra izahay ary hiverina ny ampitso. ( Marihiko fa t@ 9 ora alina hono vao natomboka izany ary tsy nitsahatra raha tsy t@ 3 maraina tany ho any. Soa fa boulodrome couvert aloha e ! )...
19. samoina ( 13/04/2004 07:20)
... ny alahady, doublette.
Na dia fandraisan'anjara voalohany taminay 2lahy aza io dia tafavoaka ny poules izahay rehefa nandresy in-2 ary dia mbola nadresy 1 indray ka tafakatra 1/8è de finale. Sendra ny ekipa maozatra efa mpandresy lava tao Montpellier avy eo dia tsy afa-nanoatra firy. Afa-po satria hadino ny zava-niseho ny omaly...
20. ralay ( 13/04/2004 07:25)
Mahafinaritra fa ny manetsabe mbola ho avy ry samoina @ zay aza mety hisy ekipa maromaro mihintsy ny namana sa ahoana hoy ianareo.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1383