Tsy mety ny tsy fampandoavam-bola ny marary eny @ hopitaly

1. 2689 ( 09/04/2004 13:17)
Tena tokony mandoa ny fitsaboana eny amin' ny hopitaly zato isan-jato ny marary tsaboina eny. Izao no mahatonga ahy hametraka izany : rehefa misy ny sensibilisation andanian' ny fanjakana vola tsy toko tsy forohana, ohatra ny fanaovana vaksiny ny zaza, dia miavonavona Ra-malagasy. Sady kamo no misy manaparitaka tsaho toy ny hoe : Misy VIH hono ny Protector mba handringanana antsika mahantra, dia mialangalana ny olona tena tokony arovana amin' ireny.
Dia ny orinasa sy ny olona mba manan-katao amin' ny fiainana avy eo no mizaka ny vokany amin' ny fandoavana ny saram-pitsaboana ireny olona sarotra atoro ireny.
Ny olana fotsiny dia ity : raha vao hoe mila mandoa vola ny marary dia tsy misy mpiraharaha mihitsy izay tonga eny amin' ny hopitaly fa hoe manan-kandoavana ny vola ho lany ve io olona io?
Ny vahaolana anankiray azo omena dia ny fametrahana ny sécurité sociale eto Dago, ary tsy maintsy atao toy ny karatra isan-dahy taloha io. Dia rehefa sendra ny sampona ianao dia tsaboina aloha dia io service io no manonitra ny lany avy eo.

Mba toroy hevitra hafa tsaratsara kokoa ny fanjakana.
novalian'i kally ny 26/04/2004 20:13
2. ikaretsaka ( 09/04/2004 22:53)
io no tonfa @ ilay hoe vola daholo letsy ny rehetra an.. na ny vidin-daban'ialahy vao teraka ka hatramin'ny vidindambamenan'ialahy rehefa maty
3. faby ( 10/04/2004 16:34)
Ny sécurité sociale na @firenena aiza na aiza dia tsy maintsy déficitaire foana ary ny hetra haloanao any @ kitapombolam-panjakana ihany no tsy maintsy hamenoana azy...... izany hoe naman'ny miantoka ny tenanao ianao izany no miantoka ny hafa na manana izy na tsy manambola.
tokony hialana @izay ilay fomba fisainana "tia raha bôjô sy fiainana moramora foana" fa tsy mampivoatra antsika malagasy.
Ny zavatra koe rehefa tsy andoavambola dia matetika lasa tsisy lanjany intsony; ny toaka sy ny rongony ary ny makorelina aza manana ny vidiny ka ny fahasalamana indray ve !!!!!
4. ikaretsaka ( 12/04/2004 00:31)
eny tokao hoa
5. hery ( 12/04/2004 19:53)
In mou ny secu any Dago?
Ny resaka assurance maladie ve? Toa mitombona ihany kah. Azo atao ihany ary mandeha tsara any Dago. Fa mila examen be dia be satria izay sûr fa tsy harary matetika no raisina.
6. ikaretsaka ( 12/04/2004 21:42)
ka izay manko..
7. rfanjav ( 13/04/2004 07:45)
Any @ ireny centre social privé ireny no misy an'izany, (voafaritra manokana ny olona miara-miombona ao) fa raha ho an'ny daholobe toa tsy mety koa !

tsy mitovy ny fari-piainana, sady misy koa ny tsy manana anton'asa isambolana, d ahoana ohatra no andraisana ny cotisation-ny ?! tsy vao maika olana indray ny hoe itsy mbola tsy nahaloa latsak'emboka t@ volana zao na t@ taona lasa akory aza !
8. rfanjav ( 13/04/2004 07:55)
Sady iza moa no hisalasala handoa vola raha vao hoe resaka fahasalamana, fa misy kosa ireny dokotera na mpiasan'ny hopitaly ireny manararaotra e,

tsy mba hoe ny droit-nao ihany na ny fanafody tokony ho vidiana aminao no aloanao fa tsy maintsy mandoa bojibojy raha te ho voakarakara tsara,

manome kely infirmier de garde ohatra vao misy manindrona ny mararinao,

na d any @ hopitalim-panjakana na dispensaire aza d mbola andoavana 30.000 ohatra raha hijery dokotera, ary payer-na any personnel zany fa tsy any @ caisse-n'ny hopitaly !
9. hendry ( 17/04/2004 11:11)
Hery> Dia ahoana koa zany hoe zay sûr fa tsy harary matetika no raisina, ka raha olona efa sur fa tsy harary matetika inona ny dia ilainy assurance maladie?
Ny ahy mba tiako raha toy ny @ firenena mandroso hoe: obligatoire ho an´ny rehetra ny fananana assurance maladie saingy mbola misy dingana be dia be vao ho tonga @ zany satria tsy maintsy hamorona asa zany ny fanjakana ho an´reo tsy an´asa mba ahafahany mandoa ilay cotisation. Dia zay tsy afaka miasa noho ny antony manokana dia mba iantohan´ny fanjakana ohatra ilay assurance-ny. Saingy mbola lavitrezaka zany aloha ho an´i Dago e! tsara ihany nefa ny hieritreretin´ny fanjakana ny hevitra mety hirosoana @ zany.
10. hendry ( 17/04/2004 11:16)
Raha resaka fandoavam-bola any @ hopitaly ndray dia io lazain´i rfanjav io matetika no miseho. Tsisy mandà ny handoa vola raha vao resaka fahasalamana, na hamarotana ny fari-pananana aza saingy ny olana matetika dia ny tsy ara-dalàna be dia be eny @ reny toeram-
pitsaboana toy ny hopitaly reny. Ohatra: nisy niditra hopitaly ny fianakaviana, dia ataon´ilay mpitsabo zay hilalaovana ilay aretina mba hitangozana vola isan´
andro @ ilay marary @ alalan´ny hofan-trano (chambre ao @ hopitaly) sy ny sisa. Lasa miompana be @ fitadiavam-bola sisa ilay fitsaboana.
Raha 100% araky ny voalazan´i 2689 no vola tsy maintsy aloa, sur ve enao fa hahatakatra zany daholo ny rehetra manana marary?
11. ikaretsaka ( 18/04/2004 00:37)
ka raha mandoa vola ara drariny sy mitsabo ara drariny dia misy mihafy
12. 2689 ( 18/04/2004 15:40)
Ny fanararaotana ny marary ataon' ny mpitsabo ange resaka ady amin' ny kolikoly sy heloka be vava indray izany e! Fa ny fampandoavana vola ny marary dia mba hahaizan-dRamalagasy manaja ny ainy sy ny fahasalamany. Raha misy ohatra ny Secu, tsy tokony hotsaboina amin' izany izay aretina azo tamin' ny tsi-fitandreman-tena (Cancer du poumon noho ny fifohana sigara, SIDA, ...).
Dia ilay hoe zato isan-jato, ahoana moa no tsy ho voaloa rehefa hoe tsy maintsy izay? Raha misy ny tsy misy azo foronina. Efa misy izao indraindray ny marary mila volabe ny fanasitranana azy (Ohatra : mila soloina ny rein, 500 millions farafahakeliny), efa nitranga matetika izany teto, dia miandry izay andro iantsoan' Andriamanitra ilay marary satria fantatra fa tsy ho vita izay. Dia anatra ho an' ny rehetra ireny hoe mba hajao ny tena fa sarobidy ny aina.
13. kally ( 19/04/2004 09:27)
Ka io anie ry 2689 izao ny olana e!sakananao ny olona hoe ka lasa te-hifoka sigara ka aiza no tsy harary,dia miditra koa ny marary vavony dia hoe ka tsy mitandrina ny sakafo ho hanina tsinona ka mandoa vola,dia miditra ny marary fo dia hoe,ka ianareo ary tsy mahay mamboatra saina ka aiza no tsy harary dia tsy hisy farany fa hahitan antony avy @ marary daholo ny aretna rehetra,na ny ankizy kely voadonan'ny fiara aza dia hoe lasa te handeha eny @ arabe ...tsara ilay hevitra fa sarotra be izany hoy aho!
14. ari.malala ( 19/04/2004 09:46)
Ilay resaka hoe mandoa bôjibôjy @ dokotera raha te hovoakarakara tsara alo tsy haiko ny hevitrareo, fa amiko; efa io ny asan-dry zareo ka tsy tokony hanome ianao na inona antony na inona. Vao t@ vola afévrier iny aho no niditra hôpitaly ary nodidiana. Soamry nampifilafila aloha r'izareo t@ voalohany ary nisy mihintsy aza ny dokotera niteny hoe ka ianareo tsy mananona kely ko! fa nihenahena teo aho. Farany moa dia nisy chirurgien hafa nahita ny cas ko ary hoe tsymaintsy natao ihany ny fandidiana ahy, dia vita soa aman-tsara. Ka hoy aho hoe matoa misy ny kolikoly dia misy ny mpanome fa rehefa samy mitokona tsy mety manome daholo isika rehetra haninona eo r'izareo?! Ary efa misy koa anie ilay N° vert an'ny anti corruption ê! dia anjaranao tratran'ny fitadiavana kolikoly no miantso any mampahafantatra and-dr'izareo ao @ io sampana io.

Fa ilay hoe tsy fampandoavana vola ny marary, @ lafiny inona aloha fa izaho izao teny izaho daholo no niantsoka ny fanafodiko rehetra hatr@ alcool sy ny compresse aza.
15. rfanjav ( 19/04/2004 15:06)
ari.malala : hoy ianao hoe :"fa rehefa samy mitokona tsy mety manome daholo isika rehetra haninona eo r'izareo?! " : rehefa tsy hanome ianao d hodiandry zareo ho fanina eo fotsiny ny mararinao e !

tena sérieux anie izany e : mody misy miteny hoe "andraso fa ho avy eo ny infirmier x hijery anao" nefa d andraso eo tokoa i Paoly .
16. 2689 ( 23/04/2004 09:11)
kally> Sigara sy MST ihany kosa ange no noresahako e! Izay ilay lazaiko hoe mihainoa tsara.
Ireny dia aretina azo ialana tsara fa misy ohatra ny homamiadana azo avy @ UV na avy @ setroky ny fiarakodia, izany angaha azonao ihodifirana ahoana? Ny tiako lazaina izany dia hoe misy ny aretina tsy fidiny fa misy iniana alaina mihitsy.
17. ari.malala ( 23/04/2004 10:47)
rfanjav; ka tena izay no nataoko anie t@ za teny @ hôpitaly vao t@ fevrier teo ê! tena nitsotra ilay dokotera hoe "nareo koa anie tsy mba manan kely ê!" fa tena nodiako fanina tanteraka mihintsy, toy izany koa, mikitakita velona tsy nisy toa azy ilay dokotera izay ary niteny fa "tsy maika io" mantsy ahy, ny tetiny dia hoe ao mba jereo fa meko kely an'izao na zavatra toy izany, fa tsy norarahianay mihintsy! Farany dia nisy ihany dokotera nijery ahy ary vita soa aman-tsara ny fandidiana.
y
18. kally ( 26/04/2004 20:13)
2689>namaky tsara mihitsy aho fa tsy hoe nihaino ka hoy aho hoe azo itarina foana io satria mba hilaza koa ny mpifoka sigara mpandoa hetra rehefa marary ny katavy hoe lasa te ho tendan-kanina ka nony marary fo sy lasa diabetika vao hoe aloavy aloavy ny fitsaboana ahy eny @ hôpitaly.Ka izay no mahasarotra azy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1579