Météo Paska RNS Vichy

1. samoina ( 07/04/2004 08:12)
Araky ny nolazain'ny mpiasa ao @ office de tourisme Vichy anio alarobia dia hangatsiaka tokoa @ io week-end io ( manodidina ny 0°c)
ary mety hanorana koa.
Tsy natao hanakiviana antsika izany fa kosa hampahatsiahy antsika ny tokony hitondrana akanjo mafana tsara, gants, bonnet sy " raglan ".Indrindra ho an'ny ankizy madinika.
Aza adino koa ny kiraro maivana satria araky ny tatitra avy @ mpikarakara dia ezahina tsy hosimbaina @ kiraro misy talon ny gymnase.
Mikasika ny hifampahafantaran'ireo" Namana", ankoatra izay efa voalaza @ takelaka hafa, dia izao no soso-kevitro: petahina ny litera " N " @ tanan'akanjo na ny satroka na ny kasikety na ny pataloha,ets...dia manatona izay mahita.Atao kilalao toy ny raosy jamba e ! Scotch na sparadrap dia efa azo hanamboarana io litera N io. Ahoana ny hevitra farany Ralay ?
novalian'i ralay ny 08/04/2004 12:38
2. ikaretsaka ( 07/04/2004 22:58)
mety koa izay.. ny mpanao kanety be koa mba manaova maillots mitovy aloha e
3. jhouhlambout ( 08/04/2004 06:38)
Tsara ilay hevitra, fa na izany aza mila mifanaraka daholo aloha ny mpandray anjara rehetra
4. ralay ( 08/04/2004 12:38)
Efa tena atomotra ny fotoana ka tsy misy handinihana itsony satria izahay mandeha rampitso ka izay ataon'ny namana na io lettre "N" io na ny feuille blanche eny an-tanana dia efa mety izany. Koa dia any ny fotoana e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2767