Ohabolana gasy mampihomehy

1. alz ( 03/04/2004 12:16)
Ianareo ve mahafantatra "Ohabolana" na "Fitenenana" malagasy mampihomehy?
Ny ahy ity :
"Boka lahy mihinan-kitoza, ny hanina lavorary, fa ny manala kaka no tsy laitra"
novalian'i martino ny 12/04/2019 17:12
2. ikaretsaka ( 03/04/2004 16:13)
ity vao tay hoy ilay nangery kankana
3. xxx ( 03/04/2004 18:16)
Ny sasany koa dé faly ny hiteniteny foana fotsiny. Na dia hampiomehy aza......
4. makibesofina ( 03/04/2004 21:23)
mitarano tsy misalaka ka manontany nifin'amalona
5. ramoul ( 03/04/2004 23:34)
Mampihomehy daholo izany,kanefa anatra ho an-tsika izay noforoniny ho an-tsika.
6. ahaj ( 06/04/2004 13:32)
Boka mangery amoron-tevana, ka latsaka alohan'ny tainy.
7. xxx ( 06/04/2004 17:42)
mivoaka miditra ohatran'ny .. ilahiana rehefa manao firaisana
8. ralipo ( 08/04/2004 22:04)
Kay sao dia tsy ny ntaolo no namorona io
9. shadow ( 14/04/2004 13:47)
Miakamidina ôtran'ny patalohan'ny marary kibo
10. aladin ( 14/04/2004 16:31)
banga nifihi-pary:natao ahamandomando ny tenda ka ny akanjonify no nitsovaka.

11. ikaretsaka ( 16/04/2004 03:38)
Rafotsibe mitango saosety... mampitoby ny atiny sy ivelany
12. alz ( 16/04/2004 07:06)
Sola loha mangery diavolana ka tsy fantatra izay loha sy vodiny.
13. beko ( 26/04/2004 21:15)
izany an !
14. ikaretsaka ( 26/04/2004 23:29)
Izay tsy fenon'ny ambony fenon'ny ambany .. ohatran'ny basivava mpivalandrivotra!
15. xxx ( 01/05/2004 11:56)
aza manao fivoriana alika ny tsangan-kevitra tsy misy fa ny orokoro-body no betsaka
16. booboo ( 01/05/2004 12:17)
hihihihi
17. jhouhlambout ( 01/05/2004 23:12)
:-)
18. ikaretsaka ( 02/05/2004 20:56)
iny indray ny tsy hitako le
19. ari.malala ( 03/05/2004 09:53)
raha tsy mety ny atao, ranovola misy voay fa raha mety ny atao, ny etotra aza maha tsoka sodina.
20. kaladala ( 03/05/2004 12:44)
rafotsibe mita tatatra ka manitatra ny efa mikombona
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.6841