momba an' i hasina andriamanjato

1. fitsipika ( 01/04/2004 09:19)
ahoana ny hevitrareo momba ny dinik'i hasina omaly tao@tele omaly . aleo ny merina indray no hitondra. amiko aloha dia metyt iny teniny iny satyria aleo mba merina indray no mba hitondra fa tsy hoe cotiere foana . tsy hoe vatavata pitenenana za fa ny marina no lazaiko sy ambarako
novalian'i xxx ny 16/04/2004 16:41
2. kitjo ( 01/04/2004 09:32)
ka efa merina zao no eo ko
fa na zany na tsy izany aloha tsy d oe merina dol fa ny PM zao d efa tatsinanana sao misy mikotaba eo njay
fa ny lohany aloha aleo mba tariti...tsika....nay
3. ravatorano ( 01/04/2004 11:10)
ny adinonao fitsipika dia izao ; notohizan'i Hsina le resaka we "isika Merina izao ho eo kanefa toa tsy mandeha ny zavatra , ka manetsika ny ambopo merina izany ka tokony hifanampy isika ".(fandaharana Ankarihary matv omaly tamin ny 20h30).
Fa maninn marina ary inn no tena marina momba izany fa toa nifha tamin ny torimasony dhl ny mpanao politika eto amin ny tanana
ry Pierre tsiranana izao lasa midingina be ny feon drazokilahy , jereo koa ry Joseph Yoland izay depute an i Nosy be izay milaza fa tsy mila mpanao politika any aminy.Ka inn no mahasamy hafa azy amin i Portos !
Manahy aho raha izao no fandehany fa mety hisy korontana politika indray eto fa atao mafanafana dhl ny lafivalo rht.
Tsy leo mihitsy an ity korontana ity isika fa dia izao merina tanindrana mitondra nefa nankaiza , mankaiza ary ho aiza ??????
Leo ny mpanao politika ny vahoaka satria tsy mitondra vokatsoa ho azy ireo mihitsy izany hatramin izay.Ny manao manao izay tiany ary dia manao tokoa izy , ny tsy manao dia efa tsy manao mbola be vava ihany,gisa lahy omaketsa .
Mandreraka be é . ny firenena no potika fa ze tonga eo misy tsininy dhl na favy na tsia.
4. hendry ( 01/04/2004 14:08)
Fa inona nefa no tokony idiran´ny foko @ zany e? Tsy ny hampandeha ny raharaha ve no tanjona? na merina ny eo, na tanindrana, rehefa gasy tsy hitako zay tokony idradradradrana an´zany. Toy ny fandranitana amiko ny fideraderana hoe sika merina no mitondra. Ny asa vitan´zay mitondra no jereo fa zay fiaviany aleo ho any.
5. hendry ( 01/04/2004 14:12)
Zao ny zavatra tokony ho tsapantsika: raha nitondra ny tanindrana, nisy merina ihany tao @ fitondrana. Mitondra zao merina, misy tanindrana ihany koa nefa ao @ fitondrana. Midika zany fa tsy ny tanindrana irery ihany no tompon´andraikitra t@ fitondrana teo aloha raha nisy tsy nety satria ny mpitondra no tanindrana fa ny mpiara-miasa aminy nisy merina. Dia toa izany koa @ zao fitondrana zao, merina no mitondra fa ny mpiara-miasa aminy misy tanindrana. Na mety na tsy mety ny ataony eo dia tsy izy irery no tompon´andraikitra satria tsy izy irery no mitondra ny baolina fa misy mpiara-miasa aminy ao.
6. kitjo ( 01/04/2004 15:47)
k zay oa, ny lohany fts no mahasamihafa azy zao, fa tsy maintsy mifangaro io satria tsy an merina rery madagasikara


tsy ny politika no ratsy fa ny mpanao politika ao amintsika mitsy, politika polisianina no atao, resaka ady seza, fifanaratsiana sns,
Vao mahita fa misy mba azoazona vahoaka d miatdy zao fika rht zao hanaratsiana azy, d tsy hiarina mitsy v zany gasikara??
7. ravatorano ( 02/04/2004 08:15)
kitjo>hendry>marina avokoa ny voalazanareo fa izao kosa no andro hitaizana ny vahoaka hanana ny toetsaina tsy ho voarebirebin ireto mpanao politika be vinany ireto fa tena tsy masaka fa manata sy lo ry lerony rreo.Ny politika dia tsy mampandroso firenena eto amitsika fa natao hisarahambazana hitadiavana seza ary dia manjaka tokoa ny zarazarao hanjakana eto amitsika ka mahamenatra raha toa ka ry swaziland indray no mbola eo alohatsika amin ny filaharana amin ny fahantrana.
8. xxx ( 02/04/2004 15:33)
Fomba fampiadiana daholo ireny eh
Raha tsy nahazo vokatra tamin'ilay fanambarana natao teny Ambohitantely dia mody sintonina indray ny fon'ny merina hienjakenjana kokoa amin'izay mora ny mampiditra adim-poko.
Naninona ny dadan'ialahy no tsy sahy niaro ny mpianatra merina akory fony raikitra ny ady teny Vontovorona
9. hendry ( 05/04/2004 12:16)
ka adalan´zay tery saina manaiky harebireby @ zany resaka foko zany. Dia misy tokoa anie ny merina na ny tanindrana tonga fofona be maheno ny fandrangitana ataon´ny mpandrangitra e! Dia mirohatra na mihogahoga hoe: tsy manjary ny merina na tsy manjary ny tanindrana. Aza ny fiaviany no jerena fa ny zava-bitany, samy malagasy daholo.
10. xxx ( 16/04/2004 16:41)
aza alefa lavitra ny saina ry zala fa mbola tsy tampitra anie ny 5 taona Otran'ny baolina io e , azo atao ny mapiditra rempilasa rehefa mafy ny ataony adversa diny mbola tsy vita ny 90 mn
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.211