lohahevitra vaovao

1. voninkazokely ( 29/03/2004 19:54)
Manao ahoana tompoko,
inty mba misy soso-kevitra mba hitan'ny sai-keliko:
ahoana raha mba asiana lohahevitra vaovao momban'ny lalàna,ka mba mila ny fiaraha-miasa amin'ireo namana mahay lalàna ohatra :avocat, juge......polisy na ny garde champêtre ihany aza dia mety....
Mba hahalalàna ny Zoan'ny tena mba hahafahana miaro tena rehefa misy problème.
Ohatra : problème de voisin, arnaque sur internet, agression,viol..vol...na projet ....rehefa mikasika ny droit ..
Ilay izy izany mitovitovy amin'ilay lohahevitra fahasalamana izany hoe mety eo no ahalalàna na grave ilay olana ka tsy maintsy operena izany hoe mila miporté plainte ilay victime.
io moa arakaraky ny olana izay mitranga ka eo no mety ahalalàny izay tokony ataony na tokony hiporté plainte izy na mbola vitan'ny raharam-pihavanana ilay izy

Asa izay mba hevitrareo?
2. admin ( 30/03/2004 09:33)
Ok misaotra an'i voninkazokely

Olana sosialy (fiaraha-monina) ve ilay izy? Sa hafa mihitsy?
Azo eritreretina ary ka dia mitady ny fomba hilazana azy indray
- Lalàna
- Ara-dalàna
- Zo sy lalàna
- Fitsarana
- Tribonaly :)

Teneno zà raha misy sosokevitra.
3. voninkazokely ( 01/01/1970 00:00)
Ilay iray amin'ny :
zo sy lalàna
ara-dalàna

Na tsorina fotsiny hoe :
VAHAOLANA

4. hery ( 31/03/2004 07:15)
Eny arany e...
Misaotra betsaka fa hodinihana io.
5. nananie ( 31/03/2004 12:59)
Tsy ratsy mintsy zany ka! Sady mino aho fa betsaka ny olona mpanao lalàna ato.
Fa le hoe vahaolana ve aky tsy ôtran'ny malalaka be? Raha tsy hoe asiana resaka hafa koa na dia tsy mikasika ny lalàna aza.
6. ikaretsaka ( 31/03/2004 22:43)
Hitsiny atao titre-ny e
na hoe ny Zo-nao
7. hery ( 02/04/2004 22:38)
Nataoko hoe Hoy ny lalàna ny lohateniny. Io mantsy mba akaikikaiky kokoa an'ilay hoe Fitsarana sy Tribonaly sy lalàna sns.
Iza no afaka miandraikitra manokana an'io? :)
8. kitjo ( 03/04/2004 08:39)
io an'i Hery io no mety kokoa ngamba fa raha ilay oe "zo" mety mitatra zavatra hafa ndray ny resaka fa samy hiady ny zo-ny araka ny fiheviny
Fa fampahafantarana ny zo araka ny lalana zay no resahina
9. voninkazokely ( 03/04/2004 10:26)
Tena mety io ry Hery fa dia misaotra betaka indrindra!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4165