MBA TE HITADY TOVOVAVY ATAO TAOLANTEHEZANA

1. manafolahy ( 25/03/2004 13:19)
Izaho dia mitady tovovavy afaka hanomana ny ho avy miaraka amiko, ary manana ireto fepetra ireto: Tsy vadin'olona na efa manana sakaiza, matotra @ fitafy,fiteny,fisainana,tia mifampiresaka ,olona manana an' i Jesoa Kristy velona ao anatiny
dia misaotra anao mialoha
novalian'i ramaso ny 02/12/2004 00:09
2. xxx ( 26/03/2004 17:53)
Faly tokoa aho nahita ity filazana nataonao ity, be vola ve aloha ianao, izaho dia vonona raha mahazaka ny sitrapoko ianao
Malala
3. xxx ( 26/03/2004 18:00)
Faly tokoa aho nahita ity filazana nataonao ity, be vola ve aloha ianao, izaho dia vonona raha mahazaka ny sitrapoko ianao
Malala
4. laloa ( 26/03/2004 19:19)
Izaho koa faly be nahita ity filazanao ity fa tena mety amiko mihitsy izany saingy izaho aloha tsy dia mpivavaka be loatra ka tsy haiko e!
5. liaando ( 26/03/2004 20:27)
envisagable ihany ny hafatrao fa saingy za aloha tsy manao ifitafy ohatran'i masera fa manaradamody kely ihany de ahoana
6. fandresena ( 26/03/2004 20:41)
hafa kely aloha ilay fitadiavanao e Fa ny fanontaniana manitikitika ahy dia ny hoe ahoana ny fomba ahafantarana fa toy izany ny tovovavy hamaly eto. Mahay mapandry adrisa anie ny sasany e ! espérons que ton voeu serait exaucé
7. manafolahy ( 26/03/2004 11:20)
Mpadefa:XXXXXX aminao ny fitiavana dia vidina vola , ary mbola vao manoratra eto fotsiny aza aho dia efa izany no anontanianao !!!!

laloa: afaka mifampiresaka ihany isika na dia izany aza fa omeo ny adiresinao.

liaando: ny olona manana toetra mendrika sy tsara koa anie ka afaka manaraka ny lamaody e! nefa mba fitafy manome voninahitra azy sy ny manodidina azy noataony fa tsy hoe masera.omeo ahy ary ny N° Tel nao na email

fandresena : matoa izy sahy mamaly dia mahatoky ny tenany izy fa marina ny zavatra lazainy ary hasakasak'izay sahy handainga , ny ao ambony mahita azy
8. nananie ( 26/03/2004 12:54)
Manafolahy, mahità vady hiadanana e!
9. ngama ( 26/03/2004 13:26)
O ry manafolahy a, toa alainareo daholo izy izany afa tsy ny tia vola :-D ?

Fa firy ny anareo le taolan-tehezana nesorina tao?

10. nananie ( 27/03/2004 19:37)
hahahaha!
11. laloa ( 30/03/2004 20:04)
tsy aleo ve ny adiresinao no omena fa manjary sao lazain'ny kil fa tena taraiky be eo aho ka tsy masaka !
Fa katolika ve nareo sa protestanta e ! sao sanatry manko haningotra ahy @ ahy efa
12. angie ( 01/04/2004 10:35)
Efa tsara aloha ilay fontaniana satria samy cristiana ireo fa saingy raha musulman zany ny sasany tonga dia bye bye raha izany no izy.??
13. kitjo ( 01/04/2004 13:42)
eeee, hors liste zany?
14. ngama ( 01/04/2004 14:58)
Aiza kosa e, alefaso aty fa za mandray muslims
15. rfanjav ( 02/04/2004 06:48)
O ry manafolahy a, tsisy olona akory hiteny hoe za ratsy (....), fa sao d ampanantenain'ny olona lanitra eto d mitsingevaheva !

mahità izay tadiavina e !

fa maro hono ny hazo fa ny fary no mamy, ka enga anie ianao ka hahita an'ilay fary !
16. xxx ( 02/04/2004 09:47)
Ny mahafaly ahy dia ny mahita an'i rfanjav efa miserasera. Efa en forme tsara ve ianao izao, hoy ilay efa fantatrao
17. laloa ( 02/04/2004 10:24)
ka izaho ange efa miteny azy hoe omeo ny adiresinao mba hiseraserantsika bebe kokoa e!
18. nananie ( 02/04/2004 16:09)
Mba te hiserasera en privé zany ry zareo ry laloa a!
19. ikaretsaka ( 02/04/2004 18:41)
zany hono
20. kitjo ( 03/04/2004 10:02)
a bon entendeur, fa sao ny efa an'olona no alaina fa io misy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4698