niakatsehatra i Pasitera omaly

1. ravatorano ( 25/03/2004 11:27)
Ny tiako ho lazaina eto dia ny Pastera Ray amandreny Richard Andriamanjato.Namory mpanao gazety izy sy ireto namany ireto : Voninahitsy,Zaranaina,Atoa sy Rtoa Phillippe sy Elia Ravelomanantsoa.
Raha nieritreritra ny tenanay fa hanao fanambarana politika goavana izy dia hafa noho izany no niseho.Izay mipetraka eto dago dia nahita tamin ny vaovao tv sy ny gazety nivoaka androany ny votoantony.Raha ara politika dia toa hafahafa ihany ny fandehany satria dia fitazomana ny Filoha Ra8 ho nanao pacte tamin ny Federation Satanik française no tao ary dia nisy doc naseho moa tao.Teo koa ny fanononanan ny anaran ireo tompon andraikitra ara pinoana izay ao amin ny FFKM ho nandray vola amina milliards de fmg (1,2,4).
Ny mahagaga dia ireo lazainy fa porofo nentiny ireo dia tsy azon dry zareo antoka ny fahamarinany.
Ry zareo ihany azany dia milaza fa mety ho coup monte na fanendrikendrehana ve ireo sa tena marina.Miangavy izay niantefan 'ny kiana moa ry zareo mba hanazava ny fahamarianany na ny mifanohitra amizany.Nanjary nisy hevitra maloto be indray izany izao no mitranga eto amin ny tontolo politika eto andrenivohitra,arangaranga indray ny tanivo sy ny tanindrana,dia samy milaza fa mbola ao ambadik i Ra8 ihany.Tokony rehefa hanohitra ry zareo dia manohitra fa tsy hihanona fotsiny hanenjika ny TIM fa kosa miaro an dra8.
Mino ve ianareo fa tamin ny androny naha maire an'Antananarivo azy dia nanao izany pacte izany ingahy ra8 ary ny lehiben ny mpisorona FFKM nandray kolikoly taminy mba hampanginana ny raharaha.
Mba heverina ihany aloha izay avoaka hiantsoana mpanao gazety fa manjary lasa mirefarefa be amin ny tqany ny adi hevitra politika.
novalian'i fijo ny 21/04/2004 21:17
2. kally ( 25/03/2004 16:06)
Mirefarefa @ tany marina .Fantatra mantsy fa ny finoana no isan'ny nentin-dra8 niakatra ny fitondrana dia lazaina fa fédération"satanique",ilay teny nampiasaina dia hita fa natao hanozongozonana sy hanalana baraka tsotra izao.Atao ahoana fa ady seza io e!teo firy taona tsy hita izay nafitsoka ,tsaroako mihitsy iny rangahy iny Andriamanjato Richard io,nanao fampanantenana poak'aty ary nony nanontaniana izy nony azony ny fahefana hoe nankaiza ilay zavatra nampanantenainao dia ny valinteny nomeny dia ny hoe valala tsy an-tanana tsy atolo-jaza.Izany ve ho olona azo hitokisana?
3. kitjo ( 26/03/2004 10:20)
tttssss,zavatra tsy azo antoka koa andeha holazaina sy ahmoriana mpanao gazety??
te ho vedety fts zany fa ela2 tsy re,

asaivo asehony fa marina d ho hita eo e, fa ra znay aloha d mety hivadika diffamation sns e
4. xxx ( 29/03/2004 11:51)
Tsy maintsy isy ny mpitsara raha tsy izany tsy manao fanadinana fa tonga dia misondrotra kilasy daholo.
5. nananie ( 29/03/2004 13:56)
Tena tsy matotra. Raha resaka adi-seza ve ry reto dia anaovana an'izany? Tena tsy matotra! Lalaovin'izy mianakavy ny vahoaka malagasy. Tokony hitsahatra izany.
Ny lehibe no manao ny tsy fanao, dia ny olona ao ambany fahefana no voa mafy.
6. samoina ( 29/03/2004 15:03)
Tsy mahagaga loatra intsony ny fihetsik'io rangahy io satria mpiara-miosina akaiky t@ mpitondra sôvietika taloha ka tia manao démagogie. Izany hoe manararaotra ny maha olom-panahy azy dia mitady hamoky rivotra ny vahoaka.
Azo ampitahaina @ fomba fanaon'ny ASSIDU-Madagascar aty andafy ankehitriny !
ASSIDU-Madagascar = ASSociation des Intellectuels pour la Destruction de l'Union (na Unité izy izay )malagasy
7. nananie ( 30/03/2004 20:14)
Amin'le we ny resaka fivavahana no nahazoan'ny olona confiance an-dRa8, dia tsy maintsy ao @ resaka io no asiana fa raha tsy izany tsy voa.
8. kitjo ( 31/03/2004 11:32)
fa izy nefa ao anatin le izy d ny tena amrina izy aza no voatsara mialoha noho ra8

tsy efa mba tokony nipetraka v fa mba efa lehibe sady olona mba nanana ny naha izy azy,zara aza mba nangingina
9. nananie ( 31/03/2004 12:50)
Ka zay anie ry kitjo le we le pouvoir rend dingue e! Efa mba nahazo , dia tsy mety hafa-po. Jereo ary le jamba taloha teo koa . Efa firy taona vao niala.
10. kitjo ( 01/04/2004 09:34)
ko zany efa jamba ko,hhihihi
eny e, fa enga anie ny eo aloha tsy ho dingue ra tsy efa miarina Dago le,loll
11. taarhy ( 21/04/2004 13:37)
Ny tena mampalahelo @ ity firenentsika ity dia toa ady lava htr@1972 no nankaty dia ady lahy politika foana no manjaka. Ary io Dadapasy io mihintsy no namporisika ny mpianatra mba hitolona kanjo nony hitany fa nisy maty ny ankizy dia nandositra izy ary izany no isany nahamay ny hotel de ville(tezitra mafy ny olona ka ny HV no nanalana vokona) htramin'izao dia tsy vita. manarak'izany koa efa impiry moa izy no olona ambony t@ fitondra fa tsy hita izay zava-bita fa fampanantenana poak'aty sy kobaka am-bava ary resaka ambony vavahady fotsiny, avelao indray ny hafa mba hanao. Sady izao no tena marina ireo dinausore ireo no mila fongorina fa tena mandrebireby saim-bahoaka sy miady seza ary tena mpanakorotana ary tena tia tena be loatra.
12. ikaretsaka ( 21/04/2004 18:27)
misy mahamarina izany mihitsy
13. fijo ( 21/04/2004 21:17)
ny olana any amin tsika dia tsy misy mpanohitra any.izany hoe mpanohitra nanana hevitra atolotra fa tsy manaratsy izay vita fotsiny.hany ka izay tsy mahazo toerana dia lasa mpanohitra miwawa fotsiny.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2207