ARETIN DAMOSINA TSY METY AFAKA

1. tianarivo ( 24/03/2004 19:10)
NY mpisangisangy aoka tsy hananihany fa zava dehibe ho an'ny fiainako ity.
MISAOTRA TOMPOKO

Efa ho 4 taona mahery aho no narary lamosina nefa toa tsy nety mihintsy ny fitsaboana azy. Dokotera, Professeur, Mpanotra tsy dia mbola afa -po. Menaka isan-karazany RIRA, Homeopharma, RSTSIMAMANGA, dia mbola eny foana. Mety courbature anatiny ve ? Radiologie, Echographie, Analyse selle et urine tout plus ou moins centaine dia mbola tsy afaka foana fanafody Fer, Clcium, Magnésium, dia mba mila hevitra eh.
fa misaotra mialoha ny mpananihany dia misaotra ihany koa ny olona sérieux sahady izay hamaly an'ity.
Ho tahin'ny Tompo anie ary hifindran'ny aretina izay hananihany.
novalian'i rata88 ny 26/07/2012 11:29
2. ikaretsaka ( 25/03/2004 09:09)
jereo koa ny tsokandamosina sy ny hozatra fa mpahazo azy io
3. drtriniti ( 25/03/2004 16:36)
Tena mahavalalanina mihintsy no mahita ireto dokotera (Prive) be dia be eran'ny tanana (Tana) ireto. Ka izany no nahatonga an'ahy hanontany anareo mhntsy hoe: Ahoana no tena amantarana fa tena mahay marina ilay dokoter?? Mety hamaly ianare hoe: Dokotera ve izy dia tsy mahay! Fa izao mantsy:
Nitondra an'i Famille koa iray izay aho tany @ dokotera fa tsy salama izy. ary ny nahagaga dia samy manan'ny filazany ilay dokotera ary misy aza tena mifanipaka mihintsy. Ka izay no antony hilazako anareo ilay zavamisy: Tena mahay ve ry zalahy ireo???
Tamin'ireo rehetra ireo nivoaka ho Radoko: Ahoana no fomba namoahana an'azy ireo?? Sa ve rehefa nahavita 5 - 7 taona teny @ FAC fotsiny dia avoaka rehefa avy eo?
Raha toa ka misy dokotera na Psyco na ohatr'izany ato mba afaka mamaly dia hisaorana an'zy mialoha.

Misaotra betsaka daholo
4. kally ( 25/03/2004 16:09)
Misy ny dokotera tsy mahay eto amintsika,mampalahelo nefa dia izay.Misy koa ny milalao marary,fantany ilay aretina fa fanafody tsy tena natao hanasitrana an'ilay izy no omeny anao (efa aloa miaraka @ fizahana moa ny vidin'io)dia rehefa marary iaano dia miverina any aminy foana,ary mazava ho azy isaky ny miverina ianao dia mandoa vola,izany hoe noho ny vola dia izay no ataony.
5. kally ( 25/03/2004 16:15)
Tohiziko eto moa fa lava!dia narary ny dadako indray mandeha,raha marary any anaty ianao ny zavatra tokony hampanaovin'ny dokotera voalohany angamba dia ny fitarafana,tsy nataony izany fa lazainy tsy ilaina,nandritry ny roatokom-bolana niverimberina tany foana ny dadanay satria zahany isaky ny roa andro,ny vola aloha ihany.farany nahatsiaro tena reraka sady narary izy,teto Tanà io an,lasa nakany Antsirabe nankany @ hôpitaly ao moa misy betsaka dokotera mahay,avy hatrany dia nampanaovin-dry zareo radio ary tsy maintsy nodidiana ny harivan'iny maika dia maika,efa saiky tara loatra hoy zareo.Ka mampidi-doza;Ny ahy ny torohevitro dia ny dokotera efa talohaloha ihany no andehano fa ny dokotera vaovao nivoaka taty aoriana ny ankamaroany tsy azo itokisana loatra.Misy angamba ny mahay ary miala tsiny aho fa tsy nahita !
6. tianarivo ( 26/03/2004 13:54)
Marina daholo aloha izany fiteninareo azy izany é.
Donc KALLY any Bira zany no tsara hoy ianao ?
Marina mihintsy fa isaky ny mankany @ dokotera ny tena taloha dia vola, efa ho presque im-10 izy nampanao analyse ahy amin'izay le même analyse fa jerevana hono ahoana ny fiovaovan'ny rà - ko anatin'ny 24 h.
DIa tsy nanohy intsony moa aho. Amin'izay dia any @ institut pasteur ihany hono ny anaovana azy fa tsy mino ny an'ny sasany io io.
Professeur ndray aloha ny nampanao an'izay e.
RADIO, ECHO efa natao daholo dia izany SCANNER izany no tsy mbola nataoko fa dia LAFO moa ny fanaovana azy dia ny RADOKO sy NY PROff. moa tsy mbola nisy nampanao tsy fantatro ny amin'izao.
Fa na remède Gasy sy azo ampiasaina mba hahafaka an'io anie no anontaniako raha misy azfaka mamaly é.
MERCI MERCI
7. ikaretsaka ( 26/03/2004 16:14)
dia ny fanaovana azy dia tonga de teneninalay dokotera heo ataovy radio aho ataovy bilan an izao aho ,, fa tsy miandry izay lazainy eo .. raha manda izy de tsy izy izy izay
8. kally ( 26/03/2004 14:55)
Tsy afaka hiteny anao aho hoe any Bira irery no tsara satria miankina amin'ny aretinao io,samy manana ny aretina manavanana azy koa mantsy ny dokotera,fa ny tsara dia ny manatona dokotera efa zokinjokiny ireny na efa ela niasàna t@ hôpitaly.Tsy hay mety sciatique no mahazo anao,mihetsika izy io rehefa vizaka na mangatsiaka,ary indraindray dia tsy afa-mihetsika mihitsy mandritry ny herinandro raha tratran'io,karazana rhumatisme izy io nefa koa mety avy @ diabète.Aleo anefa manatona mpitsabo mahay sao misy sakafo tokony ho fadiana koa.
9. ikaretsaka ( 27/03/2004 12:01)
ka zay hoa.. i dokotera forcena hoe tsy atokisako znay dokotera hoe fa aleo aho hanao analyse ihany
10. kitjo ( 27/03/2004 13:12)
tsisy oh manao analyse rht rht io
fa za ko narary lamosina fona refa mitsangana ela2,mipetraka ela2,......
d nataon dr oe pbm nerf ciatik, kanjo nony aveo narary loha fona, d avy @ilay loha le izy sady nisy contraction hozatra tao @hatoka fa scanner sy IRM vao hita

11. ikaretsaka ( 31/03/2004 20:14)
la izay.. ny anay aty aza ohatra hoe ratsatanana voagaoman'ny baolina basikety dia mandeha daholo ny analyse rehetra
12. angie ( 01/04/2004 11:15)
Ka samy hafa kosa ange ny situation e.
Tianarivo> ary aza adino ny mitondra ambavaka izany na ny dokoteranao aza mbola tsy mahay eo antrehan'ilay nanao azy.Dia mahereza.
13. rfanjav ( 02/04/2004 07:14)
Ny tiako tenenina d izao, tsy fantatra izay mahazo anao, fa sao kosa Tianarivo ka resaka fandriana sy kidoro fotsiny io,

tsy manaratsy kidoro gasy aho fa tsy d tsara ireny kidoro éponge ireny, tsy manitsy lamosina fa mampi"courber" azy fotsiny sady marary !

Fa maninona raha manandrana an'ilay "cure thermal" any Antsirabe e, ohatra ny mba tsara ireny, tsy dia misy fanafody fa mihotra sy milona @ rano mafanan'Antsirabe mandritra ny fotoana voafetra fotsiny, misy dokotera manaraka mihitsy any !
14. angie ( 02/04/2004 09:48)
marina koa io soso-kevitra io, raha za ihanao andramana fa na tsy ho an'ny lamosina aza tena mahasalama.
15. ikaretsaka ( 02/04/2004 18:54)
jereo daholo daholo mihitsy e.. sitrana ihanyny farany
16. kitjo ( 09/04/2004 14:19)
ie,hafa mitsy io hatrany an-tanana io lo e,na vizaka fts aza,,hhmmmm

fa misy antony bdb io fa misy ol ts mahazaka ny ranomafana ko,mety oe manana pbm fo ohatra, fa d manatona DR iany fanafodiny d enao mi proposer oe oany @ ranomafana
17. ikaretsaka ( 09/04/2004 22:56)
fa raha vao dokotera ilay hoe marary maso dia paracetamol aloha dia mailomailoha
18. rfanjav ( 13/04/2004 08:16)
ka ahoana kosa ary aloha no ahafantarana hoe iza no dokotera mahay, na iza no tsy mahay ! tsy hisoratra eny @ tampon-kandrina iny akory !

sa d hanandrana dokotera isaky ny mihetsika izany, na hanao pile ou face ?

raha hanaraka izay atoron'ny olona indray, mety nahomby na mba sendra t@ spécialité-ny le dokotera ohatra nitsabo ilay olona d mba sitrana le marary, fa tsy voatery hahomby aminao !
19. ikaretsaka ( 13/04/2004 22:34)
raha tsy sitrana ianoa apres ny no traiteny na fantatrao fa fanafody kilaoly kos no omeny dai mailo ianao e
20. rfanjav ( 15/04/2004 08:55)
efa sady lany vola zany enao nankany aminy no lany fotoana ko !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2206