Ahoana ilay fihetsiketsehina rahampitso

1. amfhaja ( 19/03/2004 13:39)
Raha izaho manokana dia tsy mankasitraka ilay fihetsiketsehana io satria: ianao ve efa teo amin'io fitondrana io, inona no mba vitanao teo? ary raha hampihakatra ny karama ianao, amin'ny fomba ahoana
Izaho aloha tsy dia maheno vaovao firy fa izay vaovao izay ihany no mba henoko ka nahatonga ahy hitondra hevitra ato anatin'ny namana.serasera
novalian'i hendry ny 24/03/2004 14:57
2. kally ( 19/03/2004 14:00)
Fandrebirebena vahoaka indray io.Fantatra mantsy fa ny karama no fomba anintonana ny vahoaka.Araky ny voalazanao hoe firy taona teo @ fitondrana tsy nahalala nanao an'izany.
3. kitjo ( 19/03/2004 19:17)
fa iza hono no hanao inona??
mba tantarao oe fa zay tara b le
4. amfhaja ( 20/03/2004 15:30)
Ry Zafy Albert ry Kitjo a! na CRN
5. hendry ( 20/03/2004 13:00)
Tsy mahagaga, ny mampalahelo fotsiny dia misy olona manaiky ho voatarika sy voarebireby @ lay izy.
6. ikaretsaka ( 21/03/2004 11:49)
ka io ilay hoe omena vary 1 kapoaka dia efa iova safidy araka ny vazon'i sareraka
7. kitjo ( 21/03/2004 09:53)
tttsssss,hanaraka iany v d iny? tsy aleoko mankany @ zoo mitsangatsangana refa samy tsisy atao

D inona kay hono no nataon zareo e?? sa d resabe hanakorontana fts oh mahazatra
8. hendry ( 24/03/2004 14:57)
Zaho tsy mankasitraka ilay fitaomana olona sy fanakorontanana ny fitondrana satria mbola tsy tapitra ny fe-potoana itondran´izy ireo ka tokony avela aloha izy hiasa.
Fa ny tsy azoko dia ity: tena fanankorontanana marina ve ny tian´ireo olona ireo atao? Ahoana no ahafahana manaporofo zany raha tsy niheno zay nolazainy akory? Ny ahy zany any @ fahalalahana no tiako asiana teny e. Maninona raha avela hilaza ny heviny zay manan-
kambara dia rehefa hita hoe hiteraka korontana ny zavatra lazainy vao sakanana izy. Sa efa fantatra mialoha zany, t@ alalan´ny inona?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3716