Inoanao ve ny angatra na lolo ??

1. bix ( 16/03/2004 14:22)
tena zavatra nisy ity ho lazaiko anao ity , raha nandeha iny lalana mankany ambohimanarina iny izahay indray mandeha izay izany hoe tsy dia ela loatra ihany akory dia , amin'iny valava an'Andraharo iny dia akory ny hagagana raha nahita fiara tsy misy mitondra kanefa mirimorimo be izany hoe mandeha eo @ 80 à 90 eo ho eo rehefa nandeha anefa izy nomena lalana avy hatrany dia gaga indray izahay fa somary nandeha moramora indray ilay daba mbola tsy sur ihany anefa izahay tao anty fiara fa mbola nihevitra fa hoe noho izy mandeha mafy no tsy dia nahitana ny olona tao anatiny , kanjo rehefa nijanona tampoka ilay izy dia vao mainka gaga fa tsy misy na dia olona 1 aza tao anatiny (marihiko kely aloha ) fa ny andro dia @ 1h du matin mahery eo hoeo , izahay koa somary efa mamomamo kely daholo fa tsy dia tena mamo be ary ny mahagaga anefa dia nijanona mihintsy izahay nijery azy satria izy koa dia nijanona , teo vao samy nikoropaka fa hoe tsy ara-dalana ity zavatra ity , izy moa amin'io dia eo ampovoandalana no mijanona , lasa anefa izahay nirifatra ary ny tena loza koa dia mba lasa koa izy nanaraka avy aoriana ny mahagaga anefa dia vao nanomboka niakatra iny ambodivoronkely iny izahay dia tsy hita ilay fiara isaorana aloha ny avo fa tsy nisy tohina izahay rehetra fa ny programa saika ho any @ cascade Ambohidratrimo no rava teo ny mody aty tana rehetra tsy nisy sahy niverina raha tsy maraina , marihiko ihany koa fa ilay fiara dia marque 205 menamena 2 porte izay ilay izy , izay no lazaiko anreo fa tsy nino aho taloha fa rehefa nahita dia fay tandremo lehiretsy eh !!! asa inona no mety ho hevitrao aloha fa dia izay ilay tantara .
2. ikaretsaka ( 17/03/2004 10:39)
Raha efa "mpirimorimo" amin'iny RN7 iny ka mpi lava alina dia mahita hita resaka anfatra sy lolo ohatran'izany koa.. betsajka tokoa iny lalana iny
3. rasta ( 17/03/2004 11:01)
Misy ny angatra na ny Lolo. Ary misy antony matoa mitranga aminao ilay izy. Tsara rehefa mino. Za zao koa dia efa nipotra'ireny saingy tsy natahotra aho satria tsy naninona ahy ilay izy.
4. hendry ( 17/03/2004 15:09)
Zaho aloha tsy mbola nisehony ary tsy maniry koa. Tsy haiko na mino aho na tsy mino satria lafiny iray maheno ny zavatra tantarain´ny olona marobe niaina zavatra tahak´izany dia toa hino, nefa amin´ny lafiny iray ndray toa tsy mety mino zany. Tsy haiko e. Mba tantarao hoe ny fisehony ho an´izay efa nisehoany.
5. hendry ( 17/03/2004 15:13)
Ny zavatra niainan´ny dadako no tantaraiko eto. Niambina olona marary hono izy, ilay trano nipetrahan-dry zareo trano Ntaolo somary mivoaka kely ny ville. Rehefa nanomboka misasakalina dia nahare feo mikapokapoka any ambony rihana izy. Ny marary midelira etsy andaniny. Niakatra tany ambony nijery zay zava-misy nefa tsy nahita n´inon´inona. Nony tonga any ambany ndray nefa dia ndray misy mikapokapoka sy manisaka ny entana any ambony. Nijaikojaiko hono izy niakatra ary vantany vao tonga ao amin´ny efitra ary mandrehitra jiro dia mangina toy ny tsisy n´inon´inona.
6. hendry ( 17/03/2004 15:14)
Dia toa izany foana. Farany nandrasany teo amin´ny lalantsara, tsy nisy nihetsika ntsony, vao midina any ambany nefa dia njao ndray. Tena mahalasa adala hono a.
7. hendry ( 17/03/2004 15:18)
Ny tantara faharoa ndray dia notantarain´ny coiffeuse-ko: nandeha nitsangatsangana tamin´iny lalan´Ambohimangakely hono ry zareo andro alahady tolakandro. Ny olona milalao karatra ery ambony, ilay coiffeuse-ko lasa nidina teny amin´ny rano kely zay hanasa tanana fa avy nihinana fary. Teo am-panasana tanana hono izy gaga nahatazana vehivavy tsara tarehy avy lavitra tamy manantona. Noheveriny fa tsy ho eny aminy avy hatrany ilay vehivavy ka nanohy ny sasa-tanana izy, nony nierika fanindroany izy dia efa tsy dia lavitra ilay vehivavy ary tsinjony fa nisy labozia sy akondro roa teny an-tanan´ilay vehivavy io.
8. hendry ( 17/03/2004 15:21)
Tsy noraharahainy ihany fa noheveriny ho vehivavy tonga mba hanasa tanana na hanao zavatra eo amin´ilay rano dia nanohy ny sasa-tanany izy. Nony niherika fanintelony izy dia tsy tazany ntsony ilay vehivavy; ilay akondro sy labozia teny an-tanany nefa mipetraka soa aman-tsara eo ambony vato akaikin´ilay rano. Dia gaga ilay coiffeuse-ko, nitady lalana hitsoaka izy, nony tonga tery ambony izy dia nitazana ary hitany fa ilay labozia nirehitra ary ilay akondro iray voavaofy ka mipetraka tsara eo ambonin´ilay vato nefa tsisy olona mihitsy tazana. Ny andro koa nefa mandrivotra be nefa dia tsy maty ilay labozia. Mahagaga.
9. jhouhlambout ( 17/03/2004 17:57)
Dia nino ve i Hendry?
10. ikaretsaka ( 17/03/2004 18:09)
ny ahy indray iny lalana mianatsimo iny.. misy olona (ramatoa miarana kitondra harona mikopakopaka eo amina kihondalana anakiray iny Mandalahy raha zatra lava alina ka mpandeha amin'iny ianareo ka andro manjavonjavona izay . ary raha hijanonana dia tsy hita izay nalehany teo. raha tarafina @ retrovireur anefa dia io soamantsara. amin'izao fotoana dia nasian'ny colas fefy vato be eo amin'ilay toerana ary grotten'i masina maria.. raha tena te hijery dia mandehana iny atsimo iny.. indindra manamorona an'ambondrombe.
11. nananie ( 18/03/2004 10:56)
Za alou tsy mbola nahita ary tsy fanatatro raha mino na tsia.Fantatro fotsiny fa feno zavatra hafahafa eto @ ty tany ity.Ohatra fotsiny we ny olona misy tromba, ary efa nahita aho.
12. nananie ( 18/03/2004 10:58)
Fa miverina @ le resaka teo aho.Teny Ambohimangakely hoy hendry? Eny @ iny toerana iny hono misy olona manasina sns...Ary sao dia mba iray @ ireny olona ireny ary zany ry Hendry.Satria raha ho lolo ve dia sahy hanantona andro atoandro eo izy?
13. nananie ( 18/03/2004 11:05)
Fa ity koa misy tantara nitranga tao Tamatave. Nisy ranga hono nandeha nanao mission tany, niharaka tamin'ny mpiara-miasa aminy.Nony tonga teo an-toerana ry zareo, dia nitady hotely.Anakiray zay no hitandri-zareo, fa ny iray t@ le mpiara-miasa taminy tsy nety niditra tao fa we malaza misy lolo hono le izy.Tsy nohenoin'ilay rangah anefa izany, fa niditra naka hefitra izy.Ny andro raha teo efa alina ka efa tsy andriny izay atorina.Ilay mpiara-miasa aminy lasa nandaha nitady hotely hafa.
14. nananie ( 18/03/2004 11:10)
Fa nony natory hono le rangaha, dia niodina ho azy ny ventilateur.Gagagaga ihany izy fa tsy niraika satria noheveriny hoe misy pb teknika.Novonoiny ilay izy, dia niverina natory izy.Fa hafaka 30min, dia njay fa henony nisy nisintona moramora ny lambany.Nosotominy ilay lamba, fa dia in 3 angmba dia ôtr'izany fôna.
Tezitra le rangaha satria efa reraka, ary nikikiaka be hono izy hoe "avelao amizay za atory fa andana enao mandeha any".Fa tonga dia nijanona hono ho woa!
Ny ampitson'iny, niharaka natory tao izy sy ny mpiara-miasa aminy, fa tsy nisy in in.
Hafahafa e?!
15. nananie ( 18/03/2004 11:15)
Ramatoa zay ndray no nitantara ahy hoe avy nandevina ny dadany hono ry zareo; dia nony tonga ny alina; tsy fantany raha nanofy izy, na tena nipotra taminy lay dadany; fa niteny taminy hono izy hoe: andàna jereo ny zanakao fa sepotra atsy @ hefitra ambadika atsy!Nitsangana hono izy nijery an'ilay zaza, dia hitany tao fa kay nilatsahan'ilay moustiquaire le zaza dia sepotra.Soa ihany fa tsy maty.
16. ikaretsaka ( 19/03/2004 12:30)
mpitranga matetika io
17. nananie ( 19/03/2004 14:59)
Ka mety hoe nofy ve zany le izy ry Karetsaka sa tena nisehoan'ny dadany lay ramatoa?
18. kitjo ( 19/03/2004 18:49)
misy toerana fiofanan'ny pasitera ao Antsirabe d zareo koa hono mahita foana fa isan-kariva d miaramilahatra eo @ biblio eo d tsy hita mitsy ny tavany,d tsy hita ko ze alehany rfveo,
Fa efa tsy mampatahotra tsn le izy fa mandehandeha eraky ny tokotany vao manomboka maizina ny andro,
"Mlle be botte"hono anarany fa miakanjo mainty b d botte lava b mainty b koa, fa tena misy aloha le izy znay ny conclusion e
19. hendry ( 20/03/2004 14:04)
jhouhlambout> toa mino tsy mino zany aho.
Tantara iray tena nisy koa, @ iny lana hiakatra an´i Mausolée (Fort Duchesne) iny, misy trano be lasa fivavahan´ny mormon moa izy zao. Saika hatao biraon´ny Somagi ilay izy. Efa ampolon-taonany maro no nanorenana ilay trano fa tsy nety vita. Isaky ny misy mitady hanohy ny asa dia misy loza mitranga foana Ilay mpiandry tao no nitantara fa isaky ny alina hono misy manakotaba foana izy, mikapokapoka, migodogodona sy ny sisa. Taty aoriana aza dia kômôriana roalahy miaraka vady aman-janany no sisa tafapetraka tao fa ny gasy tsisy sady niditra ntsony.
20. hendry ( 20/03/2004 14:06)
Rehefa nijanona an-taonany maro tsisy mpikarakara teo ny tany
( satria kivy ny tompon´ny tany fa sady namoy ain´olona maro ny fikitihana ilay tany no tsy mety vita) dia namidy. Ry zareo mpivavaka môrmôn no nividy ny tany ary nahatsangana trano vaventy be ataon´izy ireo fiangonana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3586