Voasambotra ny depioten' Ikalamavony

1. 2689 ( 09/03/2004 16:50)
Vaovao tamin' ny gazety androany 9 martsa : Nisy namono ny manamboninahitra lehibe iray tao amin' ny zandarimaria! Mpanao vola sandoka no tompo-marika tamin' izany ary voasambotra ny vitsivitsy tamin' izy ireo. Anisan' izany afrikana iray sy ny Depioten' Ikalamavony dia ny rahalahin' Ingahy Pety Rakotoniaina. Mody gisa be ny gazety eto an-toerana mitatitra ny vaovao kanefa toa raharaha goavana ihany izy izany ary ahiana ny hanovan' ny MFM ity resaka ity hoe politika indray! Izay manam-baovao marim-pototra mba tantarao eto. Dia asio "commentaires" sy izay eritreritsika momba izany!
novalian'i kitjo ny 19/03/2004 19:23
2. ravatorano ( 09/03/2004 18:53)
ny fantatro dia fiaran'i Haja zandrin'i Pety aloha lé 4x4 nentin'ireo olona fa tsy voalaza koa fa voasambotra ilay depiote voalazako anarana io ary dia ialako tsiy aminy izany.
Araly ny fa,tatro koa dia raha tratra ambody omby lé depioté dia azo anaovana fisamborana ka ny membre ao amin'ny bureau permanent ny assemblée nationale no manala nny immunité parlementaire-ny.Mbola andrasana izany ny tena vao² maripototra momba izany ary satria ny gazety dia tena mody gisa be dia misy antony koa ve ao ary é ?
Ny MFM aloha tsy hiteny mihitsy fa raharaha politika indray io efa kapitenin'ny zandarima ve no maty voatifitra teo amin'ny fihirifany dé mbola politika ihany.
Zay no azoko ambara aloha
3. ravatorano ( 10/03/2004 19:55)
voamarina fa dia ny deputé Herihajaina Randrianirina voafidy tao Ikalamavony ary malaza fa zandrin'i Pety dia voasambotra niaraka tamin'ilay fifanjevoana teny Amboajombe ka nahafaty ilay kapiteny avy tao amin'ny brigade de recherches zandaramaria Fiadanana eto Tanà.Tratra en flagrant délit izany zalahy io koa dia miala ho azy ny immunité parlementaire-ny , satria tao anatin'ilay 4x4 izay azy rahateo izy no voasambotra ny alin'ilay gidraka.
Marina ny an'i Jeneraly Andrianasolo raha tsy manaiky ny handefitra manana ny rariny sy ny marina sao mantsy misy sahy hivadika ka hitsikombakomba amin'y malaso insray.
Dé ny fitsarana no hanadihady ny fahamarinana.Miandry ny vokatry ny fikarohana ilay tena nitifitra isika mianakavy fa nisy aina iray nafoy saingy lé pistolero afaka nipitsika .
4. fijo ( 12/03/2004 12:09)
na tsy izy aza no nitifitra.
ny maha azy ilay fiara nampiasaina dia efa fiarahana mitsikombakomba tao.
ary ny nahatratrarana azy tao tamin'io fotoana io,dia vao miha manamafy ny fandraisany anjara momba ilay raharaha.
ny "complice" anefa dia mitovy sazy amin'ny nanatanteraka ilay zavatra,koa dia tokony hiantra aminy ny sazy mendrika io heloka vita io.
raha tsy hoe hisy resaka politika ambadika indray,nefa dia ny fahatokisan'ny olona ny fanjakana no hirodana amin'izay.
5. kitjo ( 19/03/2004 19:23)
toa tsy misy sahy miteny hono fa efa tratra ambodiomby zao ko,
i Voninahitsy no mahita oe "pris au piege"hono lery,vavao reko io,asa aona ny tohiny tao!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2328