"Finoana" ny tsy hita maso ?

1. librepenseur ( 08/03/2004 12:02)
Ny hita maso sy voaporofo dia "ZAVA-MISY" no hiantsoana azy, na misy aza anefa dia tsy voatery ho voaporofo.

Ny tsy hita maso kosa dia "FINOANA" tsotra izao no hilazana azy, na nisy na tsy nisy, ary na voaporofo na tsia dia lazaina fa nisy, misy ary hisy...

Amiko dia ny fahaizana mandinika, famakafakana ary fandalinana ananan'ny tsirairay no tokony hamaritra ny fitombenan'ireo toe-javatra roa ireo. Sa ahoana ?
novalian'i angie ny 02/04/2004 10:38
2. ikaretsaka ( 08/03/2004 17:34)
izay ilay hoe za mino an'andiamanitra .... nahary ny lanitra sy ny tany ary ny zavatra rehetra na ny hita maso na ny tsy hita! (credo)
3. jhouhlambout ( 08/03/2004 18:11)
-Ny hita maso sy voaporofo dia "ZAVA-MISY",
Tsy voatery: Izaho mbola tsy nahita maso izany planète Mars izany!
Nefa midika ve zany fa tsy misy izy?
4. ikaretsaka ( 08/03/2004 18:28)
angaha tsy nijery telescope i Jhoul
5. solofo ( 09/03/2004 10:45)
Manana vavahadin-tsaina 5 isika:
-fahitana
-fanamboloana
-tsiro
-fahatsapana
-fandrenesana.
Izay azontsika fantarina @ alalan'ireo dia misy, fa iray @ izany fotsiny ihany ny "fahitana", ka tsy tokony ho ferana @ hoe "hita maso", raha tsy hoe fomba fiteny ihany angaha ilay "hita maso".
Ny zavatra tsy tsapantsika @ ireo nefa azo porofoina dia misy koa.
Izay zavatra SADY TSY azontsika fantarina @ ireo NO TSY mety porofoina, dia mety misy, NA mety tsy misy.
Ary ny zavatra SADY TSY azo fantarina @ ireo vavahadin-tsaina ireo NO TSY mety porofoina na mbola tsy voaporofo, NEFA ekena ho marina, no finoana.
6. tia_ery ( 09/03/2004 09:08)
Azo lazaina ho izany daholo aloha nefa tsy dia izay loatra angamba no mahadika na mahalaza ny atao hoe FINOANA.

Raha ny Soratra Masina manokana dia manana izay ambarany dia ny hoe ''ny FINOANA no fahatokiana ny zavatra tsy hita ary FANANTENANA ny zavatra ho avy''. Tsy mihanona fotsiny eo amin'ilay TSY HITA maso fotsiny ny finoana fa mifototra tanteraka amin'ny FANANTENANA fa misy marina iny na dia mbola ho avy aza.

Ambara ihany koa araka ny Soratra Masina fa : ''Ny FINOANA dia avy amin'ny TORITENY ary ny toriteny dia avy amin'ny TENIN'I KRISTY''.

Raha ireo roa ireo fotsiny no hambara dia efa mahadika sahady fa misy izay iatombenan'ny ny finoana fa tsy mipetraka amin'izany hoe izay rehetra TSY HITA na TSY VOAFARITRA dia lazaina fa izay no atao hoe FINOANA.

Sôtra eh!

7. librepenseur ( 09/03/2004 09:14)
Raha hitantara zavatra iray aminareo aho:
Nisy accident, 3 maty, 1 naratra mafy, tonga dia hino ve ianareo ?
8. tia_ery ( 09/03/2004 09:55)
Inona moa no antony tsy hinoana an'izany !!!! Ohatra ny évenement rehetra ihany izany.

Ny mahatonga ny hafa mety hisalasala dia ny hoe ilay olona mampita an'ilay ''hafatra''.

Ka raha misy tsy mino an'izany dia ianao ilay milaza no mety tsy hinoany na mampisalasala azy.

Fa hainao moa firy cm ny elanelan'ny marina sy ny lainga ?

Sôtra e!
9. librepenseur ( 09/03/2004 10:10)
Raha raisina ohatra ny filazam-baovao roa na maro milaza io toe-javatra io:
Ny iray milaza fa 3 no maty, 1 naratra mafy
Ny faha-roa milaza fa 3 no naratra mafy, 1 no maty...
Ny faha-telo milaza ny fisian'ny accident fotsiny

Inona avy no tokony hataonao ?
10. ikaretsaka ( 09/03/2004 18:47)
dia ny inoako dia hoa nisy ilay accident... nisy naratra sy maty.. tsy raharahako izay isany!
11. jhouhlambout ( 09/03/2004 19:36)
>librepenseur: libre ny safidiko, izay tiako inoana sy metimety amiko no inoako, zany hoe: libre de penser...
12. librepenseur ( 10/03/2004 19:31)
jhouhlambout >
Fa tsy voatery ho izay tianao sy metimety aminao akory no marina...
13. tia_ery ( 10/03/2004 11:37)
Eto aloha dia tsara havahana ny hoe ''Filazam-baovao'' sy ny ''Fampahalalam-baovao''. Isika Malagasy moa malaza amin'ny hoe Be ny Valala ary ny Mpilaza koa mahay. Ny antsika ohatran'ny Boule de neige ny vaovao iray. Mitombo an-dalana ohatran'ny ..... Ary izay no manahirana mihintsy. Tsy mihezaka isika hampita vaovao fa mihezaka isika ny ohatran'ny hoe nahita sy nhaina an'ilay trangan-javatra dia mahavatra ny mamoron mihintsy. Ary misy karazan'olona manana an'izay toetra izay mihintsy; tsy dia loatra ilay hampita vaovao no mahamaika azy fa ilay fiandrandrana fa hoe ''tena à la page'' izy amin'izay rehetra misy.
Ka eo no mahatonga an'ilay ''fiovan'ny tranga'' na koa ''fitomboana an-dalana''.

Sôtra eh !
14. jhouhlambout ( 10/03/2004 11:47)
Dé inona izany ny tena définition ny hoe marina?
15. librepenseur ( 10/03/2004 11:52)
Raha ilay sujet no itodihana dia azo lazaina fa mety hisy mihitsy noho izany ny fahadisoana amin'ny fahafantarana ny zava-misy iray izay tsy eto amin'ny tanin'ny Malagasy irery ihany no misy tahaka izany, ka eo mihitsy no tiana hitaritana ny sain-tsika !
16. fijo ( 11/03/2004 12:20)
marina izany.fa rehefa misy porofo dia izay no lehibe.fa tsy izay voalaza.
17. gloom ( 19/03/2004 18:56)
Ny « finoana » dia niainga avy amin’ny foto-teny hoe « mino » ka matoa mipetra ny fanontaniana hoe mino ve ianao dia mazava ho azy izany fa zavatra tsy hitanao maso sy tsy azonao porofoina amin’ny maha olombelona anao no resahina.
Fa zaha zava-misy azo porofoina sy hadihadiana dia tsy tokony ho ny « finoana » intsony angamba hoy aho no ho voambara voalohany fa kosa ny hoe « marina » ve sa « diso » io ambaran’ny oul iray na seraseram-pifandraisana na filazam-baovao sns …io , rehefa voavalinao izay vao afaka miteny ianao hoe « hinoako » na tsia io voalaza na zava-niseho io

18. librepenseur ( 19/03/2004 19:21)
Tsara ho fantatra fa misy ny atao hoe finoanoam-poana, izany hoe mety tsy mitombina sy tsy misy mihitsy kanefa hinoan'ny sasany.
Eo mihitsy anefa ny olana satria maro no voafitaka...
19. ikaretsaka ( 23/03/2004 09:12)
ka ny finoanao no mahavonjy anao ko
20. librepenseur ( 23/03/2004 17:17)
Minoa fotsiny ihany ary dia ho voavonjy ianao na dia tsy voaporofo sy tsy voamarina ary fa mitombina ho an'ny olombelona rehetra izany e !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3655