Sur'eau

1. xxx ( 05/03/2004 18:26)
Asa leiretsy, fa dia tena dradraina fatratra mihintsy ny hoe antapitrisany litatra ny siro lany. Ny tena mba somary mampalahelo anefa dia ny olona an-drenivohitra izay misotro rano avy amin'ny JIRAMA efa misy eau de javelle ihany no tena mpampiasa ny sur'eau. Tokony mba ampianarina ny olona fa ny ranon'ny JIRAMA anie ka efa madio, ary anaovana fanamarihana isaky ny telo ora eh. Izaho aloha dia tena variana mihintsy amin'ny fahamaroan'ny sur'eau amidy amin'ny tanan-dehibe. Tena tsapako hoe tsy nahazo fananarana ny olona fa nionona fotsiny tamin'ny dokam-barotra. Ny olona any Ambanivohitra moa dia tsy mampiasa io koa noho ny tsirony.
Ka manontany tena aho hoe ilaina marina ve ny sur'eau sa ny ranon'ampango no tokony atao be?
novalian'i sejianis ny 13/04/2004 15:45
2. hendry ( 06/03/2004 19:53)
Fanontaniana mipetraka tsy azo valiana mitsangana.
Tsara fipetraka ilay fanontaniana saingy iza moa zany no tena tokony iantefan´ilay izy?
Ny ao aminay manokana aloha tsy mampiasa e, satria efa somary nahatsinjotsinjo ihany fa toa misy resaka "marketing" ilay izy. Miala tsiny raha diso fihevitra izahay ka milaza zany fa i Dadanay dia nilaza an´io ary tsy nazoto t@ fampiasana azy akory.
3. pitchou ( 06/03/2004 13:45)
izahay aloha mampiasa betsaka mihitsy satria rano avy @ fatsakana ny anao e! atao mihoatra ny daozy lazainy aza ko!
4. ikaretsaka ( 08/03/2004 20:24)
ka izay no maha marketing an'ilay izy... any andrenivohitra no voa cible satria any no be mpanjifasy mora ahazahoana vola bebe kokoa nefa ny any ambgani9vohitra matsaka any ampatsakana sy andoharano no tena mila
5. kally ( 08/03/2004 12:44)
Ary nahoana tokoa ny Jirama no tsy mitory ny sûr'eau amin'izany?Fanalàm-baraka ny asan'ny Jirama anie izany e!Matoa ampiasaina ny sûr'eau dia toy ny midika izany fa tsy azo itokisana ny ranon'ny Jirama.Izany hoe eto amintsika moa tsy dia mifototra amin'ny hatsaran'ny rano loatra ny olona fa rehefa voatsinjara tonga any an-trano izy dia izay no zava-dehibe.
6. ikaretsaka ( 08/03/2004 17:35)
ka tsy an'ny jirama izany ko.. izay ilay fifaninanana malalaka. ohatran'ny sigara sy ny toak aihany io hoe ny anay no tsar aindrindra sia mifaninana eo aby
7. pitchou ( 08/03/2004 18:38)
an!an!an! tsy izany kosa r'ikaretsaka ilay izy ka! alefa matetika @ fampielam-peo ilay izy satria tsy ary ho voatety daholo ny ambanivohitra rehetra, nefa ny radio mahenika lavitra! ny appro fotsiny no toa manahirana @ toerana sasany!
8. ikaretsaka ( 08/03/2004 18:51)
ka izay.. tsy mivaky loha mi appro ny toerana sasany ilay mpanaparitaka ilay sur eau satria lafo kokoa ny vola ho lanniany @ izany. dia any an-tanan-dehibe no hatao izay hahalafosana ny entana dia mifaninaninana ao
9. sejianis ( 13/04/2004 15:45)
izy io ny tena marina dia dokam-barotra ahazoam-bola fotsiny, satria ny Jirama araka ny voalaza dia sensé hamatsy rano azo sotroina ho an'ny mpanjifa, ka raha tena miaro ny image-ny izy dia nosakanany avy hatrany io sur'eau io.
Ny rano any ambanivohotra indray dia tsisy tsara noho izy satria nt tany misy azy dia filtre tsara noho ny rehetra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1067