Le MARKETING DE L'EVANGILE

1. tia_ery ( 04/03/2004 12:32)
Eto aloha dia hihezaka ny tsy hilaza firy ny tenanay fa manantena sy miandry ny valin-teny avy any amin'ny tsirairay.

Sôtra eh!
2. vindy ( 04/03/2004 14:29)
fa inona le tena tiana hambara e?
3. donemaskit ( 05/03/2004 19:25)
ny aspect commercial-n'ny Evanjely ve ??
4. librepenseur ( 05/03/2004 19:35)
Ka io efa voalaza ao @ lohateny io ka inona intsony moa no ambara fa dia asakasak'izay hidi-bingo !
5. tia_ery ( 05/03/2004 09:46)
Ny MARKETING ange tsy dia ilay aspect commercial fotsiny ihany. An'isany ihany iny lafiny iny fa tena mila trandrahana io.

Sôtra eh!
6. hendry ( 05/03/2004 15:02)
Hidi-bingo @ ahoana moa ry librepenseur? toa mampitahotra koa ity enao koa.
7. unik ( 05/03/2004 19:40)
tsara anontaniana angamba ny fikambanana mampiely baiboly na lé mpivarotra baiboly eo am totohabato reo
8. hery ( 06/03/2004 09:41)
Ny atao hoe Marketing dia ireo tetikady ara-barotra hampielezana vokatra iray. Ny olona miandraikitra ny marketing izany ohatra no mitady fomba hanaovana dokambarotra, manao négociation etsy sy eroa... ny serasera izao ohatra dé misy miandraikitra ny marketing.
Ny marketing de l'Evangile, ara-kevitra fa tsy ara-bakiteny, dia ny fomba sy tetikady hanaparitahana ny vaovao mahafaly (tsy ilay boky akory no Evangile fa ny Hafatra). Amin'izao vaninandro izao dia tsy dia manao an'io marketing io loatra ny kristianina amin'ireo fiangonana lehibe. Ny sekta sy ireo fiangonana maoderina no tena ao anatiny. Anisan'izany ohatra ny fanaovana ny fomba rehetra hampahafantarana an'ilay fiangonana sy ny fitoriana ataony. Ny fanaparitahana ny anarana... dia mazava ho azy fa amin'ny farany lasa marketing-n'ilay fiangonana ilay izy fa tsy marketing de l'Evangile.
Tsara sy tokony hotrandrahana ny marketing de l'Evangile, saingy tokony tsy hivaona amin'io Evangile na vaovao mahafaly io. Raha lasa malaza moa ianao na ny fiangonanao dia vokatr'ilay marketing fotsiny zany fa tsy tanjona ka tsy misy olana... fa ny Evangile no atao lohalaharana.
Vokadratsiny ankoatran'io personalisation du marketing io dé ny extremisme.

Tsiky dia ampy.
9. librepenseur ( 08/03/2004 17:39)
hery>
Tsy mampitahotra velively aho fa milaza ny zava-nisy.
Izao mantsy: Ny fitoriana ilay vaovao mahafaly mihitsy no entin'ny sasany hitadiavam-bola, ohatra akaiky ny fidiran'ny finoana kristiana taty amin'ny tany afrikana sy amerika latine (fanjanahan-tany); teo ihany ny tafika, culture, sns fa io EVANGILES io koa no fiadiana iray nentin'ny vahiny ! Ny antony voalohany nahatonga izany dia noho ny harena sy vola ao amin'ilay toerana zanahina.
10. tia_ery ( 08/03/2004 20:50)
Ito vala famaritana anankiray amin'izay antsoina hoe Marketing. Iniana tsy nadika fa dia ampitaina ohatr'izay fotsiny :

1.- Le marketing est le mécanisme économique et social par lequel individus et groupes satisfont leurs besoins et désirs au moyen de la création et de l'échange de produits et autres entités de valeur pour autri.

2.- Le marketing consiste à planifier et mettre en oeuvre l'élaboration, ta tarification, la promotion et la distribution d'une idée, d'un produit ou d'un service en vue d'un échange mutuellement satisfaisant pour les organisations comme les individus.

Ireo misy filaza na koa mahakasika ny antsoina hoe marketing.

Sôtra eh!
11. librepenseur ( 10/03/2004 11:59)
Raha haravina izany dia ny fomba entina hitadiavam-bola misy ao amin'ny antokom-pinoana na fiangonana, ka ny filazan-tsara no fitaovana (ressources) entina hanatanterahana izany... mahavariana !
12. fijo ( 11/03/2004 12:27)
io voafintin'i librepenseur io no hitako fa mahalaza azy.
13. tia_ery ( 11/03/2004 11:34)
Tsy dia izay loatra. Mazàna ny Direction Marketing eo amin'ny orinasa iray no tena mandany vola betsaka indrindra eo amin'ny fitantanana.

Lafiny FILAZANTSARA no resahina ka ataoko angamba fa raha tena izay no hifotorana dia ilay maha FILAZANTSARA ny filazantsara mihintsy no tena foanana.

Tsy resabola aloha fa dia aleo tsorina eh!!!!


Sôtra eh !
14. librepenseur ( 11/03/2004 12:33)
Inona ny tanjon'ny olombelona miaraka @ finoany ?
valiny: fiarovana azy ety an-tany sy fankaherezana ho azy @ asa aman-draharaha sns. Izao anefa, raha ety @ samy velona no resahina dia matetika izay zavatra tsy vitan'ny olombelona tsotra (phénomènes paranormaux, force surnaturelle, sns) no mahatonga azy hanao izany. Noho izany, mety tsy ho resa-bola ara-bakiteny no tiana ho tenenina fa tombontsoa sy harena miseho @ endrika hafa izay azo lazaina fa MARKETING ihany ho an'ny mpino.
Ny tena tsotra azo handikana io resaka MARKETING de l'Evangile io koa dia ity: "Magie" satria ny zava-mahagaga rehetra tsy takatry ny sain'ny olombelona dia lazaina fa avy ao @ io Evangile io avokoa raha tsy hiresaka afatsy ny Nouveau Testament isika.
Noho izany, azo lazaina koa izany fa phénomène magique no handrasan-draolombelona ao anatin'ny finoany.
15. fijo ( 12/03/2004 11:40)
privatiseo ny fiangonana dia samia mivarotra ny finoany mba ahazahoana vola e.izay angamba no mety.
16. tia_ery ( 12/03/2004 19:26)
Ny marina di ilay atao hoe MARKETING no tsy dia mazava amin'ny sasany ka anindraindrainy hevitra tsy dia misy hifandraisany loatra amin'izay tian-kambara.

Ny MARKETING ange aloha dia mahasahana lafin-javatra maro.
Misy ny atao hoe Marketing de mode, misy ny hoe Marketing Industriel, ary ireo maro samihafa ...

Rehefa tsy voafehy fotsiny ilay lohahevitra dia ilaina ihany ny fahanginana indraindray fa aza mihevitra ny tsy ho takatra ka hiezaka hilaza zavatra tsy dia marina sy tsy mitombona loatra.

Sôtra ê!

17. librepenseur ( 18/03/2004 20:14)
Ny zavatra voalaza matetika dia tsy azon'ny olona. Ilaina ny fanazavana misimisy satria misy ny tsy fitovian-kevittra.
Tsy ny teny hoe MARKETING no problème fa ny fitambaran'ny hevi-teny nataon'ny mpametraka lohateny.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1515