Avia ry mpinu

1. tambatra ( 04/03/2004 20:45)
Mba hazavazavao kely hoe:izany fanahy izany ry mpinu o!
novalian'i fijo ny 11/03/2004 12:35
2. aladin ( 04/03/2004 11:49)
misy karazany ange le fanahy e!misy ny fanahy masina, fanahy maha olona fanahim-biby,.....
3. xxx ( 04/03/2004 12:00)
Dia ilay fanahim-biby ary hazavaina.
4. aladin ( 04/03/2004 12:02)
ny olona refa manao fanahimbiby de mitondra tena toy ny biby e!
5. tia_ery ( 04/03/2004 12:03)
Aleo mba valiana ihany ê!

Ny FANAHY aloha raha ny teny grika no hiaingana dia avy amin'ny hoe ''PNEUMOS'' raha adika dia hoe RIVOTRA.

Rivotra io ary tsy hita maso, tsy azonao tsapaina sy faritana. Ara-tsiansa ny olona dia niezaka namarika ny rivotra ho fitambaran'ny atomana Carbone sy Oksigéna. Fa raha ny heviny araka izay voalaza ao amin'ny Soratra Masina aloha dia betsaka no azo ambara.

FANAHY, na koa hoe âme, esprit, souffle de vie ... tena marobe ny teny azo andikana azy amin'ny fiteny hafa.

Fa hoy isika Malagasy ny hoe : Ny FANAHY no MAHAOLONA. Ilay antony maha olona ny olona tokoa io teo amin'ny Malagasy. Ary ny olona iray dia VATANA, SAINA ary FANAHY fa ambony lavitra ny FANAHY.

Maro ihany koa ny teny azo ampiarahina amin'izy io ka manjary ''PERSONNIFIER'' ilay izy ny heviny arak'izay.

FANAHY MASINA ohatra nanambarana an'Andriamanitra telo izay iray.

FANAHY MASINA ihany koa nentina nanambarana ilay hery noraisin'ny Mpino rehefa tonga amin'izay tanjona izay.

sns .... mbola maro be fa aleo aloha hatreo !!!!

Sôtra ê!
6. librepenseur ( 05/03/2004 19:48)
Ny Fanahy amiko dia mitovy daholo satria azo lazaina ho hery izy io (Energie) saingy tsy hita maso, tsy misy masina sy tsy masina izany izy ireo satria :
Ny fomba fampiasan'ny olombelona azy no mahatonga azy ho tsara na ratsy. Raha entina hamonoana olona ilay izy dia hoy isika hoe "fanahy ratsy", raha entina hamelomana sy hitsaboana kosa indray dia hoy isika hoe "fanahy tsara"
Raha fehezina izany dia azo lazaina ho Energie, Force, sns ny Fanahy.
Ny teny malagasy moa tsy dia mahazava loatra ny tiana hambara hany ka samy manana ny fandraisany azy koa ny olona tahaka ny fandikana ny baiboly. Ny teny malagasy izao dia miteny hoe "Fanahy" fotsiny kanefa @ fiteny frantsay dia misy ny "Ame", "Esprit", "Force invisible", sns
7. solofo ( 09/03/2004 10:54)
Mazava ihany ny teny Gasy, fa isika no tsy zatra mampiasa azy sy zatra manao "hitsin-dalana" tonga dia mampiasa voambolana frantsay.
Ny fanahy koa ohatra dia mety ho matoatoa, angatra, avelo, ... Nefa iray ihany ireo @ teny frantsay: fantome.
8. librepenseur ( 10/03/2004 19:45)
Ireo teny malagasy ireo dia misy nalaina avy amin'ny fitenim-paritra satria samy manana ny fiteniny azy ny faritra tsirairay.
Ny fiteny frantsay kosa dia mbola azo andikana ny "fantome" koa ny esprit errant, double, sns
9. fijo ( 11/03/2004 12:35)
voambolana izany fa ilay fanahy maha olona no resahina ary.izany hoe rehefa adala ohatra dia mbola misy fanahy sa tsy misy intsony.
ary rehefa maty??amiko rehefa maty dia vita izay,fa tsy misy fanahy mirenireny izany intsony.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1633