Green Card

1. oully ( 03/03/2004 10:08)
Mba hilazao ny mombamomba an'io hoe zaho ry zareo !!! Iza no efa nanao? sy efa nahazo?
Mahaliana ihany ve izy io eh?
novalian'i fijo ny 21/02/2005 22:12
2. hendry ( 03/03/2004 10:57)
Nisy namako nahazo an´izy io ary eo am-panatanterahana ny projet-ny @ zao fotoana zao. Andraso anontaniako izy.
3. tia_ery ( 03/03/2004 12:26)
Fa i Oully ve adala eh ?
Sa efa niova tanteraka.

Dao de Lafrantsa de ho any States ndray ve i kala eh ?

Aoka hoa zay !!!!

Sôtra ê!
4. oully ( 03/03/2004 13:14)
Misaotra an'i Tia_ery na dia tsy nahavaly loatra ny fanotaniako aza.
Dia miandry an'i hendry aho izany fa dia misaotra mialoha.
5. nananie ( 05/03/2004 15:25)
Za efa nanandrana ary mbola eto ampiandrasana ny valiny.Efa hatrany Dago aho no nahazo dossier.Izy io resaka tirage au sort isan'taona raha tsy diso aho.Tsy maintsy mandefa vola 35euros ianao, dia misy entreprise mikarakara ny dossier-nao.Ary milaza ry zareo fa hataony izay hazahonao an'io carte verte io.Ny olana, dia tsy mbola nanome valiny ahy ry zareo hatram'izao.
Misy namako gasy any New York mipetraka nilaza hoe tsy tokony hanantena be an'io satria matetika halatra no betsaka.
Zao zao ny ahy 35euros very maina fotsiny nefa efa ho roa taona zay no miandry.
6. hery ( 07/03/2004 17:23)
Misy ny American Dream hitako mikarakara an'io... efa misy manana info momba an'io ve,
http://www.americandream.de/f_greencard/

7. fijo ( 11/03/2004 11:14)
resaka mampandry adrisa io,fa mitandrema.ilay any canada no matotra raha te hanao.
tia ery.safidy ny an'i oully fa avelao izy halalaka e.
8. ikaretsaka ( 11/03/2004 11:23)
marina izany.. sitrapony ny azy na hivadika ho komorianina mizaka ny zom-pirenena sonegaly aza izy
9. nananie ( 11/03/2004 18:14)
Mba mahita lazaina mintsy ty Ikaretsaka ty :-)!
10. nananie ( 11/03/2004 12:06)
Inona le any Canada io ry Fijo?Le resaka bourse ve zany sa tena hoe mipetraka any mintsy?
11. fijo ( 12/03/2004 10:53)
mipetraka any mihintsy ka.
12. nananie ( 12/03/2004 10:32)
Zany angamba intéressant kokoa.Dia mety hazahona taratasy canadian zany?
13. kally ( 12/03/2004 14:40)
Na i Canada aza toa efa manahirana be ny mankany izao satria be dia be ireo eropeanina tatsinanana no te ho any koa,dia efa lasa sarotiny zareo tsy ohatry ny taloha.
14. nananie ( 26/03/2004 12:18)
En fait, ny fidirana any @ firenena occidental mintsy no efa mihasarotra zao.
15. fijo ( 14/04/2004 23:17)
raha fotsy ianao tsy olana fa raha vao manty dia olana daholo izay hatao.
16. ikaretsaka ( 15/04/2004 22:18)
raha araborabo endrika no tena vao mainka...
17. fijo ( 15/04/2004 23:29)
LOZA gravy.
18. nala ( 22/04/2004 12:11)
Aza mandanindany vola amin'izany r'ireto fa lalana hafa tadiavina.
na dia misy fianakaviana iray manontolo aza hitako nahazo an'io ary efa mipetraka any us amin'izao.
19. oully ( 22/04/2004 15:18)
fa maninona ry nala?
20. booboo ( 22/04/2004 16:09)
fa maninona marina
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6421