Ny hevitrareo

1. oully ( 03/03/2004 09:49)
Raha araka ny hevitrareo, rehefa ahoana no lazaina fa kristiana ny olona iray ?
novalian'i fijo ny 26/05/2004 23:42
2. hendry ( 03/03/2004 10:55)
rehefa mino an´i Kristy.
3. tia_ery ( 03/03/2004 12:02)
Fa misalasala be ny hany anga i Oully. !!!!

Tsy haiko na mamaha ny fanontanianao na tsia.
Ao anaty Baiboly ao dia fampias matetika ny hoe Kaldenita, hivita, nazirita, sns .... maro tsy voatanisa. Fa misy ihany koa ny hoe Kaldeana, nazeriana, sns ... . Ilay voalohany dia ilay olona manana fihaviana amin'ilay anaran-tanana misy azy.

Fa ilay faharoa kosa dia manana hevitra mifono fotokevitra; raha tsorina de ohatran'ny hoe mpanao pôlitika.

Ka raha hanontany ianao rahavako hoe :

''Raha araka ny hevitrareo, rehefa ahoana no lazaina fa kristiana ny olona iray ? '' dia tsotra be zany rehefa manaraka ny politikan'i Kristy de izay.

Ny olana betsaka ny misora-tena sy manindraindra fa hoe Kristiana nefa ny dikan'izany teny izany fotsiny aza dia efa tsy fantany. Mpanara-dia an'i Kristy ê! zao sy zao eh !!!! de ny maro tsy voatan'isa.

Tsarovy anefa fa ny nampiasana an'io teny io voalohany araka izay voasoratra ao amin'ny Asan'ny Apostoly dia tamin'ireo mpianatra. Ary izay ny pseudos niantsoan'ny olona azy.

Ao ambadik'izay ny hoe secte. Satria izay no zavatra niaraka sy noeritreretina tamin'ny nampiasana azy io.

Koa asakasakao koa !!!! Fa ny voa no hamantarana ny hazo sa tsy izany !!!!

Aza mody be fanontaniana eo eh !!!

Sôtra eh!
4. ikaretsaka ( 03/03/2004 19:59)
reehfa mino fa jesoa zia zanak'andriamanitra
5. donemaskit ( 04/03/2004 09:33)
rehefa miaina ao @ Fitiavana
6. six ( 04/03/2004 18:30)
ka misy olona tsy kristiana fa tia d ahoana?
7. jhouhlambout ( 04/03/2004 19:13)
Dé tia fotsiny!
8. tia_ery ( 04/03/2004 11:15)
Ny tena moa tena tia ka de adala
nanaiky anao tsy nihambahamba
Zarako aza ianao nanome fotoana
....
9. aladin ( 04/03/2004 12:00)
eh iiii!ry tia_ery koa tsssss! le hoe kristiana miaina ao anatin'ny fitiavana de izao:
tia ny namanao enao de tsy hanao ratsy azy hanampy azytsy hangalatra ny fananany na ni vadiny na ny sipany...
tia ny fiarahamonina sy ny manodidina anao enao de hanampy sy hifandray tsara aminy
de toy izany avokoa.

ka raha kristiana marina de tokony hiaina ao anatin'io "fitia agape" arak'ilay didin'i kristy hoe:" didy vao² no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo!"
10. xxx ( 09/03/2004 19:09)
rehefa mino fa i kristydia zanak'andriamanitra no kristianina amiko
11. jhouhlambout ( 13/03/2004 18:37)
Rehefa: mivavaka @ alahady, dia tsy mangalatra akoho @ Alatsinainy!!!
12. camkz ( 22/03/2004 17:29)
Misy maro ny fanasokajikajiana ny vondrompinoana'ny olombelona eto antany toy ny hoe kristiana ,miozilimana , judaisma ,sintoisme sns . Isika gasy koa tato ato dia lasa kristiana indrindra fa ireo mpitondra ambony rehefa eo imason'ny filohampirenena , asa any aoriana any raha hisy silamo hitondra eto dia ho lasa silamo daholo koa isika? tsetsatsetsa tsy aritra no ilazako fa io baiboly io dia efa nanesorana be dia be fa tsy ny tena originale intsony ASA na iza no sahy nanampy sy nanala io boky be io ? m'saotra eee
13. booboo ( 23/05/2004 20:01)
ekena tanteraka
14. fijo ( 24/05/2004 23:43)
izay,satria misy miaina manao ny marina fa tsy voatery ho kristianina.bodista ohatra.
15. yonikafopl ( 25/05/2004 01:27)
Amiko ny atao hoe TENA KRISTIANA dia ireo izay mino sy manara-dia an'i Kristy, ary manatanteraka izay rehetra nanirahany sy nadidiany izay tehanaraka azy mba hatao.
1: mino fa Kristy no ilay zanak'Atra nirahany hamony antsika olombelona
2: Izay maneho an'i Kristy eo @ fiainany isan'andro
3: izay mahay mitia ny fahavalony tahaka ny nitiavan'i Kristy na dia ireo izay nandrora sy namantsika azy aza

Tsy ny fanndehanana any ampiangonana akory no ilazana fa Kristiana ianao, tsy ny filanjanao baiboly, fa ny fanekenao tanteraka an'i Kristy hanjaka feno eo @ fiainanao manontolo .
16. fijo ( 26/05/2004 23:42)
ekena io,ary aminareo kristianina ve mba tafiditra an'izany fanjakan'ny lanitra izany ny hafa finoana sy ny tsy mino?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5953