Tatitra ofisialy fihaonana 15/02/04

1. hery ( 24/02/2004 10:39)
Tanteraka soamantsara ny fifampiarahabana tratry ny taona niraisan'ny fikambanana namana ny 15/02/04 teo
Ireto ny lisitry ny solonanarana voaray tamin'ny namana tonga tamin izany :
lucienr, voahirana, poupousy, djiulambout, eritreritra, mcz, aidan, sakapisobe, docteur, tintin, milou, grande-ile, rafilo, poupounesana, haniaina, c-kool, nana, digle, kavina, perle, batman, hery2, andryadalampitiavana, lantoadalampitiavana, milou, fifih, mananto, ranjaka, anisah, mimie, mamonj, dio16, donga, balita, ranto, bainah, ralila

Nahafinaritra ny fifaneraserana satria samy olona faly sy miramirana no nifandray tao, fikoranana, hirahira, dihy2, lalao sy hatsikana ary fiaraha mitsakitsaky ny zavatra voaomana sy ny nentin ny tsirairay.
ka ny afindrafindrao no nanokafana izany sehatra ny dihy izany, fa ny fiarahabana sy ny firariantsoa de efa noentin ingahy lucien filoha vonjimaika isaorana manokana ny namana Ralila izay nitondra ny zavamaneno ( guitare sy ampli + micro ) ka nahafahan ny namana nihirahira mitokana sy nampiara peo, izay tena nahitana soritra fa misy manantalenta mihitsy hay ny namana na @ feo izany na amin ny hira na @ fitendrena ity gitara ity ...
Isaorana manokana izy ireo
Isaorana manokana koa ny namana eritreritra mpaka sary.
nisy ireo namana nitondra fanomezana araky ny nifanarahana @ ilay oe fifanakalozana ary nisy ireo tsy nitondra izay tsy nanakana velively ny fifanakalozana.

Tetikasa :

1° - nisy namana izay miasa ao @ ma-TV kou naneho soso-kevitra @ fandraisana anjara @ fandaharana "teen agers"
Lohahevitra hifanakalozana amin izany " Fampahafantarana ny namana sy ny Internet ".
Andro hanaovana azy : sabotsy 28/02/04 @ 9H
Mpandray anjara @ fitenenena voafidy sy notendrena :
- MCZ
- Dio 16
- Dokotera
- Miah
- Poupousy
- Ckool
- Bainah
- Pouponesana
- Lucienr

Fa ny namana rehetra izay afaka de antsoina ho tonga hanotrona amin io any @ studion i ma-TV
Fotoana fandehannan ny fandaharana dia ny sabotsy manaraka ny alarobia aorinany.

Contact pour confirmation :
- hary@pasteur.mg
tel : 0331121204 sy 2259007
Demander Tsiky ou Hary


2° Fivoriana manaraka ho an ny daholobe ( tsara2 raha Alahady hariva ) handinihina sy hanapahankevitra momba ny :
- Fananganana ny birao maharitra
- Fametrahana ny statut
- tetikasa sy vinavina ny amin ity taona 2004 ity


Misaotra ny rehetra indrindra ny birao vonjimaika sy ny namana izay nanomana sy nikarakara t@ fahatanterhan izao fifampiarahabana izao.

Ny mpitantsoratra
Tsiky de ampy

Djiulambout.
novalian'i kokoa ny 26/04/2004 11:40
2. fijo ( 25/02/2004 12:15)
faly ary dia manohana hatrany ny namana any izahay e.
3. sammua ( 25/02/2004 10:37)
Mirary soa ho an'ny namana rehetra any zahay aty e!!!
4. sifotra ( 25/02/2004 12:03)
za ko.
5. oully ( 25/02/2004 17:41)
Mahafaly sy mahafinaritra mihitsy ny zava-bitanareo any. Soa fianatra eh !!!
Dia mba handefaso film-n'ilay tao amin'ny MaTV izahay, hojerenay any Vichy amin'ilay fihaonan'ny namana any.
Mankasitraka eh !!!
6. otniela ( 26/02/2004 10:03)
Mahafinaritra izany.
7. vazol ( 27/02/2004 20:33)
mahavità be ry zareo
8. jhouhlambout ( 29/02/2004 18:40)
Djiulambout? Iza io?
9. djiulambout ( 01/03/2004 19:09)
jhoulambout!!!
tsy zany zao no resahina eto, fa sosokevitra na zavatra hafa no tokony resahina.
10. xxx ( 08/03/2004 20:28)
afaka asiana club na sport ve ty namana ty sa tsy mety fa tsimaintsy net fona no azo atao ato ?
11. jhouhlambout ( 19/03/2004 19:56)
ary mba nitady ny sarin'ilay fety aho fa mbola tsy nahita
12. ikaretsaka ( 22/03/2004 09:48)
Club sport an'ny namana voalohany Bamana Boules club .. Fijo/samoina Oully dia tireur anakiray izay!
Efa misy ka
13. nirijimka ( 22/03/2004 11:30)
manaja sy mankatelina tanteraka anareo manadratra ny fifankatiavana!
ny mba hiriko izao dia ny hatongavan'ny namana rehetra aty aminay aty mahajanga mba manao vacance miaraka indray! asa raha mety an tsy!!!!
14. dd ( 28/03/2004 15:45)
toa ohatra ny nahita sary tamin'ny 15/02 zaho, sa ve nanonofy? ... fa ohatra ny kely dia kely ilay izy dia tsy tazana tsara ireo namana ...
15. imailaka ( 30/03/2004 20:52)
aiza no misy an izany sary zany fa zahy koa mba tehahita na dia kely aza e ?

fa sao dia nofy iany izany ? satria tato toa tsy nisy
16. fiononana ( 03/04/2004 11:41)
voa aingana aho no niditra t@ ity namana serasera ity ka liana tanteraka @ izay atao rehetra, ary te andray anjara mavitrika amin'izany. @ fitiavana be dia be.
17. ragi ( 03/04/2004 13:18)
mbola tsy dia maharaka loatra ny fandehan-javatra aho kanefa nadia izany aza dia mino fa tsy ho diso anjara amin'ny manaraka ary antenaiko fa hiroborobo fatratra ity groupe ifandraisana eto ity ary dia mamporisika hatrany ny tompon'andraikitra mba hilaza zava-mahaliana aminay mpandray anjara.
Dia mahazotoa ary isika rehetra
RAGI
18. hery ( 03/04/2004 14:54)
Ny sary tamin'io fihaonana io dia napetrako teto amin'ity rohy eto ambany ity

http://fr.photos.yahoo.com/namana_serasera

Misaotra daholo
19. ramoul ( 08/04/2004 23:28)
Ra araka ny fahitako ny sary dia tena nahafinaritra tokoa ny fihaonana izay nataon'ny namana tay an-toerana.Zah ry zalahy ande hiverina any an!malahelo be am'zany tsy mifankahita amin'ny namana zany ny tenako.ouinnnnn
20. stef ( 17/04/2004 15:05)
Miarahaba antsika rehetra namana,...
Sady vao voalohany no mandray anjara ato @ fanomezana hevitra ka d faly e!!!
Mahafinaritra ilay hoe nisy io fety io tany Dago... ary indrindra hoe nisy soa azo t@ izany satria teo ny fifanatrehana ary teo ihany koa ny fizarana hafaliana ny @ taona vaovao.
Ny mikasika ahy manokana d te-hantrika saingy lavitra ihany raha ny elanelan-tany e,....
Tsy kivy anefa satria tsy ho mandrakizay akory no hijanonana aty ivelan'i Dago.
Ankoatra izay d mankahery ireo "Namana" rehetra hanao izay azo atao @ programa atao, na any Dago na aty ivelan'i Gasikara. Tsy hoe hanao morale akory fa tsara ny manohana fihetsika toy itony... fampifandraisana ny samy Malagasy....
D ho ela velona anie ny seraserantsika, d ho ela velona koa anie ny Malagasy sy Madagasikara e!!!

Veloma vetivety...
Stef
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5541