kristianisma sy fomba amam-panao

1. hendry ( 23/02/2004 12:50)
Tsy ohatran´ny azo ampiarahana ihany ve ireo e? Sady kristianina no mamadika, inona ny olana? Raha efa mari-pototra tsara ny finoanao, tsy tokony hanana olana @ fampiarahana ny fomba amam-panao (izay lazaina fa mifanipaka @ kristianisma) akory ianao.
Mamy ny etsy, fy ny ery. Koa raha hay ny mampiaraka azy, inona ny olana?
2. ikaretsaka ( 24/02/2004 20:01)
ka tsy misy idiran'ny Kristianina mihitsy anie ny famadihana e
3. voahary ( 24/02/2004 11:54)
reny kôzy reny nie tena mandany ny volan'ny gasy no sady mamphatra rahateo... ny tokony ho izy dia rehefa misy ny mandevina iny dia tokony araraotina tsara ny famonosana izay razana fantra fa miparitaka mety hifangaro @ hafa
4. hendry ( 24/02/2004 17:27)
ikaretsaka: be no milaza ny voalazanao ary manaiky zany aho. Fa ny tiako ambara dia hoe, na tsisy idiran´ny kristianisma aza ny famadihana, azo ampiarahina kosa izy, sa ahoana?
5. solofo ( 25/02/2004 09:08)
Hevitro ity.
Azo atao tsara ny mamadika raha manam-bola (eto dia tsipihiko fa tsy tokony ifanerena hoe manao adidy izao na izao avy fa manjary misy midi-trosa ny sasany) sy fotoana hanaovana izany ny fianankaviana, na kristiana na tsia, ilay hoe miresaka na miantso na "mivavaka" @ razana (spiritisme, eny fa na ny miantso ireny "ombiasy, mpanandro" ireny fotsiny aza) no tsy tokony atao, na ilay milalao ody fa mampidi-doza.
6. hery ( 25/02/2004 09:25)
Amparahina ahoana?
Raha ny nolazain\'i hendry mantsy dia tsy mampiaraka azy izany. Ny miaina tsara ny finoana araka ny tena izy, fa rehefa misy ny fanasana avy amin\'ny havana dia manatrika ny fety amin\'ny maha fety azy fa tsy hoe manao ny fombafombam-pivavahana amin\'ny famadihana dia tsy mampiaraka azy roa velively. Na dia hoe mpino aza ianao dia tsy dia mety loatra ilay manambany ny hafa (ny olona izay mamadika) na dia tsy mitovy firehana amin\'ny tena aza. Endriky ny fitiavana dradradrain\'ny kristianina daholo ny fanajana ny faharesen-dahatra ananan\'ny hafa. Ny finoanao no arovy sy hajao tsara.
Ny atao hoe mampiaraka azy kosa anefa (synchrétisme http://fr.encyclopedia.yahoo.com/articles/ni/ni_1157_p0.html ) dia ilay sady mino ny atsy no mino ny aroa. Ny fanatrehana famadihana tsy voatery hoe finoana ny zavatra inoan\'izy ireo fa fiaraha-miombona amin\'izy ireo kosa.

Efa nisy dinidinika hafa mifandraika amin\'ity teto amin\'ny forum dia http://forum.serasera.org/index.php?rub=viewthread&msgid=m4003ef3809c60
7. peluche ( 25/02/2004 11:32)
fa raha mande @ le famadihana ve tsy otran'ny maneho ihany hoe:manaiky ny hatonareo aho,manaiky fa azo hatao ny mamadika,ho an'ny kristianina io.Raha tsia moa samy manana ny finoany,tsy hifampitsarana zany
8. hendry ( 25/02/2004 13:55)
Hery> efa namaky io dinidinika mifandraika @ ito izay nomenao etsy ambony io aho talohan´ny hametraka ity hevitra ity saingy ny tena mivoitra any dia ny resaka foto-pinoan´ny gasy talohan´ny mbola tsy nidiran´ny kristianisma @ endriny vaovao teto amintsika.
Ankoatr´zay zaho anisan´ilay mpino, raha afaka mitsara ny tenako aho, nefa koa mamonjy fanasana @ famadihana. Tsy midika zany, araky ny nambaranao koa, fa mitoky zay zavatra itokiana manokana @ zany aho fa kosa manaraka ny fomba malagasy misy @ fomba tiako anarahana azy ary tsy mifanipaka velively @ mahakristianina. Ny olana amiko fotsiny dia ny fidradradradran´ny olona @ antokom-pinoana maro, eny fa na ny @ katolika sy protestanta koa aza, izay milaza fa ny kristianina dia tsy tokony hamadika velively ary tsy tokony hanatrika famadihana akory aza fa mifanipaka @ teo-tsaina kristianina zany. Misy mihitsy aza @ antokom-pivavahana hafa raha mpandray anjara mavitrika ao @ fiangonana no hita mamadika dia esorina @ toerany ary esorina aminy ny andraikitra nankinina aminy. Tsy manaiky loatra an´izany ny saiko satria tsy midka akory ny fanatrehana famadihana hoe fanekena zay zavatra tsy tokony ho eken´ny mpandala ny mahakristianina, zay tsy voatery hisy koa anefa satria miankina @ karazan´ilay famadihana koa io.
9. fijo ( 26/02/2004 10:41)
ny kristianisma aloha dia efa toetsaina voazanaka koa amiko e.ka izay no mahatonga azy hanary ny fomban drazany.
10. six ( 26/02/2004 20:29)
io nge tsy hoe raha mpino dia tsy mamadika e, nefa mila mandinika kely ianao, raha eo amin'ny fiaraha-monina dia tsy maintsy ataonao zay fanaon'ny olona fa ianao tsy hoe hialangalana, raha ohatra ary ianao hoe hitory ny finoanao, tsy tokony avy hatrany enao dia hitsara ny azy fa alefanao tsiiikelikely io,
afaka miaraka tsara le izy, samy mandinika anefa avy eo d hita eo
11. fijo ( 27/02/2004 20:41)
farafaharatsiny mba izay.
12. ikaretsaka ( 27/02/2004 10:18)
ka sarahina mihitsy ny fisainana hoefombandrazana sy kristianina e.. ohatra hoe rehefa mivavaka aho dia tsy miresaka famadihana, rehefa mamadika aho dia tsy miresaka kristianina.
13. ikaretsaka ( 27/02/2004 10:20)
ka sarahina mihitsy ny fisainana hoefombandrazana sy kristianina e.. ohatra hoe rehefa mivavaka aho dia tsy miresaka famadihana, rehefa mamadika aho dia tsy miresaka kristianina.
14. fijo ( 27/02/2004 16:37)
kanefa ny mpamadika anie ka manao fotoampivavahana e.ny famadihana fomban drazana,ny fivavahana fomba nampidirina taty aoriana,ka tsy nahafaty ilay fomban drazana.sahala amin'ny kristianina any amerika atsimo io.sady kristianina no mino ny wadoo
15. hendry ( 27/02/2004 15:19)
Zay ndrindra manko. Ny famadihana zay natrehako ohatra ( @ alalan´ny fanasàna io) dia misy fotoam-pivavahana kely matetika eny anelanelany eny. Mbola mangataka @ A/tra sy ny razany ry zareo vao manomboka ny fotoana.
16. hery ( 27/02/2004 18:45)
Ka izay ilay nolazaiko hoe ny finoana no heriny.
Izaho izao misy fotoana handehanako any @ mosquée satria misy namako Silamo... Dia hiteny ve zà hoe tsy tokony ho any? Mba manasa ahy i leiry dia mandeha aho... fa zany hoe leiry alou tsy nanomana satria kay tena misy fisasana mihitsy alohan'ny hiditra ao...
Ny fanatrehana tsy voatery midika hoe fankatoavana. Raha madio ny eritreritrao manatrika an'ilay izy dia tsy misy olana. Azonao atao koa aza ny mivavaka amin'ilay inoanao mandritra andry zareo mivavaka eo... Mangataka amin'Andriamanitra ny fahazavan-tsaina ho an'ny olona rehetra mila an'izany.

Hozy Fijo hoe ny kristianisma dia toetsaina voazanaka. Voazanak'iza? Marina fa angamba vokatry ny fipetrahan'i Fijo any Frantsa no mahatonga azy mieritreritra an'izany hoe isaky ny misy resaka dia maka référence amin'ny Frantsay foana. Ny kristianisma angé tsy frantsay e! Ny frantsay koa sendra ny olana toa antsika izao taloha. Izaho tsy miteny hoe ario ny fomban-drazana... kanefa inona tokoa moa ilay tena fomban-drazana? Iza tokoa ilay "tena" razana? Nanomboka oviana no nisy famadihana tany Madagasikara? Namadika ve ny vazimba? Fomban-drazana ve izany ny famadihana?

Tsy haiko intsony.
17. fijo ( 28/02/2004 09:39)
ny mahatonga ahy hilaza fa toetsaina voazanaka io,dia satria finoana nampidirina teto ahafahana manjanaka antsika ny kristianisma.ary nony voazanaka isika dia nanomboka nanary ny fombantsika.fa nandray kosa ilay nampidirina.ary misy gasy ara izao sahy milaza fa finoana gasy ny kristianisma.hevitra diso be io,fa na ianareo mpino aza dia mahalala,fa nampidirina teto io,fa tsy antsika.
18. hery ( 28/02/2004 09:31)
Angamba tsy dia nanaraka tsara (na tsy mahay tsara) ny tantara i Fijo.
Marina fa niara-tafiditra tamin'ny mpanjanaka ny kristiana. Fa izany akory tsy midika hoe ny mpanjanaka no kristianina na ny kristianina no mpanjanaka. Niaraka niditra tamin'izy ireo fotsiny ny kristianina fa tsy nanjanaka. Ary tsy ireo mpanjakana akory no nitory ny filazantsara. Tsy i Jean Laborde ohatra na ireo Côlonely Frantsay no nitory. Dikan'izany dia nataon'ny kristiana fitaovana hidirana teto ny fiddiran'ireo mpanjanaka.
Tsy ny missionera kristianina no niantso ny hanariana ny fomban-drazana. Angamba tsy ny tena kristianina. Ny nantsoin'ny kristianina dia ny fibebahana sy ny finoana an'i Kristy. Ireo Malagasy ihany no nahatsapa fa tsy mifanaraka amin'izany fibebahana izany ny ankamaroan'ny zavatra ataony (sampy etc...) ka dia navelany izay tsy mifanaraka.
Mazava ho azy fa misy foana ny extremistes sy ny tsy manaraka ny tokony ho izy na tamin'ireo missionera na tamin'ireo Malagasy nandray voalohany. Nisy ireo tonga dia niteny hoe avelao daholo izany ny fomban-dRazana... kanefa tsy izany no tena notadiavina.
Hadisoan'ireo olom-bitsy ireo (hatramin'ny mpanjaka izay nanao tenimidina) no nahavery ny fomba tsara teo amin'ny Malagasy.
Mazotoa.
19. ikaretsaka ( 29/02/2004 17:53)
marina ny an'i hery eto
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1984