EURD

1. hendry ( 23/02/2004 12:15)
Ahoana ny mba fandraisan´ny tsirairay ny momba ity antokom-pivavahana EURD (Eglise Universelle de Royaume de Dieu) ity? Tsy hoe entina hitsikerena na hidirana lalina @ fiainan´ny EURD akory fa ny mahalasa ny saina dia fironan´ny olona (maro) any @ zao fotoana zao. Zany dia hita @ fampisehoana ny fijoroana vavolombelona sy fandefasana @ haino aman-jery ny fomba amam-panao ao @ io fiangonana io.
2. hendry ( 23/02/2004 12:20)
Ny mahavariana koa dia izay mangataka fiara hono dia mahazo, zay mangataka trano dia mahazo, zay nangataka fanasitranana dia sitrana. Ny fijoroana vavolombelona daholo no milaza zany a.
Toa mihoatra noho ny valim-bavaka any @ fiangonana hafa rehetra ny ao ary toa haingana dia haingana ny fivalin´ny fangatahana zay atao.
Inona re no mety mahatonga zany e? Azo eritreretina ve hoe ny communauté ihany no mamatsy ny fangatahana zay ataon´ny mpivavaka mba hahatonga azy ireo ho fidèle @ ilay fiangonana, dia any aoriana asorin´ny communauté tsikelikely aminy ndray zay nomena azy @ alalan´ny rakitra sy fahafolo-karena sy ny sisa mba hamelomana ny communauté?
3. xxx ( 23/02/2004 15:44)
nisy nilaza teo aloha fa izaho aloha tsy mbola nahita, hoe misintona olona makao aminy hono ry zareo dia raha mety hitoriany teny eo ianao adiny iray dia omeny 50000fmg avy eo
4. samoina ( 23/02/2004 17:18)
Misaotra anareo mitantara fa tsy mbola nandre izany ny tenanay. Mba azo fantarina ve ny mpitantana izanyeglizy izany. Efa nahita tract mantsy ny tenanay 2 taona lasa izay misy ifandraisany @ teneninareo io ny ambangovangony . Fanampin'anarana 5 teo no voasoratra t@ ilay taratasy ho mpiandraikitra an'ilay eglizy ( misy dokotera sy mpampianatra ). Nony nanao famotorana kely ny tena dia nahita fa mpianadahy iray tam-po ireo 5 ireo. Dia rehefa fianakaviam-be toy izany moa no mpitarika dia tsy dia nahasarika anay ilay antso .
5. ikaretsaka ( 24/02/2004 20:03)
mody omeny dia avy eo asainy mandoa amin'izay.. efa fataon'ny sectes aty USA io fa lasa "importe" rehefa any
6. six ( 24/02/2004 20:07)
tsy hoe mitsikera be fahatany fa ny fahitako azy dia izao: le izy hotran'ny hoe force-na fotsiny ho avy ao fa hoe amin'izay manankarena, ze mijoro vavolombelona amzany tonga de hoe zay nahantra fa lasa nanakarena, MON AMI., tsy misy resaka tena fivavahana, sa le harena aloha no tena izy e?
7. hendry ( 24/02/2004 17:26)
Ny mahagaga anie dia eo @ 5 hatr@ 10 isaky ny emission no mijoro vavolombelona ary nahazo zay nilaina daholo, en plus tao anatin´ny azo lazaina ho fohy dia fohy. Tsy mahagaga raha voahozongozona ny sasany satria any mivaly haingana ny fangatahana koa. Ny tsy mazava fotsiny dia tena avy @ A/tra ve sa avy @ communauté ilay valim-bavaka?
8. kally ( 25/02/2004 09:24)
Araky ny nolazain'Ikaretsaka tery ambony hoe fandrebirebena no betsaka.Nahantra dia lasa nanankarena t@ alalan'ny inona moa izany ireo nijoro vavolombelona?Izao mantsy ny mahantra no be an'isa noho ny manankarena dia antsoina daholo ny mahantra dia rehefa tamàna dia asaina mandoa vola amin'izay,domy tapany handoa erany io e!
9. hendry ( 25/02/2004 13:42)
Ny mampalahelo dia tsy azo toroana hevitra ntsony ny olona tafiditra @ reny fa tena lasa ohatran´ny "drogué" mihitsy. Miala tsiny aho @ ilay fomba fiteny fa zay no mahalaza azy. Azy any ny azy ary tsy tokony idirako saingy ny mampalahelo dia izay diso lalana sy mitoky teny fantatra nefa tsy mahalala ny fandrika atao azy. Dia efa mihasahy marina ny olona, resa-pivavahana avy no ampiasana hafetsena.
10. fijo ( 26/02/2004 10:45)
mahafantatra ireo olona ireo,fa ny olona mahantra dia mora jonoina.efa hita aty sy any USA io.ary dia ampiarina koa any mada.atao fitadiavam bola ireo olona mahantra ireo,dia ny finoana no fitaovana ampiasaina.
11. six ( 26/02/2004 20:25)
ka araka le hiran'i samoela io hoe ny olona efa te hiakatra velona any an-danitra kou! satria leon'ny fijaliana d any amin'izay mety ahazoana izay heverina ho hasambarana (vola sy harena) no tsy maintsy mandeha, ny vola azo, ny famonjena toa andrandraina, tsy haiko aloha:
12. psykatr ( 27/02/2004 20:04)
"Mônn amii"!,
Dia mba tena marina tokoa ve ireny temoingnages alefany @ télé ireny?
Toa sérieux bé ilay mijoro vavolombelona.
13. fijo ( 27/02/2004 20:42)
ka efa voabaiko tsara ko.
14. hendry ( 27/02/2004 15:21)
Ny fahamarinan´ilay témoignages tsy haiko loatra fa ny zavatra mitombona dia ny sasany @ ireny olona ireny tena @ fony ny anaovany ilay témoignages satria mitoky ilay fivavahana iny noho ny fijereny ilay izy @ fo madio sy hoe finoana fa tsy misaina zay hevitra fonosin´ilay izy sy tanjon´ny mpitarika, fa ny sasany toa an-tery na hoe noho ny fifanarahan vita no anaovany azy HONO dia mazava ho azy fa tsy voatery ho marina foana zay lazaina.
15. hery ( 27/02/2004 18:51)
Tantara kely:

Tamin'ny toerana iray tao Kenya izay nipetrahako dia misy mpanasitrana mandalo isam-bolana. Groupen'olona vitsivitsy ry zareo. Rehefa ho tonga ry zareo, izany hoe roa na telo andro alohan'io dia hitan'ny olona eo antoerana misy vahiny hafahafa ny tanàna. Olona kilemaina sy ny sahala amin'izany. Tsikaritry ny olona satria ny tanana kelikely ihany ka miavaka eny ihany ny vahiny.
Rehefa tonga ny fotoanan'ny fivoriam-be dia misy tokoa ny fiantsoana ny marary. Ireo vahiny kilemaina anefa no tafakatra eny aloha. Dia raikitra ny fanasitranana. Dia sitrana tokoa ireo vahiny kilemaina ireo. Ny mampimenomenona ny olona anefa dia ireo kilemaina izay efa hitan'ny vahoaka isanandro isanandro eo antoerana tsy mba mety tafakatra eny ambony lampihazo mihitsy... kanefa koa mba miandrandra fanasitranana.
Rehefa vita ny fotoana lehibe ka lasa ireo mpitory dia tsy hita intsony koa ireo vahiny kilemaina... satria efa sitrana daholo dia angamba lasa nanaraka ny mpitory.
Misy ny tena manasitrana fa misiy kosa ny misoloky fotsiny.
16. aly ( 27/02/2004 19:27)
Resaka finoana io ka rehefa mino ianao dia azo atao aminao izay tina atao rehetra indra moa raha mahantra ianao. Mino ny razan ve ianreo, jereo ary ny vokany eo mintsika momba ny fahendrena malagasy.
17. 2689 ( 29/02/2004 20:44)
Ny sekta sy ny razana ry aly aza afangaro an! Ny sekta dia entreprise à but lucratif, fanangonan-karena toy ny fanangonan-karena rehetra. Ny fomban-drazana malagasy tsy misaina izay resa-bola fa ny fihavanana no masaka tao an-tsainy. Mety hoe hifanohitra @ fivavahana Kristiana izy fa tsy misy ifandraisany velively @ fomban-tsekta.

Amiko aloha dia tokony horaràna ny sekta toy ny EURD, Apokalypsy, ... Avelao izy hanao ny hadalàny fa atsy ho atsy dia sekta Aoum no hiafarany. I Mailhol aloha dia mampatahotra mihitsy amin' izy milaza faminaniana ity e! Ilay zavatra lazainy hoe ho filoha @ 2013 dia mety ho tanteraka raha tena manam-piniavana marina izy, finiavana izay mila ra mandriaka, sorona sy etsetra, toy ny contrat @ devoly rehetra e! Indrindra fa efa mitombo ny mpanaraka azy...
18. hendry ( 01/03/2004 12:38)
Sarotra be ny hi-sensibliser-na ny olona mba hahalalany ny tena tanjon´ny antokom-"pivavahana" sasany zay voalaza fa tsy mikendry afatsy ny hanango-karena @ alalan´ny fitarihana ny olona hivavaka. Ny mpanaraka koa efa mihabe araky ny lazain´i 2689. Zaho aloha tsy hiteny hoe secte na tsia satria tsy haiko loatra ny famaritana ny hoe secte.
19. hendry ( 01/03/2004 12:39)
Rehefa mazava @ tsirairay manko ny tanjona dia anjarany sisa ny manapa-kevitra na hanaraka na tsia. Ny mampalahelo dia ny tsy fahafantarana ka fanarahana an-jambany. Raha mahita soa ho an´ny fiainany moa haninona fa ny atahorako dia ny kely an-tanana aza no mbola esorina ndray.
20. fijo ( 03/03/2004 11:22)
ka ny olona efa matimpinoana tsy ahatsapa tena izany mihintsy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2195