miverina ny gasy aty andafy

1. fijo ( 20/02/2004 11:21)
taloha dia nalaza ny fahaizan'ny gasy taty france sy tany andafy hafa tany.maty io lazan tsika io tamin'ny andron'ilay vendrana iny.amin'izao fotoana izao dia manomboka tsapa indray ilay fiverenan'ny fahaizan'ny gasy.fa ilay fahasahiana no mbola tsy mety tonga.(dinika nifanaovako tamin'ny prof de droit aty aix sy any mada).
novalian'i fijo ny 14/04/2004 23:35
2. rasta ( 20/02/2004 16:37)
Amin'ny lafin'ny inona moa izany????
3. pitchou ( 20/02/2004 14:36)
angamba tsy dia hoe maty ny lazan'ny gasy. fa betsaka loatra ireo lasa mianatra any tsy noho ny fahaizany na hoe tena te-handranto fianarana fa satria manan-katao ny RAD! dia matetika ireny ankizy ireny no mamono pasipaoro ny hafa. Ireo ankizy rehetra izay nalefan'ny toeram-piasany na ny université, noho ny fahaizany, dia nikoizan'ny vazaha avokoa ny ankamaroany!!!
4. kitjo ( 21/02/2004 09:24)
Fa ny tsy mety dia ilay nahazo fianarana kanefa mijanona miasa ho an vazaha aloha e, fa kosa mba manangona sy maka traik'efa dia mody amzay manangana ho an' ny tena.....(arakaraka), na koa ny fianarana tokony natao tsy vita akory fa miasa ho an vazaha zara raha mahazo karama ,( ambony nho ny any Dgao kanefa izay tonga d lany, mba tsinjovina iany koa ny "valeur".........afatsy ny mety oe menatra angaha hody any Dago fa mety nizesta be nefa tsisy inona kory sady tsy fahaizana tsy vola tonga any)
5. pitchou ( 21/02/2004 12:03)
toa hoe misy dia misy tokoa hoe ny toy izany ry Kitjo
6. ikaretsaka ( 23/02/2004 11:22)
marian dia marina ny an'i kitjo
7. fijo ( 26/02/2004 10:15)
maro ny ao amin'io cas voalazan'i kitjo io.fa misy koa ny nisafidy mihintsy ny hijanona aty noho ny antony samy hafa.
8. angie ( 18/03/2004 20:20)
Marina mihintsy ny tenin'ny Kitjo. Raha ho ahy manokana dia efa teo ampamaranana ny fianarana mihintsy aho ary efa nahita zavatra tsara atao tany Dago, nefa teo @ io fotoana io mihintsy nahitako ny vadiko. Tsy lazaiko anareo hoe nanao ahoana ny fanampahankevitra nalaina t@ izany. Ny mahafaly ahy fotsiny dia ny vadiko vonona ny hanao zavatra any Dago ary mazoto handeha any matetika satri izaho dia vonona ny hiady hoan'ny fampandrosoana any Dago indrindra ei fitazomana ny mahamalagasy, ny Valeur. Izany no atao hoe ajara amiko ary dia isaorako an'Andriamanitra hatrany
9. angie ( 18/03/2004 20:22)
Anisany antony iray tsy nianarako tany France ny habetsahan'ny gasy sy ny fifandraisany. Tsy misy folo akory izahay no mpianatra laika eto italie. Saingy ny relijiozy dia betsaka.
10. kitjo ( 21/03/2004 10:11)
k zay ry fjo no ataoko oe arakarany ny antony hijanonan'ilay olona an-dafy, misy zany ny azo leferina e,ohatra oe zavatra tsy afaka ampiharina ao dago ny fianarana nataony, oe "tsy interessant" znay ny ampiharany ny fianarany ao Dago e, tsy d omena tsiny angamba fa afaka manao zavatra @ fomba hafa izy anatanterahiny ny adidiny.D refa mba mihalehibe efa mba nahaangona dia mba mody amzay mametraka zavatra mijoro e
11. kitjo ( 21/03/2004 10:16)
ny tena marina ko d maka tahaka ny zavaha ny sasany, ra samy malagasy izy mivady,ny antsika ny kolontsaina dia manome lanja ny fianakviana, znay hoe mitsinjo n ytaranaka ,ankoatra izay koa ilay hoe "mihary",fa ny an vazaha izay mahafaly azy mivady ihany matetika sy ny zanany,tsy mieritreritra ny hanana trano na orinasa lehibe azy manokana.

Dia io koa no ianaran' gasy sasany,"velona tsara androany",tsy mahatsangana zavatra fa ze azo d lany,entina manao vacance sns...

K ireo gasy an-dafy mazava ho azy no voan'io toe-tsaina io, ny vazah ts maninona fa azy zany sady samuhafa ny fitaizana sy ny kolontsaina
12. ikaretsaka ( 21/03/2004 19:43)
raha tsy manana attache any @ ilay tanindrazana aloha dia sarotra mihitsy e.. fa ny mampalahelo izay amidy mihitsy ny tanindrazana mba hahafahafa mipetraka any ivelany
13. angie ( 22/03/2004 20:31)
Ny ahy indray ny tena tsy tiako dia ilay miseho milay rehefa mba manao vacances any Dago. Na @ fiteny na @ filazana angano .... Betsaka mihintsy no manao izany ary ireny mihintsy no manimba ny fihavanana any France araky ny hevitro satria any izy tsy afaka manao izany ary betska ny mahay noho izy sy manana noho izy. Ao koa ilay manao ny GVT amiko ireny tena GASY- VONGA -TA...aleo hilamina fotsiny....
14. ikaretsaka ( 22/03/2004 17:08)
marina koa io.. ary ry zareo ao frantsa no be mpanao an'io noho ilaytoe tsaina mbola voazanaka
15. angie ( 23/03/2004 19:07)
amiko tsy misy asa ratsy ny zava-dehibe dia ny maha olona ka aoka re mba tsy ho ambaniana ny sasany raha manao asa an.trano, na mitaiza zana-bazaha... ary izay manao izany koa tokony tsy ho menatra fa misaora ny Tompo... mbola ato @ thème fanabeazana moa isika sa diso aho????
16. fijo ( 14/04/2004 23:35)
ilay mifanambany aloha dia ratsy e.io samy manana ny fitadiavany ka rehefa mahavelona iny dia izay.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1869