fanafody vavony

1. xxx ( 19/02/2004 20:14)
sao mba misy mahalala nareo hoe inona zany tambavy efficace be zany manala aretina vavony? mety tsy ho tambavy koa ilay izy fa hoe plantes, tsy haiko fa nisy nilaza an'izay fotsiny!! ra misy mahalala ve afaka mba milaza hoe inona no anarany? merci
novalian'i babalahy ny 24/08/2005 18:14
2. ari.malala ( 19/02/2004 12:35)
Tena tsy tadidiko ny anarany fa any @ Ratsimamanga ilay izy, any hoe anontaniana!
3. rixes ( 20/02/2004 10:54)
mba andramo ihany , misotro rano matetika fa manala aretim-bavony io raha mazato .
4. isrine ( 23/02/2004 18:27)
ny ahy aloha efa tsy tadidiko hoe inona no fanafody t@ izay, fa ny ho fitandremana no lazaiko: aza manao voky be na noana be, zany hoe mihinana isaky ny adiny 2 eo ho eo. ny rano aza hadino fa tokony ho sotroana betsaka!
5. xxx ( 24/02/2004 20:42)
misaotra betsaka @ lé toro hevitra! tena nety tokoa ilay tsy manao nona be sy voky be sy ilay misotro rano be! hitako eo izay ho tohiny!
misotra ihany koa @ lé fanafody ao @ ratsimamanga e!
6. samoina ( 24/02/2004 10:04)
Ovy manta koa hono, hoy ilay ray aman-dreny mpananatra anay izay. Dia t@ fotoan-tsarotra tokoa dia nikipiko nandramako ihany . Dia tsy haiko raha ny fahatokisako io RaD-be io na ahoana fa toa nahitako vokany ilay izy ! Rehefa mihetsika be ny krizim-bavony, ovy salatsalany iray no nosilasilarako toy ny frite dia tsakoina tsara sy atelina miandalana eny. Tsy voatery laniana daholo fa hitan'ny "organisme-nao "eny ihany ny dose ilaina.
7. doris ( 27/02/2004 14:19)
mizara koa misotro ranomboasary makirana 1 sotro isaky ny avy misakafo, indrindra raha voamaina na trondro no laoka.
salama e!
8. ikaretsaka ( 01/03/2004 12:25)
marina io sy doris
9. isrine ( 10/03/2004 13:16)
ity koa hevitra: mihinana tantely i sotrokely isaky ny vao mifoha @ maraina, avy eo vao misotro rano afaka 5 mn.
10. angie ( 02/04/2004 10:14)
tena mahasoa daholo ireo too-hevitra ireo fa dia isaorana daholo ny namana e
11. booboo ( 10/04/2004 14:35)
Mihinana tongolo gasy matetika koa. Manasitrana ilay vavony maratra indray iny no sady manadio rà sy tsy tadidiko aby !
12. booboo ( 10/04/2004 19:59)
tonga dia atelin oh mitelina nivaquine ( rah zà aloha e ) @ izay tsy mitsako. dia tsy misaraka @ bonbons bobaka be koa !
13. mtiana ( 13/04/2004 14:17)
Vahona sy tantely ary rhum fotsy no afangaro dia hohanina 15 min , 1 sotro alohan'ny sakafo (maraina, 1 atoandro, 1 hariva). Hohanina mandritra ny 15 andro dia mihato kely indray 15 andro dia tohizana mandritra ny 2 volana eo ho eo.
Mety misy an'izy io any amin'ny pharmacie fa manontania ihany.
Fa manampy izany koa ny fisotroana rano matetika anelanelam-potoana na mihinana goûter kely tsindraindray.
Fadiana ny fihinanana sakay, zavatra misy karibonetra, zavatra be épices sy be menaka.
Ny aretim-bavony koa indraindray mety ho harerahan-tsaina na hareraham-batana ka mila lanjalanjaina ihany ny fiainana, ka rehefa mahay mandamina ny fiainana sy ampy torimaso dia afaka ho azy izy io tsy mila fanafody.
14. booboo ( 06/05/2004 12:27)
ekena tanteraka !
15. fraulo ( 03/08/2004 12:25)
Miarahaba eee

Tsara ho fantatra kely :
Ny trangan'aretina rehetra (symptôme) dia misy hifandraisany ihany koa @ toe-tsaina amam-panahy (tsy resaka ara-pinoana io akory rahavana), ary sahala @ izao izany fifandraisana izany :
Ohatra ny vavony dia taovam-pandevonankanina, koa raha misy hanina tsy levon'ny saina, izany hoe hevitra izany, miteraka hatezerana sns (araka ilay fitenintsika hoe "tsy levon'ny vavoniko mihitsy iny ...") dia midina aty @ nofo = ny vavony izy eto, rehefa ela ny ela, ka miseho ho aretimbavony rehefa sendra "terrain affaibli" (ohatra vavony tsy tsara taiza).

Marihina fa tsy ny mikorontana ora na fomba fisakafo rehetra no marary vavony na dia ela aza, fa ao ambadik'izay ny toe-tsaina amam-po.

Izay midika fa miantso ny tompony handinika ny hevitra tsy voaleviny ny aretim-bavony ary izay no fanafana mateza fa tsy ny fanapenambava ilay vavony @ alalan'ny traitement symptômatique.
Fa mandram-pandinika ilay hevitra tsy voalevina dia azo raisina ho famonjena vonjimaika daholo ny tantely sns rehetra izay isaorana an'ireo mpanoro hevitra.

Mirary soa
16. sahary ( 06/01/2005 08:54)
Na dia hampiasaina aza ny fanafody tsara indrindra ,ka arahana antsakany sy andavany ny fampiasana azy dia mety hijanona ny fanaintainana momba ny aretim-bavony,kanefa mandalo ihany izany ary mbola miverina ihany ilay aretina ary mety ho mafimafy noho ny teo aloha aza raha toa ka dikaina hatrany ny làlàna momba ny fahasalamana mikasika ny fihinanan-kanina.Fa ny azoko lazaina anao dia izao azo atao tsara ny misoroka ny aretim-bavony ary tsy mila mandany vola be akory.
17. babalahy ( 24/08/2005 18:14)
Maka ravina grenadine na hoe ampongabendanitra de ampangotrahina @ rano rehefa avy eo sotroina;fa tena mahafaka azy io na le tena manaikitra be ireny aza.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.1531