Mbola hino an'Andriamanitra ihany ve nareo raha toa ka....

1. psykatr ( 18/02/2004 11:53)
Raha toa ka mahavita dingana lehibe ny Fitsaboana(Médecine) ka mandresy ny fahafatesana dia lasa tsy mety maty intsony isika(Immortels). Koa mety mbola hino an'Andriamanitra ihany ve ny olona @ zany fotoana izany?
novalian'i psykatr ny 31/03/2004 18:34
2. kally ( 18/02/2004 12:30)
mbola hono an'Andriamanitra foana aho rehefa mbola tsy mahafehy ny voary rehetra ny olombelona,hatrami'nny fanamboarana azy ka hatramin'ny fifehezana azy:ny toetr'andro,ny horohoron-tany,sns
3. solofo ( 18/02/2004 15:52)
"..lasa tsy mety maty intsony isika(Immortels)..." Zavatra tsy ho vitan'olombelona izany, ny tenany miha-antitra (aging process) aza tsy hitany izay hanaovana azy. Isika TSY afaka hanova ny "facts", izany hoe: Raha misy Andriamanitra dia MISY foana Izy na hino isika na tsia. Raha tsy misy kosa Andriamanitra dia TSY MISY foana Izy, na hino isika na tsia.
Tena ekeko fa fanamby(defi) be izany. Ary tena TSY MINO aho fa ho vitan'olombelona io fanamby lazainao io. Fa hono ho'ah, anao indray izao no mamaly: ny zava-misy aloha izao dia MBOLA TSY NAHAVITA izany ny medecine, ka ahoana mino an'Atra ianao sa tsy mino. Raha ny fanontanianao mantsy dia toa miankina @ izany ny inoanao an'Andriamanitra na tsia, lazao aho raha diso ny fandraisako azy. Tsy mety nefa izany approche izany satria tsy miankina @ izany ny fisian'Atra. Satria raha izany dia VOKATRY ny fisaintsainantsika (imaginations) fotsiny Andriamanitra fa tsy hoe tena misy na tena tsy misy.
Ny zavatra iray tiako kitihina, raha te-hanohy ny resaka ianao, dia izao: andeha atao hoe tsy nisy Andriamanitra (hypothese izany io). Afaka manome hevitra ve ianao hoe ahoana no nahatonga ny AINA voalohany?
4. hendry ( 18/02/2004 18:25)
Henjana i Solofo
5. donemaskit ( 18/02/2004 19:16)
amen Solofo a !
Za lou mino foana ny fisian'Andriamanitra e, mazava loatra zany.
6. fijo ( 19/02/2004 10:11)
tsy henjana izany i solofo,fa mamoaka tsara ny heviny.izaho dia tsy mino nefa dia manaja tsara ny heviny.
amiko aloha dia vokatry ny fisaintsainan'ny olona izany andriamanitra izany.tsy nalalala na inona nainona ny olona taloha dia lazaina fa antra no nanao izay zavatra hitany rehetra.
ilay hoe tsy mety hofaty intsony,mety hovita io any aoriana any,satria izao efa hita ny antony maha antitra ny sela.ary hay izao ny mampiadana izany fahanterana izany.(DHEA)
ary farany ny aina voalohany tonga teto,moa ve tena teto an tany ihany no tena nisy aina?misy dihana rano hita izao tany amin'ny planeta mars.
7. ikaretsaka ( 19/02/2004 11:08)
misy aina daholo na any amin'ny masoandro ara ka
8. solofo ( 19/02/2004 11:26)
Ho valin'ny hafatr'i Fijo, tena marina ny teninao fa tsy henjana aho, ary tsy izany no tiana haseho eto fa famosahan-kevitra. Miala tsiny aho aloha fa hisy voambolana vahiny eny antenantenany eny, nefa tsy betsaka. Ialako tsiny koa fa tsy clavier frantsay no ampiasaiko ka tsy misy tsindrimpeo (accents) sy C cedille.
>ilay hoe tsy mety hofaty intsony,mety hovita io any aoriana any,satria izao efa hita ny antony maha antitra ny sela.ary hay izao ny mampiadana izany fahanterana izany.(DHEA) >
Eny. Tena efa hita hoe inona no mahantitra ny sela, ny antony mampihena ny fihavaozany sns... Ny "vahaolana" mbola hita hatr@ izao dia ny mitsindrona "hormone" sy ny manao fanatanjahantena mba hahalavalava kokoa ny "fahatanorana". Nefa na maharitra mandritra ny fiainan'olombelona aza ny fahatanorana (ohatra hoe tanora foana izy mandritra ny 150 taona...) TSY midika mihitsy izany hoe TSY METY MATY izy. Ny tanora koa ange mety maty eh!!
>ary farany ny aina voalohany tonga teto,moa ve tena teto an tany ihany no tena nisy aina?misy dihana rano hita izao tany amin'ny planeta mars. >
Tahaka ny ohatr'i Bohr (Modele de Bohr) @ fanehoanana ny atoma (atome) ihany dia mbola tsy voaporofo izany. Nefa efa ampiasain'ny mpahay fizika matetika ny ohatr'i Bohr anaovana kajin'angovo (calcul d'energie), ary mety, indraindray mahalana vao misy olana (tsy mitovy ny vokatry ny andrana sy ny vokatry ny kajy).

-Mikasika ilay hoe rano eny @ mars nefa, SADY mbola tsy voaporofo, NO mbola tsy nisy nampiasa tamina theorie na zavatra hafa ka nety (asa tsy fantatro hoe inona no mety hamiasana izany hypothese izany). Ary na voaporofo aza, ity mbola misy olana hafa
-Ny aina (na zavamaniry na biby) no isan'ny zavatra complique indrindra ety @ izao tontolo izao (izao tontolo izao mihitsy fa tsy ny galaxie misy antsika irery). Nisy biolojista iray(tsy tadidiko ny anarany fa hokarohako) nanambara fa ny FARAN'IZAY TSOTRA indrindra @ sela dia mbola sarotra (complique) lavitra noho ny tananan'i New York City miaraka @ fitaovana moderna rehetra (telecom, radar, fizarana herinaratra sns...) ao aminy.
Ny sela faran'izay tsotra indrindra izay, manginy fotsiny ny sela hafa, indrindra moa fa hoe zava-manan'aina feno.
9. fijo ( 19/02/2004 11:42)
ie raha hoe maty ny akisida dia manaiky aho,fa ny tiako lazaina dia efa andalana ny fahitana ny faharetana.
ary aza hadino,fa folotaona lasa tsy nisy nino fa hisy ny clonnage,izao izy mila hanjary kilalaon'ny manampahaizana.
joa aza milaza hoe tsy hovita mihintsy izao sy izao.
10. fijo ( 19/02/2004 11:43)
izaho tsy miteny koa hoe vetivety dia ho hita daholo izany,fa efa maro ny finoana no voaporofo ny antony.
11. solofo ( 19/02/2004 11:58)
Tsy mbola kilalaon'ny manampahaizana izany ny clonage fa mbola betska tebo-panontaniana, ohatra: mbola tsy fantatra hatr@ izao ny antony nankarary vetivety foana teo sy nahafaty an'i Dolly (ilay ondry natao clone). Fantatra fotsiny hoe defaut genetique, fa hoe genes inona?
Mbola tsy voavaly ilay hoe ahoana no nihandohan'ny aina.
12. ikaretsaka ( 19/02/2004 15:35)
kazany eo ihany fa mino fotsiny fa tsy asiana kestion e
13. xxx ( 19/02/2004 20:17)
tsy ho hisy mintsy zany e!! efa fantatra ny hiseo ange e! fa tsy ho hisy mandrakizay zany lazainao zany!!! autant ne pas perdre du temps mieritreritra zavatra otrany zany fa aleo mandinika ny faatongavany Tompo
14. donemaskit ( 19/02/2004 12:55)
Izay mino ny fisian'Andriamanitra dia mino koa fa ho avy ny Andro Farany : ho faty daholo ny rehetra.
15. fijo ( 20/02/2004 12:01)
rehefa miova ny fotoana dia ripaka daholo izay tsy hafaka miova miaraka amin'iny.izay no naharipaka ny dinozaoro satria tsy nivoatra niaraka tamin'ilay fiovan'ny fotoanany izy.
ny niandohan'izao tontolo izao,na ny siansa na ny baiboly samy mbola tsy nahazava azy.saingy ny baiboly dia naleony nandainga hoe tao edena.
16. solofo ( 20/02/2004 12:48)
>saingy ny baiboly dia naleony nandainga hoe tao edena>
Maimaim-poana loatra ilay fanendrikendrehana hoe "nandainga". Arosoy aloha ny porofo.
17. fijo ( 20/02/2004 13:06)
tsy te hierika izay tany aloha tany ny baiboly.fa avy dia noraisiny teo amin'ny fisian'ny olombelona ny tantara.ary avy dia namoronany toerana ny fiantombohany.
18. solofo ( 20/02/2004 13:46)
>tsy te hierika izay tany aloha tany ny baiboly.fa avy dia noraisiny teo amin'ny fisian'ny olombelona ny tantara.>
Diso izany. Ny olombelona no FARANY indrindra noharian'Andriamanitra araka ny fitantaran'ny Baiboly, araho tsara ny kronolojia ao @ Genesisy1.
Raha tena te-hitsikera boky iray ianao dia tokony hovakianao tsara aloha ilay izy, dia izay vao alefaso ny tsikera. Sady afaka miaro tsara ny hevitrao ianao @ izay..
19. psykatr ( 20/02/2004 18:27)
Ny niandohan'izao tontolo izao(ary voaporofo mihintsy izany) dia ilay antsoina hoe: "BIG BANG", asa raha efa nisy nandre an'izany. Milaza io fa tany aloha elabe tany dia nisy Explosion matanjaka be ka namptieraka ny Univers. Teo no nanomboka nivondrona tsikelikely ny vato sy ny vovoka nanome ny karazana Système toy: ny système solaire misy antsika.
Tao aorian'izay dia nisy évolution tao @ comportement-n'ny matière ka nanome zavatra complexe toy ny AINA.
Zany rehetra izany dia efa voaporofo tsara daholo, afaka jerena ao anaty boky siantifika na documents mikasika izany ...sns...
20. camkz ( 20/02/2004 19:08)
manahirana ny mamaritra hoe Andriamanitriza no hinoana .Andriamanitr'ireo mpanjanatany ve sa ilay ninoan'ny razambentsika fony mbola faha gasy , rehefa diabolisen'ny vazaha dia ratsy , nisy genesisy koa teto Madagasikara fahizay ( jereo ny tantaran'ny andriana ) Io no takatry ny gasy sy ninoany t@ zany fotoana izany .Fa isika zanaka kristiana dia kristiana fa tsy mba mijery @ fo tsy miangatra ny tantaran'ny finoana rehetra misy eto antany . Ireto Silamo ireto ihany no tsy VOAZANAKY NY KRISTIANISMA , asa aloha aorian'ny occupation US ity .
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.517