hanao hira sa hanao tsianjery ?

1. lanto ( 13/02/2004 11:55)
Mahita an'ilay aminà atsy amin'ilay tononkalo mampihomehy aho, dia nieritreritra hoe nahoana moa raha angonina eto ireny hiran-jaza (comptines) sy lalao gasy ireny e ? ohatra hoe : raosy jamba, nankaiza i marigirity, avy mangataka sns ....Hiverina eo ihany aho hamaly fa mbola hitadidy :)
novalian'i lanto ny 23/05/2004 18:04
2. kally ( 13/02/2004 16:11)
Eny tokoa ho'a ry Lanto ohatra hoe:

maranitra ianao ry Lala nefa koa izaho be klé
tao anaty kôpetranao re no nahitako ny sekre
Mifona aho lala ô;mifona aho lala ô
marina mafy tsy hanao instony aho e!tsy hanao intsony aho e!
3. hery ( 13/02/2004 18:31)
Zaklinina ô, Zaklinina ô
Iny ny taratasinao.
Avy aiza ô, avy aiza ô,
Tany amin'ny sipa malalanao
Aiza izy ô, aiza izy ô,
Ao andrefatrano ao
Zaklinina ô, Zaklinina ô
Iny ny taratasinao.

Niaraka izahay sy malala
tery ambony tery
Samy nifoka sigara
Samy nitendry valiha
Lehilahy tsy manambady
Nofé nôfé nôfé
Niaraka zahay telo vavy
Tery ambony tery

:)
memoire d'elephant
4. lanto ( 14/02/2004 09:59)
Tssss Mamorona injay i hery :)
5. lanto ( 14/02/2004 10:06)
-Nankaiza i Marigirity
OK ok ok
Nankaiza i Marigirity
Ok ô ry sakaiza

-Ao anati'nilay trano kely
Ok ......

-Izaho izao mba te-hitaiza......

-Avo loatra ny tamboho.......

-Angalanay vato iray........

-Vato iray ve dia mba ho aiza.....

-Angalainay vato roa, (telo, efatra .....

........

(tondroina ny lohan'ilay tao afovoany)

-Inona no ao anatin'ity ?
-atody
-inona no ao anatin'ny atody ?
-fanjaitra
-inona no ao naty fanjaitra ?
-kofehy
-inona no ao anaty kofehy ?
-demony !!!

Demony lava rambo ô demony lava rambo........
6. ikaretsaka ( 14/02/2004 17:55)
ahoana tokoa moa ilay amina hatr@ farany... Amina amina? dia ahoana?
7. ikaretsaka ( 15/02/2004 18:09)
efa voavaly atsy ambadika
8. hery ( 17/02/2004 09:49)
Lazain'i lanto fa mamorona indray hono zà tssss

Misy iray ity.

Avy mangataka izahay a izahay a izahay
Iza re no alainareo alainareo alainareo
I Hery no alaina no alaina no alaina
Iza re no haka azy no haka azy no haka azy
Tenako izao re no haka azy nohaka azy no haka azy
Amifiry nifitaona nifitaona nifitaona :)
Amivalo nifitaona nifitaona nifitaona
Alefaso ny didinareo sy ny dakanareo sy ny didinareo
Ny didinay dé efa mipetraka efa mipetraka mandrakizay

Zé mahery voanjomanta ô zé maosa tanalahy ô
Ô mahia ô, ô matavy a ô,
Tsofirano izy ô, fa hanambady izy ô.
Masaka ny akondronay ô

:)
9. samoina ( 17/02/2004 09:38)
Raosy jamb' ô,raosy jamba
Ra'mahit'enao ô !
Savasavao re ny lalan'ô,
Fantapantaro ny anarany ô
Mandra-panitsako an'ty tany 'ty
pouah...encor'encore...pouah !
Tsofy ny lanitra...fouah,
encor'encore...fouah !
Domy ny tany...douah...
Encor'encore...........
Eiïïï¨h...zà 'ngà miombon'an-dry ?
10. kally ( 17/02/2004 12:32)
Ity no atao rehefa mifanakalo kilalao na manome zavatra,karazana fianianana izany e!
Tsy an-kamerimerina ambody kabine
domy ny tany toa mafy be
tsofy ny lanitra avo be.
11. lanto ( 19/02/2004 17:41)
-Tôtôkatsaka tany am-parihy e aiza ho anay i kally a
-Tsy omenay kally a

-Tôtô-katsaka.......aiza ho anay i...(ikaretsaka na i hery na i samoina...)
-Tsy omenay i ....

-Tôtô-katsaka tany am-parihy e ! aiza ho anay reninareo a !
-Tsy omenay reninay a !

-Vaky ny siniko
-Avelao vaky any
-Bedin'i dada sy neny aho izao !
-avelao ho bedy any
-very ny lambako !
-avelao very any
-bedin'i dada sy neny aho izao
-avelao ho bedy any
-aiza ny lalako atsy sa ary ?
-ary !

-(Dia enjehiko daholo @ izay nareo hihihi)
12. ikaretsaka ( 19/02/2004 18:33)
ary ahoana kao moa ilay ze tsy mikipy tsy asiako iny?
13. samoina ( 24/02/2004 11:52)
Tsy misy toniny iny r'Ikaretsaka fa kilalaon'ankizy tsotra fotsiny a ! Mipetraka manao faribolana ny rehetra dia misy iray voatondro @ voalohany mihazakazaka ao an-damosin'ny rehetra no sady mamerimberina ny " 'zay tsy mikipy tsy asiko ! ", ets...
14. samoina ( 24/02/2004 11:57)
Iz'ry ambony 'ry ô !
'zaho ihany 'ty ô !
Manin'eny ary ndroky ô!
'zà mikotrok'atody ô !
Firy ny atodin-driko ô !
3 sy 4 ihany ô !
Mba 'meo 1 ary zà
Rah'mba mikotrok'itena ?
mikotroka ihany aho fa tsy mahavanona,
ny akoholà mitsoka mozika,
ny akohovavy manao dansé,
Kiou ! kiou ! kiou...
( Da tsy haiko intsony ny tohiny e ! )
15. six ( 03/03/2004 13:49)
tandremo lah
izay no tohiny kah!
16. isrine ( 12/03/2004 09:56)
Avia zay zanako o!

avia avia zay zanako o?
matahotra zay o
matahotra inona o?
matahotra ambodia o
aiza izy o?
io izy o
inona no haniny o?
vary masiso o
inona no sotroiny o?
rano masiso o
.........
avia avia zay zanako o... ( @ io fotoana io, manantona an'ilay olona niantso teo zany ny rehetra, ka ilay ambodia teny @ sisiny no manenjika, ka izay tratra dia izy indray no lasa ambodia)
17. isrine ( 12/03/2004 10:02)
Jomaka

jomaka, jomaka, jomaka mandéndé
tsy matahotra couvra fé
na kely na lehibe,
na antitra na tanora,
tsy matahotra ny antanimora
jomaka, jomaka..... miverina @ voalohany.
kilalao izy io, manao faritra boribory , mizarazara
fa efa tsy tena tadidiko ny filalaovana azy. raha misy mahay dia mba lazao e!
18. isrine ( 12/03/2004 10:04)
hanao tsianjery: ry rano

ho aiza ny dianao anio
ry rano misosa madia
hiakatra ho any antanana
ho rano sotroina sasana
19. mabloo ( 23/04/2004 11:02)
ity koa ry zareo mbola izy a!

j'aime la galette e
savez vous comment
lokanay sosety e
afangaro @ ana-tsina!

oh drala la la la la lalala
dra la la la la lalala
20. mabloo ( 23/04/2004 11:05)
ary ity nga adinonareo:

les petits lapins sont allés danser
aller sauter
les petits lapins sont allés danser
au milieu de nous

dra lalalala lalala lala
lalalala lalala
dra lalalala lalala lala
la la la la la
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2328