You are here: home > Forum

Inona no tokony hatao?

Lohahevitra : Sarimihetsika
Fitohizan'ny hafatra : Inona no tokony hatao?
Valiny : 19
jhouhlambout - 03/02/2004 15:22
Tokony ampisehoana eran-tany ve ny Film Malagasy?
Valio | Miverina eny ambony
sipagasy - 03/02/2004 17:06
fa inona moa ny misakana??? izahay aty am-pitandranomasina izao dia mba liana mihintsy ny mba hahita izany sangan'asan'ny gasy izany.
Valio | Miverina eny ambony
kally - 03/02/2004 18:40
Inona moa ny olana rehefa mahafeno ny fepetra ho amin'izany izy?
Valio | Miverina eny ambony
donemaskit - 03/02/2004 19:41
film Gasy @ teny gasy ve ?! tsisy hiraharaha an'zany... hafa tsy hoe documentaire nga.

Na hananana aza ny teknika sns, raha tsy manana originalité (oh : Tigre et Dragon, Fabuleux destin d'Amélie Poulain, ... ) tsy handeha mihitsy.
Valio | Miverina eny ambony
kally - 04/02/2004 21:20
Ka izy angaha manontany hoe hisy hiraharaha sa tsia fa tokony hamùpisehoana eran-tany hono ve?Ka rehefa te-hampiseho izy aleo hmpiseho .
Valio | Miverina eny ambony
imasoandro - 05/02/2004 12:25
arosoy ary ny hevintsika hoe inona no mety hampiavàhana (originalité)ny film gasy aseho maneran-tany e!

Valio | Miverina eny ambony
nananie - 05/02/2004 15:48
Ny originalité?Izy @ teny gasy!
Fa raha amiko manokana aloha, dia tsy hitako izay tsy hafahana mampiseho azy .Marihana anefa ho perte fotsiny io!
Valio | Miverina eny ambony
donemaskit - 07/02/2004 10:33
ka zay nge no tsy azon'i Kally e. Tsy moramora nge ny mamoaka film aty an-dafy e, fa raha manana vola hariana fotsiny nga...

Ny originalité hitako zao dia eo @ lafin'ny décors, sy ny mozika... raha mpanoratra mahay koa dia scénario miresaka ny quotidien-n'ny Gasy mahantra.
Valio | Miverina eny ambony
ikaretsaka - 07/02/2004 11:54
ka atomboka amin'ny zavatra tsotsotra aloha fa tsara ko... karazan'ireny friends ireny ohatra fa tsy mitady ilay effects special be ireny
Valio | Miverina eny ambony
donemaskit - 07/02/2004 12:13
dia sahy ny hamoaka an'zany aty an-dafy ve Ikaretsaka ?
Friends nge ka tsy moramora e, teknika efa mandroso no anatontosaina azy (oh : film-na 35 mm, lumières, costumes...) raha tsy zany ohatran'ny Hélène et les garçons.
Valio | Miverina eny ambony
ratsiraka - 07/02/2004 18:16
Atao @ teny gasy dia asiana sous-titre en francais eo ambany.
Zany zao mety
Valio | Miverina eny ambony
imasoandro - 09/02/2004 21:16
toa tsy ratsy ny hevitry Donemaskit!

matetika ny vazaha aty andafy tsymahita afa-tsy ny aratsian'i madagasikara sy ny fahatrany ka mety vao maika mahaliana azy raha toa ka hitany an-tsary tokoa ny quotidien an'izany olona sahirana dia sahirana zany...
Valio | Miverina eny ambony
kally - 10/02/2004 17:33
Inona indray no lazain'i Donemaskita fa tsy azoko eo?Izy manontany ka raha te-hampiseho izy avelao hampiseho.Manontany izy dia mamaly aho ka izy hono t-hampiseho koa.
Sady tsy mamely izany maka tahaka friends sy ny tariny izany,tsy manintona ny olona izany.
Mbola sarotra io ,matetika toa "arte" no mpandefa an'ireny sarimihetsika tsy mahazatra ireny,toa manampy aza zareo amin'ny fanantontosana azy raha tsara ny hevitra fa tsy izao sakorokatà rehetra izao.
Valio | Miverina eny ambony
donemaskit - 14/02/2004 11:26
inona ilay hevitra tsara zao ohatra ?
Valio | Miverina eny ambony
kally - 18/02/2004 17:24
Jereo hoe maninona ohatra ny sarimihetsika sinoa no nahazaka tsena iraisam-pirenena.Dia ohatr'izay e!Inona no mampiavaka an'i Madagasikara ohatra:ny ady t@ 1947 ohatra ny hevi-dehibe,fa araraotina io hanehoana ny tontolo gasy:ny zava-maniry,ny biby ,ny fombafomba toy ny ody gasy,ny hira gasy,antsipiriany fotsiny ireny fa ny vontoatiny ny ady sy ny fanjanahan-tany,wagon Moramanga,ny fanamboarana ny lalamby.Dia mila zavatra matotra tsara sady matianina afaka mifampitaha ny fakana sary sy fandraisam-peo avy any ivelany fa tsy zavatra kimotramotraka.
Valio | Miverina eny ambony
ikaretsaka - 18/02/2004 18:28
ary ahoana ilay gasy mahita camera aloha dia mitangorona eo aby!
Valio | Miverina eny ambony
donemaskit - 18/02/2004 19:57
phénomène mampimé !!!! dia manao fihetsiketsehana be sns... atao @ bêtisier reny !
Valio | Miverina eny ambony
laurie - 07/04/2004 18:56
salama oo!
efa niezaka ihany ny tenako niditra hichat fa tsy nety. Ka mba sao de azonareo hatoro????
misaotra oo!!
Valio | Miverina eny ambony
jhouhlambout - 08/04/2004 22:02
sao dia ilay mpihira io hm?
Valio | Miverina eny ambony