NY KABARY

1. naritsimba ( 03/02/2004 10:18)
Manahoana daholo eh!
Amin'ny maha-mpikabary ny tena dia mametraka fanontaniana aminareo ny tenako hoe: MOA VE MBOLA ILAINA NY KABARY AMIN'IZAO ANDRO IZAO.
Ny hitako mantsy dia betsaka ireo mpikabary nefa dia ataon'ny sasany fitadiavam-bola ilay izy.
Ary maro amintsika ankehitriny no tsy mahatanty mihaino olona mikabary.
Koa miandry ny fifanakalozan-kevitra avy amintsika tsirairay.
novalian'i gasitiako ny 10/08/2004 09:48
2. donemaskit ( 03/02/2004 11:36)
Mahafinaritra ny kabary raha tsy diso lava loatra, manjary mampatory be dia tsisy mihaino akory.
3. samoina ( 03/02/2004 12:58)
Izay halavany izay koa no maha-kabary azy ô ! Isika Malagasy tsy tia vantambatam-piteny sao mandratra fo na mandiso fanantenana ny hafa.Izay no anisan'ny hianarana kabary.
4. jhouhlambout ( 03/02/2004 14:25)
Noho izany: Ilaina ny kabary fa mila renouvellement:
1- Ny halavany
2- Ny teny ampiasaina: teny Vao²
3-Ny fanatontosana azy
4-
Efa fantatry ny be sy ny maro ny 4
5. donemaskit ( 03/02/2004 18:03)
Ilay endrika poetika iny no mahafinaritra ahy @izy ireny.
6. fijo ( 05/02/2004 16:29)
jiulahimboto,aza maka fehiny mora toa io.
ny kabary dia io alavany io no maha izy azy.isika no tokony hizatra mihaino azy,fa tsy izy no hafohezina.
ary ny teny dia ny teny taloha ihany,fa tsy tokony hatao vocab vaovao.ny hitazona ny maha izy azy no ilaina,izay no maha kolontsaina azy.
ary tokony asiana fampianarana any an tsekoly mihintsy io,mba ahalalan'ny ankizy azy.
(izaho izao taty dia faly,fa misy neveuako 2 sy niece 1nahazo diploman'ny kabary.)izy telo ireo anefa taloha isaky ny entiko mijery hira gasy sy mihaino kabary dia mitaraina foana.hay nisy vokany ilay izy izany izao.
7. naritsimba ( 05/02/2004 17:51)
Misaotra anao aho ry fijo fa hay mba misy manohana ihany ny hevitro.
Izaho aloha dia tena mpankamamy ny kabary satria izaho dia mpikabary sady mpihira gasy.Efa misy sekoly anankiray izao no mampiditra ao anatin'ny fandaharam-pianarany ny fampianarana ny kabary.izaho rahateo dia sady mampianatra kabary maimaim-poana na dia tsy manana toerana raikitra ampianarana aza.Fa izahay kosa dia manana fikambanana mampianatra kabary maimaim-poana ihany koa.
"Tiako ny teniko fa lova avy amin'dreniko"
Misaotra
8. ratsiraka ( 05/02/2004 19:59)
Momba ny Kabary:

"Ny omby rohizina amin'ny tongony,
ny olona rohizina amin'ny vavany"
9. fijo ( 06/02/2004 20:43)
ratsiraka rohizina amin'ny volony.
10. ikaretsaka ( 07/02/2004 11:58)
Fijo rohizana @ fehikibony
11. kally ( 07/02/2004 11:06)
Ikaretsaka androhizina ny varavarana.
12. fijo ( 11/02/2004 12:07)
ikaretsaka rohizina amin'ny corde glitany.dia mitomany.
13. ikaretsaka ( 11/02/2004 13:18)
rehefa tsy tapaka eo am-pamoronankiza na eo am-pi groovena ny corde gitara de tsy mampitomany ahy ka..
fa hozizy ilay Mpampianatra anahy izay hoe ny kabary ohatran'ny zipo... tsy atao lava loatra fa tsy manintsona moa tsy atao foa loatra fa fa tsy maharakotra ny zava-dehibe
14. ikaretsaka ( 11/02/2004 13:23)
rehefa tsy tapaka eo am-pamoronankiza na eo am-pi groovena ny corde gitara de tsy mampitomany ahy ka..
fa hozizy ilay Mpampianatra anahy izay hoe ny kabary ohatran'ny zipo... tsy atao lava loatra fa tsy manintsona moa tsy atao foa loatra fa fa tsy maharakotra ny zava-dehibe
15. pitchou ( 11/02/2004 14:23)
betsaka ny zavatra azo ampisehoana @ kabary, ary mila fahaizana manokana mihitsy. ohatra ny fanodinana ny zavatra tsy misy mi-remarquer akory ho zava-mahaliana ... tsy manakaleo mihitsy ny kabary na lava toa inona raha hain'ilay mpikabary ny misintona ny sain'ny olona. mba asaina fampiomehezana tsindraindray ... tsy voatery ny voambolana taloha ihany fa azo ampidirana tsara ny teny ankehitriny.
16. donemaskit ( 11/02/2004 18:10)
ie, arakarak'ilay mpikabary koa io, indraindray manao tsianjery maimbo fotsiny dia na ny mihaino azy aza lasa mandreraka ; "art" toy ny rehetra ihany io, ka raha tsisy originalité dia ratsy be.
17. fijo ( 12/02/2004 11:33)
hay radone ity maharaka ihany ko.tsara letsy e.
18. naritsimba ( 12/02/2004 10:39)
Marina daholo ny anareo ireo, fa ny kabary dia misy ny famaritana azy:
Ny atao hoe kabary dia: LAHATENY ATAO AMIN'NY FEO AVO KA RAVAHANA OHABOLANA SY HAI-TENY MBA HANINTONA NY MPIHAINO AZY.
Koa raha ny halavany no jerena dia arakaraky ny zava-misy no maha-lava sy maha-fohy azy.
19. donemaskit ( 12/02/2004 12:54)
saotra e!
20. fijo ( 13/02/2004 10:12)
fanazavana toa io no tena ilaina.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.1074