hevitra momba ny fitadiavam-bady

1. xxx ( 01/02/2004 09:22)
Hono hoa: tena tsy azo atao mihitsy anga izany mitady vady izany eto ....? Toa raha vao misy an'io teny vady io dia vazivazin'y sasany fotsiny ...mahagaga izany fa amiko tokony ho fomba tsara hifankalalan-tsika ity forum ity sy alalana ny tena problème tsika malagasy momba ny maha "tabou " io fitenennana io satria , raha samy malagasy isika no eto kony ahita izay tavin-tsika eto raha mba samy sérieux daholo
novalian'i harry5 ny 23/09/2005 20:00
2. xxx ( 01/02/2004 13:55)
Marina tsy Tokony misy azo lavina ny teninao.
3. xxx ( 02/02/2004 20:08)
Izaho koa de miombon-kevitra aminao saingy ny ankabeazany ny olona mihitsy no tsy de matotra @ izy io
4. fijo ( 03/02/2004 09:34)
azo atao tsara ny mitady vady n'aiza n'aiza.fa ny tsara angamba,dia ny manoratra mivantana amin'ilay olona,fa tsy atao mibaribary eto.satria lasa na izy te ho serieux aza,menatra.mahazahoa e
5. kally ( 03/02/2004 19:36)
Marina io alzain'i Fijo io,ohatranao mba mikôty sipa ihany io,maninona matetika ny olona mifandamin-dresaka no maka sisintsisiny na mandeh mihataka mody mba hoe hivoaka kely haka rivotra?Satria tsy tiany ho re sy hitann'y olona izay resaka sy fihetsika ifanovan-dry zareo eo,dia ohatr'izany koa ny eto.Iza no hanaiky be eto imason'ny namana rehetra eto raha tena matotra?
6. xxx ( 03/02/2004 18:06)
Ka izay koa anie no hametrahana ny adress mba ahafahan ilay olona manoratra mivantana any @ adress-nao e!
7. fijo ( 04/02/2004 20:31)
na ato amin'ny namana aza anie dia hafaka mandefa hafatra e.fa tsy eto amin'ny forum.tsy ahita valiny serieuse eto ianao.
8. xxx ( 04/02/2004 19:03)
978 ny isan ny vehivavy 1800 mahery eo ny isan ny lehilahy raha tsy diso aho,tsy ahitana valin-tenin olona matotra hoy Fijo,mampalahelo izany raha tena marina.

Hery>Hevitra ny ahy fa tokony tsy azo asiana valiny anie ilay antson ny fo e!,manjary tsy ilay olona matotra mihitsy no mamaly,apetraka fotsiny ny zavatra tianao ho tadiavina @namana sasany sy ny adress-nao dia izay,sa ahoana?,tsy aiko aloha fa mba hevitra ihany ny ahy fa izaho na dia izany ary mba efa nihaona sy niresaka t@ olona matotra tato.


9. hery ( 04/02/2004 19:40)
Marina io resaka io.
Izao koa anefa.

Mametraka antson'ny fo eto ianao ho an'ny rehetra. Tsy izay valiny eto no raisina fa izay mamaly any aminao manokana.
Raha ohatra moa ka anonyme enao eto dia izay valiny eto izany no iaretana.

Mbola hodinihana lalindalina koukou io fa aleo aloha ho vita ny exam-ko.

Ok
10. fijo ( 05/02/2004 20:28)
io voalazan'i hery io no marina.eto imaso eto tsy misy hanao serieux,fa ary amin'ny namana no mifanoratra,tsara.ary any serieux ny ankamaroany.
11. six ( 18/02/2004 19:31)
mamaly in-1 eto dia asio farafaharatsiny ny pseudo-nao dia any ny olona mamaly tsara, raha eto anie tonga dia miseho télé be mintsy e, d samy mody fanina sy mananihany daholo. izay ary.
12. fijo ( 19/02/2004 09:16)
marina izany rasix
13. ari.malala ( 19/02/2004 10:54)
ka ny sasany aza xxxx no ataony eo ka aiza kosa moa no amaliana azy! ra te hanoratra any aminy mivantana zany d aôna? sa ve efa misy ny pseudo xxx?
14. ikaretsaka ( 19/02/2004 15:40)
ny eto @ antson'ny fo tokony tsy ankanafina pseuydo fa eritrereto fotsiny hoe ny hiantso sy hifampiutady indray ve no miafina?
15. donemaskit ( 20/02/2004 20:01)
mahagaga ...
16. fijo ( 20/02/2004 10:37)
ireny ilay mitady matahotra ahita ka
17. six ( 02/03/2004 11:58)
fa nga marina natahotra njay? hatramin'izao mbla tsy nteny hiany
18. fijo ( 03/03/2004 10:01)
tsy te ahazo izy e
19. kitjo ( 04/03/2004 16:40)
manao saka sy voalavo d refa hita d oe posy aho kalongany refa tsy miteny anarana
20. paollah ( 03/06/2004 05:15)
Tsisy azo lavina ny hevitra voalaza ny volahany inddra teto, izaho koa dia tena sahy milaza fa tsy ampy ilay fahamatorana eto fa hanihany no betsaka, kanefa tena misy mitsy no mitady vady amin'ny alalan'ity site ity, tsy mbola zakan'ny toe-tsaitsika gasy koa angamba, hevitra tsara ny mametraka ny pseudo miaraka @ adresse mba hisian'ny intimité sy ny fahamatorana lalindalina koko amiko.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0942