Fivarotan-tena

21. psykatr ( 18/02/2004 18:58)
Ka io koa ange lé wé: Mba te ahita izany Andafy izany hono, dia ry zalahy Proxenetes no manao ny taratasiny, en échange, rehefa tonga dia mivarotra.....
22. pitchou ( 18/02/2004 14:25)
gravy be izany! ny ao La Réunion aloha no efa hitako! misy aza renim-pianakaviana mody hoe hanao vakansy nefa lasa e! menatra ny tena satria lasa heverin-drizareo fa rehefa gasy dia izay no anton-dia any!
23. fijo ( 19/02/2004 09:42)
ao la réunion aloha dia efa izay e,izay no anambanian'dry zareo ny gasy ao.aty misy,fa tsy dia toa ny ao kosa.fa mahita aho,na eto marseille aza.
24. ari.malala ( 19/02/2004 11:30)
T@ za mbola mpiasan'ny hotely lehibe iray eto Antananarivo dia nisy fotoana niresahako t@ 1 @ izy ireny fa ny nambaran'ilay vhv dia hoe tsy ampy fitiavana avy @ vadiny hono izy, ao koa ny tsy fananana ary ao koa ny fitiavana hahazo vola moramora, izao manko no noyteneniny t@ zay, ilay hiasa anie aky, mety ho vita ihany fa ilay gidragidra no tsy ho tanty ê! sady ny azonareo 1 volana 1 alina no azahoanay azy! misy koa ny sasany mba te hihaingo toy ny namany d nefa tsy maharaka ny RAD, voalazan'ny gazety indray mandeha aza fa mivaro tena mba hividianana Jeans sy gouter ny zazavavy aty Dago! mampalahelo!
25. donemaskit ( 19/02/2004 12:29)
dia tena tsisy azo hatao mihitsy ve ankoatr'zay ?
26. ari.malala ( 19/02/2004 13:14)
eny ê! @ lafiny 1 tsisy satria ra hivarotra oh hoe entamadinika enao, ny mpivarotra indray efa maniry ohatran'ny bozaka aty ary enjehina aza, nefa koa @ lafiny 1 afaka ihany, oh hoe mankany @ zone franche na miverina eny ambanivohitra miasa tany sady mamokatra ê! sady mampidi bola no manabe voho ny tany, fa any @ fanjakana koa no tena ilàna hevitra ê! @ famoronana asa.
27. pitchou ( 19/02/2004 14:14)
angamba ny olana fototra koa dia ilay te-hanankarena tampoka na ilay rendrarendra fotsiny; te-hiseho!
28. fijo ( 20/02/2004 11:05)
izay mihintsy ry pitchou.ka izay no nilazako hoe ny toe tsaina aloha no mila miova.satria ilay te hanana vetivety anie tsy hita akory ny vokany e.
29. ikaretsaka ( 20/02/2004 13:44)
fa ny olana hoa hoe amin'ny fomba ahoana?
Ny mpivarotena matetika dia be lavitra kokoa nohon'ny vola azon'ny olona sasany ao anatin'ny 1 volana ny azony ao anatin'ny herinandro!dia ahoana ny fika hanavotana azy?
30. pitchou ( 20/02/2004 14:29)
ny zavatra matetika mpitranga aloha dia tsy manafina ny asany izy fa tsy afaka mirehareha aminy. izany hoe henatra ho azy ihany. ambonin'izay exposées kokoa @ aretina rizareo. dia eo ilay hoe niditra t@ makarakara ilay vola dia nivoaka t@ kilôdôka! asa! mety tokony hisy fampianarana an-drizareo ny mikasika an'izany ve? fa raha any an-dafy dia azo heverina ihany angamba ny assistance sociale o?
31. isrine ( 23/02/2004 18:33)
mampalahelo e! fa tsy ny vehivavy irery ihany ankehitriny no mivarotra an!
32. eritreritra ( 23/02/2004 20:04)
fa ny lehilahy koa ve ry isrine ?
amizao aty madagascar misy projet hoe hanafona ny mpivarotena eny antsisindalana eny , indrindra fa le eny tsaralalana ireny, de araka ny eritreritrareo, mety ho tanteraka ve zany ary mety hahafoana ny fivarotantena koa v ?
33. unik ( 04/03/2004 19:16)
alao jerena sur terrain mihitsy izany dia mazava e
34. isrine ( 12/03/2004 09:24)
eritreritra: fa inona kay no atao hoe mivarotra? tsy izay mahazo vola? fa ny an'ny lehilahy mbola tsy dia malaza, ireny mandeha any @ toilette ireny, ohatra.
35. eritreritra ( 12/03/2004 12:25)
hihihi
zay ndray ro mbola tsaro hitako tany an-tsenan'alakamisy ry isrine
:))
36. ikaretsaka ( 16/03/2004 14:16)
eritreritra hoa mba mila miboaka lavitra fa aza hidiana ao io eritreritrao io
37. isrine ( 18/03/2004 20:19)
eritreritra: marina anie akia io e. Zao manko e, satria efa ny vehivavy no nanao io asa io hatr@ ela dia asian'ny lehilahy tsindripeo ery, fa ankehitriny efa misy ny lehilahy ary mitombo an'isa, fa ry zareo lehilahy mody tsy miteny satria mahatsiaro menatra.
38. angie ( 18/03/2004 10:35)
Tena mampalahelo ilay resaka e. Mety afaka manampy ihany anefa, raha izaho aloha no lehilahy dia mandoa aho na dia vao mieritreritra fotsiny aza.
39. kitjo ( 21/03/2004 10:43)
efa bdb ny lehilahy manao anzany amzao,tsy pelaka an, fa aty misy agence manao pub d lehilahy fts hono n okarakarainy,d zarainy taratasy "leaflet"le pub reny dol ny vevavy eny andalana.

Fa ny tena mampalahelo aloha d le ankizy kely e,tany Diego aho d nisy fotoana tsy nampianarina aby ny ankizy vavy fa misy sambo tonga oe d alefa "mikarama" any aby zareo,
Misy ankziy kely vao 12ans,d misy aza oe ny RAR mitsy no mandefa azy,d misy koa ramatoa alefan' vadiny,
Io ndray angamb lo resaka fitadiavana e
Fa le sekoly tokony manabe nefa mandray anjara no tena zava-doza
40. ikaretsaka ( 21/03/2004 19:48)
tany morondava koa aho o naheno an'io... "manao zaza fotsy" hono ary culturen-dry zareo mihitsy io
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1161