tsy fitoviam-pinoana

1. jessicac ( 29/01/2004 10:05)
fa maninona kay no misy olona roa mifankatia be nefa misaraka noho ny tsy fitoviam-pinoana.lasa ady lay izy.nefa ve tsy tokony hifandefitra? sady hoy koa ny baiboly hoe "...fa ny fitiavana no lehibe indrindra amin'ireo..."
2. ravatorano ( 29/01/2004 11:28)
raha tena mifankatia sy mahay mifandefitra tsara izy roa dia tsy olana mihitsy izany.
Zà mananjandry manambady hafa finoana aminay menakaby fa tsy misy olana mihitsy teo amin'dry zareo na teo amin'ny fianakaviana roa tonta ary izany dia hatramin'ny nanombohan dry zareo niaraka ka hatramin'izao zà miteny izao.
3. naritsimba ( 29/01/2004 11:55)
tsy misy olana io rehefa mahay mifanaja fa tsy manambany ny finoan'ny hafa.
Tadidio anefa fa ny lahy no lohan'ny vavy tahaka an'ny Jesoa Kristy lohan'ny Fiangonana.noho izany dia ny Finoan'ny Lehilahy no arahin'ny vehivavy fa tsy ny finoan'ny vehivavy indray no arahin'ny lehilahy.
Misy fitenintsika Malagasy koa manao hoe:Ny vehivavy mpanaraka.
4. rikcs ( 29/01/2004 12:47)
Rehefa tena mifankatia de tsy ho ravan'izany mihitsy ny tokantrano, fa matoa rava dia tsy mbola matotra tsara.Tsy voatery kosa anefa hoe hanaraka ny finoan'ny lahy na ny an'ny vavy fa samy manana ny safidy hitondrany azy ny mpivady tsi11
5. hendry ( 29/01/2004 13:18)
ka io anie tsy miankina @ mpivady ihany na ny mpifankatia e. Matetika ry zareo tsy mametraka olana fa ny fianakaviana ihany no sarotiny. Mety hiteny sika hoe koa raha tsy ny fianakaviana no hanambady azy koa, nefa amintsika gasy mbola mipetraka foana ilay hoe manao zay tsy ialana @ fianakaviana ka manaraka ambokony ny fomb sy ny fady misy ao.
6. hendry ( 29/01/2004 13:19)
Fa amiko ts ytokony ho olana io raha mahay mifanaraka ny roa tonta.
Zaho kosa nefa tsy manaiky ilay tenenin´i naritsimba hoe ny lehilahy foana no arahina, ifanarahana io fa tsy voatery zany
7. donemaskit ( 29/01/2004 13:20)
mitovy hevitra @nareo, ny Fitiavana tokoa no lehibe indrindra.
8. samoina ( 29/01/2004 14:13)
Hamaliana an'i Jessicac:
Mpifankatia samy finoana kristianina= matetika ny katôlika sy prôpestà no ohatra maro hita.Ny antony: tsy mitovy ny fomba fanao eo @ vavaka fangatahana indrindra indrindra moa ka ny prôpestà tsy manaiky an'i Maria ho mpanelanelana ary Rakatôs véxé @ izay heveriny fa tsy firaharahiana ny renin'i Zezo izay.Ny fianakaviana manasaro-javatra no hiavian'ny olana fa tsy avy @ mpifankatia.
Ny olana indray raha katô na prôpesy mitia advantista dia ilay tsy fihinanana jambon ary ny fahasamihafan'ny andro sabata no hiavian'ny olana. Mbola ny fianakams koa no manisy olana satria raha izy mpifankatia afaka hifanaraka hanao végétariens !!
Raha kristiana sy ny finoana silamo
indray dia efa be no voalaza teo aloha . A leurs risques et périls izay sahy mifankatia...
9. fijo ( 30/01/2004 09:04)
io voalazan'i samoina io no mahafehy azy.
10. ikaretsaka ( 30/01/2004 15:18)
ny ankizy no mijaly: ho lasa katostant sa protelika? sa Advanstant sa Temoin de Allah Sa Mormindou?
marina ilay izy ry ray amandreny hoe ny fitiavana no lehibe indindra; nefa toa ohatran'ny fitiavanareo ny tenanareo fotsiny ihany izato izy kanoo!

Zahay ankizy izay akory? Atao Batisa Protestant dia Atao Kominio Voalohany Katolika dia Atao Fankaherezana katojika dia raisina mpandray protestant?
Androany Mivavaka manaraka an'i dada dia Ranampitso mivavaka manaraka an'i Mama .. androany manao Arahaba ry maria, rahampitso hoe tsy ilaina izany maria izany??
11. jessicac ( 30/01/2004 16:30)
Marina aloha e! dia tantaraiko anareo fa za mahafantatra olona: protestant ny ray aman-dreny, katol ny zaza sasany....samy mandeha @ izay tiany ry zareo!!!!! Raha samy katol na protest na loter na anglik anie tsy d kwa zany e! fa ankehitriny mantsy misy an'itony karazana finoana hafahafa itony miforina etsy sy eroa.
Misaotra aloha ry Samoina nampihomehy vao maraina t@ ilay resaka jambon!!!!!! fa raha ny resaka végétarien tsy voako e!
Ra za klo dia tsy dia zava-dehibe ilay tsy fitoviam-pinoana fa ny fifandeferana sy fifanajana no tokony hibahana raha toa ka misy zavatra mifanipaka be
12. ravatorano ( 30/01/2004 11:28)
Ity nisy zavatra nitranga anakiray : nisy jô niara nilalao vovoka taminay zay niaraka tamin'ny kôfa iray izay ary dia tsy tanteraka moa ny fanambadiany taty aorina .
Ny antony v ? Tsotra ihany ilay jô dia fjkm sady leben'(ny dekonne ny rafaïniny le kofa tsy manampinoana , tsy manampiangonana na dia ny R@R azany.Gaga sy nivalaketraka ny rehetra.Lery tsy nety hanao mariazy satria aiza no hiditra ? Dé nanomboka teo ny olana , dé nitatra ka niafara tamin'ny fisarahana rehefa nifanjeny teny roa taona.Manahirana ihany lé izy.
Zà zao tsi mihinana jambon rehefa mankany amin dranabavy satria advan ny vadiny , levaly indray rehefa tonga any aminay dia manao rahaba ry maria fa izy mantsy nianatra tamin'ny sekoly katô talou !
de mahay !
tsisy ny olana
13. kally ( 31/01/2004 10:34)
Ka io rehefa tsy Andriamanitra no mibahana ao an-doha fa ny endrika ivelany dia izay no hiafarany : tsy mikatsaka an'Andriamanitra intsony ilay olona fa ny mikatsaka ny voninahiny manokana.Satria raha tsy atao any @ protestanta ve ny mariazin-janany dia afa-baraka izy @ maha-diakona azy ?Tsy ao an-tsainy hoe rehefa nohamasinina teo anatrehan'Andriamanitra ny mariazy na taiza na taiza dia izay no zava-dehibe.
14. miara ( 02/02/2004 20:34)
zahko de mitovy hevitra @ i karetsaka,refa mande ny fotona any aoriana any ,tsy maintsy mitranga ihany ny olana-sady na de mifankatia ary anie,mihaina miaraka aman'olona ihany e,tsy maintsy mba misy convention arahina ihany @ société.
Fa arakany lazainy samoina hoina hoe à leur risque et peril
15. fijo ( 03/02/2004 10:35)
ny ahy dia tsotra.tsy misy arahako,fa aleoko;mitsangatsangana ny alahady.
16. ikaretsaka ( 07/02/2004 11:33)
dia midera an'andriamanitra amin'ny hakabnton'nynatiora eny ampitsangatsanganana eny?
17. fijo ( 11/02/2004 11:55)
ie maka tsiron'ny natiora.
18. ikaretsaka ( 12/02/2004 13:31)
Kally: ilay doctrine kato sy prot io e.. Ny katho zao mino hoe Sakramenta ny mariazy ( jereo ny dikany raha nianatra katesizy ianoa taloha ) fa ny prot dia hoe fanamasinana fotsiny... sns sns
19. fijo ( 13/02/2004 09:58)
nefa samy tsy misy hasiny ireo ka.
20. kally ( 13/02/2004 20:36)
Ka io doctrine doctrine io no olana,te-hiseho fa ny hevitro no marina!dia aiza Andriamanitra?Ary olana tsy tokony hipetraka izany tsy fitoviam-pinoana izany ho an'ny samy kristianina raha tena Andriamanitra marina no tadiavina.Izany aza efa hoe samy kristianina koa mbola finoana inona indray no tsy mitovy?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1278