hira gasy

1. fijo ( 28/01/2004 11:45)
nandalo ilay hevitra tao amin'ny trondro,fa tokony asiana toerana manokana hoazy.
vitsy sisa ny mpihira gasy ary toa ambanian'ny fanjakana ny momba andry zareo,koa inona no hevitra mety mba hampaharitra azy.
2. kally ( 28/01/2004 15:32)
Ny olana koa,ny mpihira gasy sy ny famadiahana mifaningotra,ka asa re! na izaho koa aza tsy hitako ny hevitra.
3. ikaretsaka ( 28/01/2004 16:50)
tsy ampy production ko..sady ilay mampiditra azy studio koa vinany ihany fa misty an'ilay hoe tsy maintsy mandrora paraky foana isaky ny 5 minitra..ect. Efa experience io
4. pitchou ( 28/01/2004 17:57)
izaho indray nefa mahita fa miha mahazo vahana ny hira gasy! ary natao ho fitaovana hampitaina hevitra mihitsy aza!
5. donemaskit ( 29/01/2004 09:21)
aôna ilay hoe "ambanian'ny fanjakàna ny momba azy ireo" ?
6. fijo ( 29/01/2004 10:51)
tsy misy fikarakarana mihintsy.tokony mahazo subvention ny tarika hanampiana azy.
ny hevotro dia izao,maninona raha ny mahay arrangement toa andr i silo ireny,raha miara miasa amin'dry zareo eo amin'ny fampirindrana.asa.toa tsara mantsy ilay niaraka tamin'i bodo.
7. ikaretsaka ( 29/01/2004 16:51)
ka io efa voalazako io ambony io ko.. vinany ny miara miasa serieux amin-dry zalahy zatria ry zareo tsy mbola zatra loatra ilay miasa en studio... ohatra fotsiny io mila mandrora parakt isaky ny 5 minitra io.. ny sasany indray vao mahita ilay micto dia tsy mivoaka hono ny feony
8. ikaretsaka ( 29/01/2004 16:52)
ka io efa voalazako io ambony io ko.. vinany ny miara miasa serieux amin-dry zalahy zatria ry zareo tsy mbola zatra loatra ilay miasa en studio... ohatra fotsiny io mila mandrora parakt isaky ny 5 minitra io.. ny sasany indray vao mahita ilay micto dia tsy mivoaka hono ny feony
9. naritsimba ( 29/01/2004 11:41)
Izaho dia tena tia sy mankafy hira gasy.Ary manao hira gasy koa aho fa Hira gasy kristiana, ary avy ao anaty Baiboly no hakana ny tononkira.Raha tianareo ho fantatra tsara dia jereo ao @ TONONKIRA fa efa ao ny ankabeazan'ny Tononkiranay.Ny anaran'ny Tarika dia HANITRA NENTIN-DRAZANA.
Izahay aloha hatramin'izao dia ny tsirairay no samy miantoka ny tenanay fa mbola tsy nitady fanampiana t@ fanjakana izany eh! Isika malagasy rahateo ange dia tena manao VALALAN'AMBOA KA NA NY TOMPONY AZA TSY TIA EH! Izao no hevitro:arakaraky ny olona tsirairay no itiavany ny hira gasy na tsy itiavany azy(safidy io).
Matoa koa ange ny olona na ny fanjakana manampy dia ao raha eh(tsy maintsy misy foana ny 10°/°) Asa na rahoviana vao hiova ny toe-tsaintsika izaho dia tena mankafy tokoa ny hira gasy.raha misy afaka manampy anay @ nareo Namana dia raisinay an-tanandroa fa mitady mpanohana izahay fa hiditra studio @ ity taona ity.
ho hitanareo anga rehefa vita ny "clip" eh!
Misaotra mialoha
10. samoina ( 29/01/2004 14:27)
raha ampidirina studio na asiana mikrô ve ranamana isany tsy ho lasa ny tsirony maha-hira gasy voa-janahary azy ? tsara amiko raha iny ankalamanjàna mihoso-bovoka iny ihany no hangalàna oronampeo sy sary. Iny mandrora paraky matetika @ tany iny tsy azo esorina
fa efa tandra vadik'hoditry ny mpihira! sa ahoana hoy nareo ?
11. fijo ( 30/01/2004 09:20)
ny CD moa izany no mila studio,fa ni tiako lazaina rataxi dia ny fandrindrana ny mozika, ny feo,ary ny dihy sy ny akanjo.izany hoe mba miala ilay amateurisme,hanome zavatra mirindra sy azo hamidy kokoa.
12. naritsimba ( 30/01/2004 16:54)
Tena tsy manan-kavana mihinam-paraky mihitsy ve ianao ry samoina, mba henoy ilay hiran'i Voahangy hoe "Havako" dia ho hitanao ny tsirony.Mino aho fa mbola tsy nijery hira gasy ankalamanjana mihitsy ianao na indray mandeha aza.
Izahay tsy misy mihinana paraky na iray aza nefa kosa tsy manambany ny mpihinam-paraky izahay.Tadidio fa avy @ hira gasy no nakan'ireo mpamoron-kira madinika(varieté) ireo ny hirany matetika ary ny mpihira gasy koa mba maka ny an'ireo mpihira madinika ireo ihany koa.
Tsy afaka misaraka ireo zavatra roa ireo.Koa dia aza haratsiana re ny Hira gasy eh! ny hira gasy sy ny kabary ange sisa no tena kolo-tsaina Malagasy sisa tavela eh!
13. kally ( 30/01/2004 20:57)
Aiza kosa ary izay Samoina manambany ny mpihina-paraky eo ry Naritsimba?Izy koa aza io mba miteny hoe ireny rehetra ireny nbo maha-mpihira gasy ny mpihira gasy ka lazain'i naritsimba hoe manambany izy?Tys haiko aloha e!tsy ho avy eo ve moa izy hanazava ny heviny.
14. samoina ( 30/01/2004 10:45)
Heverin'i Naritsimba fa maneso ambadika aho angamba. Tsia dia tsia fa hevitro tokoa io ary vakio tsara dia azonareo tsara angamba !
Nanana tahiry vidéo an-kalamanjana tokoa ny tenako saingy nisy nindrana de "sambo nilentika ".Alaheloko tokoa satria ny tenako mihintsy no naka izany t@ caméra tsotsotra ( mbola tsy nisy numérique moa t@ izany )
15. naritsimba ( 30/01/2004 11:21)
Izaho indray aloha dia gasy ary gasy ray gasy reny, ary tsy menatra amin'ny maha Malagasy ahy mihitsy, saingy izao aminareo miresaka Hira gasy ireo impiry ianareo no efa nanatrika Hira gasy?
Izahay hatramin'izao dia mbola tena manenjika mijery hira gasy na aiza na aiza misy indrindra rehefa @ ilay fotoanan'ny foara iny na ny 26 Jona fetim-pirenena.Amin'ireny mantsy no tena fampiadiana hiragasy.Mba fantatrareo ve hoe inona izany vaky sehatra @ hira gasy, ny atao hoe maka feo, ny renin-kira, zana-kira, vako-drazana, ny dihy, ny kabary; ireo dia hita zavatra hita @ hira gasy daholo fa tsy hoe mijery dia vita.henoina hatramin'ny tonony ny kabary koa henoina tsara.
Mino aho fa tsy fantatrareo tsara akory ny fomba ahalalana fa resy ny mpihira gasy iray satria misy ny fomba fitsarana azy eo an-tsehatra.
Firy amintsika moa no mahalalaizany "dihin'ny ntaolo" izany na ny "sao dia mipika" izay karazan-dihy avy eto anivon-tany?
Aleontsika soloina ny HH sy ny Rap toy izay manao ny dihin-drazana ny Afindrafindrao sisa no hain'ny tanora ankehitriny fa ny dihy hafa efa nadinoiny.
Izay aloha no azo ambara fa @ manaraka indray.
Dia mazoto
16. samoina ( 30/01/2004 14:43)
izaho mankafy fa tsy nandalina lalina toa an-dranaritsimba e !
Toy ny rehefa hasain'olona misakafo ihany io. Na matsiro toa inona aza ny naroso tsy mba haiko loatra ny mandalina hoe:iza no nahandro izany ?, inona avy izany fangarony izany, nendasina izany sa natono ?
Ianao tia mandalina, tsara fa tohizo saingy mba avelao izahay hankamamy arak'izay mba itiavanay azy koa fa aza velesina loatra. Mitovy ny fitiavantsika saingy tsy sahala !!!
17. kally ( 30/01/2004 16:05)
Manontany i Naritsimba hoe impiry izahay miresaka hira gasy ireto no mba nanatrika hira gasy?valiny:tsy voaisako intsony fa efa maromaro ihany.Dia tsy mahay n'inon'inona ve izany izahay hoy i Naritsimba?Maka feo izy rehefa ilay vao manomboka dia ataony mitarazoka be iny aloha,ny ahy ny tiako indrindra ny zanakira,matetika aorian'ny dihy angamba izy izay raha tsy diso aho.Ary maninona anefa raha ampianarin'i Naritsimba ary ny olona rehefa hoe tsy mahafantatra e!Fa ny ahy ny tiako indrindra aloha i Sahondrafinina zanany e! Ramilisôna Andohavary koa anefa mahay...
18. hendry ( 30/01/2004 17:20)
Marina ny voalazan´i pitchou hoe miha mahazo vahana ny hira gasy @ zao, saingy na zany aza mbola tsy ampy ilay fampiroboroboan azy e. Zaho tsy afeniko fa tsy mba nijery hiragasy raha tsy niangaviana vazaha hijery hiaraka aminy satria tsisy azony ilay teny gasy nefa mahaliana azy mijery hira gasy. Menatra kely mihitsy aho niteny hoe zaho anie ka sambany vao hijery e.
Raha tiana ny hampahazo vahana ny hira gasy dia tokony ampitomboana koa ny toerana ahafahan´ny mpihira gasy miseho sehatra, jereo anie fa eto Tanà zao dia andavamamba no toerana mba tena malaza hisian´ny hira gasy, rehefa fahavaratra nefa avy ny orana ka zara raha misy ny hiragasy, ny kianja tsinona tsisy tafo.
Faharoa kely loatra ilay toerana. Ary fahatelo toa mampatahotra ihany koa iny toerana iny @ resaka fandriam-pahalemana.
Tokony mba raisin´ny fanjakana an-tanana ny fikarakarana toerana iray ngezangeza, mitafo mba hatao fanaovana hiragasy.
19. pitchou ( 31/01/2004 17:53)
tsy haiko na mbola misy izao na tsia fa talohaloha d tao @ tranompokonolona Isotry no fijerena hira gasy (raha kianja mitafo no resahana) Fa tena betsaka tokoa ny sehatra ahitana hira gasy. Ny mahasamihafa azy @ hira madinika manko dia mifanaraka @ circonstance ny tonony fa tsy toy ny hira variété hoe hiraina foana (izaho akory tsy miteny hoe ratsy ny variété an!). Na rindran-tantara iray manontolo, toy ny opéra e! ary @izao fotoana izao raha lanonana tena lanonana no tsy misy hira gasy d efa tena lazaina hoe nilaozan'ny toetr'andro! misy ny tarika mpanao hira gasy manao tournée hatrany ivelany! @ izao fotoana misy tarika efa tena malaza mihitsy raha tsy hiteny afatsy Ramilison avy ery Andohavary ohatra!
20. ikaretsaka ( 02/02/2004 11:07)
Sarotra be aloha ilay mi promouvoir an-dry zalahy raha resaka ara studio sy ny sisa 9jereo io ambony io) nefa amin'ny fomba ahoana koa moa no hirondrana ireo fitaovana fandraisampeo an'ny matihanina any @ ilay hoe mihosom-bovoka?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0897