Lasa indray ary

1. ikaretsaka ( 27/01/2004 10:57)
Toa basket NBA foana fa andao asiana lohahevitra vaovao e
Iza indray ary ny favori anareo @ ity CAN itye
2. donemaskit ( 27/01/2004 12:16)
Cameroun e !
3. fijo ( 28/01/2004 10:15)
senegaly
4. donemaskit ( 28/01/2004 10:36)
azafady fa tsy maharaka baolina kitra : ny Gasy moa tsy tafakatra e ?
5. ikaretsaka ( 28/01/2004 14:57)
ny vazaha aza tsy tafakatra
6. donemaskit ( 28/01/2004 19:42)
lol
misy vazaha ihany ao @ South Africa ko, sa aona ?
7. ikaretsaka ( 28/01/2004 16:57)
vazaha afrikanina ireny
8. fijo ( 29/01/2004 10:00)
ianareo roalahy koa dia tena mahatsikaiky.amin'izao niveauny gasy izao ve letsy radone,dia hoaiza isika le.mitovy amin'ny OM
9. ravatorano ( 29/01/2004 17:52)
nenah maroc

raha tena nijery ireny boll ireny zà dia gaga momba an'ireto bénin ireto tena marina lé fanosehana azy tamin'ny fitsarana ny boll scorpion-benin tany aminy iny.Tena vénan ry lerony é ! raha ireny kalou tsy afaka aleoko indray Rwanda
Ny finale amin'ity aloha dia egypte-Maroc é
10. fijo ( 30/01/2004 20:42)
misy ekipa maintsy tafiditra ao ka.
11. 2689 ( 01/02/2004 10:50)
I Bénin sy Nigéria no iriko ho raraka. Tamin' ny vokatra t@ andro voalohany aho faly ery fa samy resy ry lématy kanjo indrisy fa toa ho tafita ihany i Nigéria raha nahalavo an' i Bafana Bafana.

Fa misy hevitra kely ity ho an' ikaretsaka : Tokony mba hataon' ise miresaka kokoa ny lohatenin' ny adihevitra fa ilay hoe lasa indray ary toa tsy milaza na inona na inona rehefa tsy miseho eo amin' ny takelaka voalohany (la une) intsony ilay resaka.

:)
12. fijo ( 03/02/2004 10:15)
izay kosa anie ka avy dia mitarika amin'ny resaka maro e.malalaka ny ady hevitra eo.
13. ikaretsaka ( 03/02/2004 11:00)
2689
Ka io ange tonga amin'ilay ohatran'ny t@ mbola kely hoe ... andaho hilalao... dia eo vao raikitra ny baolina e ... nisy fanahy iniako io
14. donemaskit ( 03/02/2004 20:26)
Za manko tsy maharaka ka azonareo lazaina ve hoe in no niova t@ ekipa afrikana h@ CAN farany ? iza no nihafavy ? iza no favy taloha fa nihemotra ?
15. jhouhlambout ( 09/02/2004 09:04)
Ny fantatro aloha dia nihemotra ny Malagasy.....lol
16. donemaskit ( 09/02/2004 10:00)
mety tsy nihemotra akory fa efa ohatr'zao foana !!
17. fijo ( 11/02/2004 11:28)
nisy fihemorany be mihintsy ny ekipa malagasy.
18. jhouhlambout ( 13/02/2004 18:20)
Tsapako fa na ny ekipan' ankizy aza dia afaka mandresy azy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.9355