bandana sy ny fivavahana silamo.

1. 2689 ( 24/01/2004 10:06)
Mihetsiketsika ny silamo any Frantsa noho ny fanapahan-kevitra noraisin' ny Governemanta mandrara ny fitafiana maneho ny finoana.
Manahirana ihany ny resaka finoana, indrindra hiresaka finoana izay tsy ahy! Hevitra hita tao amin' ny Gazety Madagascar Tribune izy ity, tamin' ny teny baiko, ary raha fintinina dia toy izao :
Ny Silamo hono, sarotiny amin' izay olona mankany amin' ny taniny, ary ianao raha mankany amin' ireny firenena misy Silamo maro an'isa ireny dia tsy maintsy ianao no manaraka ny fombany. Fady izany hanao fitafy mihanjakanjaka izany fa tsy mety ho an' ny mason-dry zareo. Ny tongotra fotsiny aza dia efa mety hahitanao loza ny fampiderana izany.
Koa rehefa any amin' ny tany tsy maha-maro an'isa azy hono izy ireo (LaFrantsa ohatra) dia tokony hanaiky ny fandaminana apetrak' ireny firenena ireny.

Asa ny hevitr'isika namana ny amin' io...
novalian'i peluche ny 01/03/2004 14:24
2. kally ( 24/01/2004 10:21)
Io anie tsy azoko ny tsy nahasahy ny eropeanina niteny nivantana hoe ny silamo no manelingelina azy fa mody hoe ny fitafy maneho ny finoana e!na kipà jiosy ity na lakroa kristianina mody nolazaina daholo nefa ny silamo no tiana raràna matetika manko zareo ireo no miteraka olana sy korontana ara-piarahamonina foana any ivelany.Ary marina mihitsy io voalazanao io hoe ny silamo tsy te-hahalala fa rehefa any @ taniny ianao dia manaraka ny fombany.Ka tsy hitako izay tsy hampiharana an'izany amin-dry zareo koa rehefa ivelan'ny taniny izy manaraka ny fomban'ny firenena hivantanany izay manahirana eto satria ny firenena frantsay firenena tsy manam-pinoana.
3. donemaskit ( 24/01/2004 11:20)
marina mihitsy zany, rehefa te hipetraka an-tanin'olona dia tokony hanaraka ny fomba fisainany sy fiainany...
4. miara ( 24/01/2004 13:30)
Raha ohatra ny Frantsay ka hametra ny silamo tsy hampiseho ny fivavahany de lasa contradictoire @ ny "république" an'ny zareo hoe:liberté d'expression any tsirairay,raha tsy diso aho tsy izay moa ny filamatry ny frantsay,ny pays occidental rehetra??Zany hoe holasa otran'ireo firenena sasany tsy "mitolerer" ny hafa izy zany??
5. ikaretsaka ( 24/01/2004 15:27)
ka tsy raisina amin'ny extremeilay izy fa ny silamo anie mandray azy loatra amin'ny extreme ny mahavoa azy e... dia ny hiafarany tratran'ny olona sy haratsiany foana? opinion ko loha io e
6. isrine ( 25/01/2004 10:35)
avelao izireo hilaza ny filazany, fa ho aiza eo anefa ry zareo reo e, izireo anie efa manana ra mikoriana toy izany nefa tsy ahitana vokany akory, fa milamina ihany ry zareo reo rehefa afaka andro vitsy2.
7. ikaretsaka ( 25/01/2004 13:07)
ohatran'ny milamina kely dia mikrotana indray rysrine ko
8. kally ( 25/01/2004 15:50)
Raha tsy hentitra tsara ny eropeanina amin'io dia eo no raisina e!zareo anie maka toerana moramora e:mody ny ankihibe aloha no angatahiny avy eo mihitatra ho yn sandry manontolo no raisiny.Jereo fotsiny ohatra ny vadin'ny lehilahy silamo(ny vehivay silamo izany) izy indray no mibaiko rehefa mankany @ hôpitaly hoe dokotera vehivavy no tsy maintsy mandray ny vadiko fa tsy lehilahy.Dia rehefa atsy ho atsy koa dokotera misarom-boaly no tokony handray ny silamo?
9. samoina ( 25/01/2004 16:41)
Ny silamo extremista no tena manao dodoria isan'andro hanakorontanana ny ôksidantala satria tsapan'izy ireo fa efa marivo finoana .Hanafongana moramora ny kristianisma no tena tetik'ady satria ny momban'i Lafrantsa fotsiny ohatra dia nahaleo-bava mihintsy ireo fa tsy ho ela dia ho lasa tanin-tsilamo ! Soa ny Gasy fa mbola maro mirona any am-piangonana na dia mahantra aza
10. fijo ( 28/01/2004 10:46)
ny finoana silamo dia aleo tsorina,fa finoana mitambotsitra.tsy tia fivoarana.ary tia korontana.milaza ry zareo fa be fandeferana,taiza no nisy tany silamo nahay nandefitra.ary ankoatry ny loto sy ny faha voretrana dia mba inona no zavatra entin'izy ireo.
ny europeanina no homeko tsiny tsy sahy milaza mivantana izay heviny.
11. 2689 ( 29/01/2004 19:08)
Tsy manome tsiny ny Eoropeana kosa aho fa resaka sarotra be ny diplomasia. Midera ny Frantsay aza aho sahy nanao izao zavatra izao. Ny ahy ny iriko dia tsy hoe ny fanavakavahana ny silamo rehefa tsy any amin' ny taniny izy fa ny mba tsy hanavakavahany kosa ny olona mba mivahiny any amin' ny taniny. Dia mba izy no tokony hahatsapa tena hipirimpirina rehefa any an-dafy fa mandreraka be ny mahita vahiny mitabataba aty amin' ny taninao.
12. miara ( 29/01/2004 10:08)
tsy azo hatao kosa ny tonga dia manisy amin'ny ankapobeany ary manao hoe ny silamo rehetra dia hoatran'izao....misy catégorie an'ny ry zareo ary tsy mitovy daholo,ohatra ny kristianaina misy karazany.
Ny loto sy fahavoretrana koa angamba tsy afaka reliena amin'ny finona...raiso ohatra ny fahalotona any dago,nohon'ny fivavahna zany?@ manaraka ny tohiny
13. fijo ( 03/02/2004 10:37)
mety ho marina izay,fa jereo fa ny tany be silamo dia voretra.
14. ikaretsaka ( 07/02/2004 11:35)
marina io... tsaralalana ohatra
15. kally ( 13/02/2004 20:40)
Mifandray dia mifandray ny finoana sy ny fomba fiainana andavanandro.Raha tena mpivavaka mifototra tsara amin'ny finoany ilay olona.Raha kristianina izy dia hanao hoe,nomenAndriamanitra zaridaina tany malalaka aho,ka hiderako azy dia asiako voninkazo mahafinaritra ao anatin'io.Ho Fanajàko ny zava-boarin'Andriamanitra dia tsy ariariako fahatany eny ny harona sachet sy ny sisa...fa firy @ gasy moa no tena mifototra tsara amin'ny finoany?
16. fijo ( 17/02/2004 11:50)
rehefa noana dia ny kibo aloha no hinoana.ary ilay finoana kristianina anie tsy finoana gasy,ka vao misy olana izy dia ilaozany e.
17. solofo ( 18/02/2004 10:58)
Alohan'ny hitohizan'ny resaka, dia ity misy rohy mba jereo kely. Silamo taloha (lasa kristiana na tsy mino an'Atra intsony) ny ankamaroan'ny olona manoratra ao, ary solonanarana no ampiasainy fa efa nahazo fandrahonana ho faty imbetsaka izy:
http://www.exmuslims.com
http://www.faithfreedom.orghttp://news.bbc.co.uk/2/hi/middle_east/3430077.stm
18. solofo ( 18/02/2004 11:10)
Ity ilay rohy hafa fa diso:
http://www.faithfreedom.org

http://news.bbc.co.uk/2/hi/middle_east/3430077.stm
19. peluche ( 01/03/2004 14:24)
tsaralalana ihany nga no voretra ao Antananrivo ohatra?zany ilay hoe nahita faritra kely dia iny no hitsarana sasany,"préjugés"@ teny frantsay
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5629